Jejoo

Dans la même rubrique

Olon-tiana taloha : Azo resahina amin’ilay ankehitriny, saingy…

14/01/2019

Tafiditra ao anatin’ny tantaram-piainan’ny tsirairay ny olona efa niarahany taloha ary isan’ny nandrafitra ny maha-izy azy.

 Lire la suite...

Lehilahy lehibe sy vehivavy tanora kely mifankatia… olana be ve ?

11/01/2019

Fomba fiteny foana ny hoe : tsy misy taonany ny fitiavana, ary koa ny hoe : tsy mifidy iantefana ny fitiavana.

 Lire la suite...

Toetra 3 tsy maintsy ovaina mba hampaharitra ny fitiavana

07/01/2019

Tsy misy fiarahana azo antoka 100% fa tena tsy ho rava mihitsy, saingy azo atao ny mampaharitra azy.

 Lire la suite...

Hitia ihany, tsy aleo lehilahy mahay ?!

04/01/2019

Amin’izao fiandohan’ny taona izao dia maro amin’ireo vehivavy tokan-tena no maniry hanana olon-tiana amin’izay.

 Lire la suite...

Tsy natao handamina ny disadisan’ny mpivady ny zanaka !

03/01/2019

Harena, sombin’ny aina, mpandova, rehareha… Ireo no anoritantsika Malagasy ny zanaka. Indraindray anefa, ao ambadik’ireo, dia ataontsika fitaovana izy ireny, ialokalofana sy atao ala-olana, indrindra rehefa misy olana ao an-tokantrano.

 Lire la suite...

Nofinofim-pilàna ara-nofo : Misy dikany ambadika…

02/01/2019

Ara-dalàna, eo amin’ny olon-dehibe efa mahalala izany antsoina hoe : firaisana ara-nofo, ny manana nofinofim-pilàna na ilay antsoina hoe : “fantasme”.

 Lire la suite...

Firaisana ara-nofo, mety hampitahotra ihany koa…

02/01/2019

Raha ny tokony ho izy dia fotoana iray mamy dia mamy, ifanomezana fahafinaretana, ny firaisana ara-nofo. Saingy indraindray anefa, misy tranga miteraka tahotra na tebiteby be loatra, ka tsy araka ny nieritreretana azy ny zava-nitranga. Mitantara ny efa niainany, momba izany, ireto vehivavy 4 ireto…

 Lire la suite...

Love

Efa manana olon-tiana izy …fa tiako

02/01/2019

Tranga matetika miseho ny hoe : efa manana olon-tiana hafa ny olona iarahana. Marobe ny tovovavy miaina izany.

 

 

Misy no efa nahalala ny toe-java-misy, saingy niditra ihany, satria nihevitra fa ho afaka mandresy lahatra azy handao ilay efa tompon-toerana. Misy koa ireo efa tao anatiny sy efa latsa-pitia vao nahafantatra. Ny olana iraisan’izy ireo dia samy lasa mihafihafy. Inona ny atao raha sendra izany ?

Tsy maintsy miafina

Raha miaraka amin’olona efa manan-tompo dia marobe ny tsy azo atao : tsy mahazo mifampitantana eny an-dalana, safidifidiana be ny toerana handehanana sao dia misy olona mahafantatra. Voafetra be koa ny fotoana hiarahana ary tsy afaka ny hisitraka an-kalalahana ny fitiavan’ilay olon-tiana satria mizara ny fandaharam-potoanany sy ny fitiavany. Na ny ora azo hiantsoana sy handefasana someso ho azy aza dia voafetra ihany. Mety efa nilaza izy fa tsy mety mihitsy ny fiarahan’izy ireo, saingy toa tsy isarahany akory anefa io niarahany voalohany io. Mety nilaza taminao koa izy fa ianao no tena tiany, nefa dia tsy maintsy hahita antony tsy hahafahany misaraka aminy foana izy.

Raha ianao no amin’ny toerana ?

Maro, vokatr’izany, no leo an’ilay fiarahana sy mahatsiaro ho mijaly. Diniho anefa fa ianao izany no antony handaingany amin’io olon-tiany io. Hevero, noho izany, ny mety ho fihetseham-pon’ilay miaraka aminy, raha fantany fa mampirafy azy ny olon-tiany. Fa indrindra hevero, raha ianao no ilay tena tompon-toerana, nefa itsakitsahina tahaka izany. Tsy misy vehivavy te hiaina izany kosa angamba.

Ny vahaolana

Ny hany vahaolana dia ny miresaka amin’ilay olon-tiana.  Tokony ajanona ny fiarahana miafina. Tokony hisafidy izy, na ianao na ilay efa miaraka aminy ihany no hiarahany. Raha toa moa ka ianao no nosafidiany dia ianao izany no tena tiany. Raha tsy mahavita misafidy izy, na ilay iray no nosafidiany fa tsy ianao, dia ekeo ny fanapahan-keviny ary tsofy rano izy.  Tsy natao ho anao izy izany. Ho mafy tokoa ny hisaraka aminy, indrindra raha efa lalim-paka ny fihetseham-ponao, saingy tadidio fa ny toerana voalohany sady tokana ihany no mendrika anao. Tsy hahita ilay lehilahy hanome anao izay anjara toerana izay mihitsy ianao, raha mbola miharitra miaraka aminy ihany.

 

Hary 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo