Jejoo

Dans la même rubrique

Vehivavy mitondra môtô “Bol d’or”…niara-nitsangatsangana omaly

25/03/2019

Fikambanan’ireo vehivavy mpanamory sy mpankafy ny karazana môtô lehibe sy mandeha mafy « Bol d’or » eto Antananarivo ny The Litas.

 Lire la suite...

Toamasina Voalevina i Honorette sy i Kenzo kely

22/03/2019

Nalevina omaly, tany Tsaratampona fokontany Antsikafoka, Kaominina Mahambo, distrikan’i Fenoarivo-Atsinanana, ny vatana mangatsiakan’ilay renim-pianakaviana bevohoka 3 volana sy ny zanany lahikely 4 taona, novonoin’ny mpiasan’izy ireo, tany Toamasina.

 Lire la suite...

Teknika tsotra mamotsy ny tarehy

21/03/2019

Miankina amin’ny fahazarana sy ny fikoloana ny tarehy isan’andro no hananana hodi-tava tsara kalitao, na inona na inona lokony sy sokajiny.

 Lire la suite...

Ranona sakamalao : Sady mandoro tavy no mampidina tosi-drà

20/03/2019

Manampy be dia be amin’ny fampihenam-batana ny ranona sakamalao satria mandoro ny tavy hatramin’ireo sarotra esorina indrindra. Mampidina ny tosi-drà ihany koa ity zava-pisotro ity ary mampihena ny tahan’ny kôlesterôly.

 Lire la suite...

Hanitra, namoy anaka…Mitantara ny iainany!

19/03/2019

Renim-pianakaviana nivelona tamin’ny fivarotana lamba sy kojakoja plastika i Hanitra. 3 taona lasa teo ho eo anefa izay dia narary ny zanany vavy, izay vao 4 taona ary tsy maintsy niatrika fandidiana tamin’ny lohany.

 Lire la suite...

Jus papay, manafisa-kibo sy mamotika ny tavy ao anaty

18/03/2019

Manadio ny tsinay sady manampy manala ny tavy rehetra ao anaty indrindra ny eo amin’ny kibo ity zava-pisotro atolotra anao ity.

 Lire la suite...

Miora, ilay maty tanaty Ethiopian Airlines : Nikasa hody aty hanao vakansy

15/03/2019

Anisan’ireo nodimandry vokatry ny loza an’habakabaka nahazo ilay fiaramanidina lehibe an’ny Ethiopian Airlines ny alahady lasa teo, tany Addis Abeba i Miora Kuric. Gasy ray sy reny i Miora, saingy tsy mizaka ny zom-pirenena Malagasy intsony rehefa natsangana mpivady tera-tany frantsay monina tao Belgique. Avy any ambanivohitr’i Moramanga any no tena fihaviany, ary zanak’olona tena sahirana sy kely anaka any an-toerana izy.

 Lire la suite...

Astuces

Ravina dite, misoroka ny fihintsanan’ny volo

02/01/2019

Anisan’ny ananantsika Malagasy be dia be ny ravina dite. Mety efa fahenontsika ny voka-tsoany amin’ny fahasalamana, fa eo ihany koa ny amin’ny hoditra.

 

 Ankoatra ireo rehetra ireo dia tena mahatsara volo ny ravina dite maitso. Miaro amin’ny angadrano, ny fihintsanan’ny volo, fa indrindra mahalava volo ny ravina dite. Toy izao ny fikarakarana azy.

Akora ilaina

·         Ravina dite maitso voatoto 4g

·         Menaka kinana na menaka voanio 3 sotro fihinanana

·         Voasary makirana tapany

·         Rano 250ml

 

Fikarakarana

Apangotrahy ny rano ary arotsahy ao ny ravina dite. Araraho ao ihany koa ilay menaka kinana na voanio. Potsero ny voasary makirana. Ataovy ao anaty tavoahangy iray toy ny tavoahangina “shampooing” efa lany dia aontsano. Rehefa hampiasa azy dia ahosotra amin’ny hodi-doha no sady orina no fanaovana azy. Avela hilona mandritra ny 30 mn eo ho eo ary kobanina amin’ny rano mafana avy eo.

 

Meva

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo