Jejoo

Dans la même rubrique

Tsiambaratelo mampaharitra ny fanambadiana

15/07/2019

Inona ny tsiambaratelo mampaharitra ny fiarahana sy mikolo ny fitiavana eo amin’ny olon-droa ?Mety fihetsika kely sy bitika izy ireny kanefa misy vokany. Atoronay anao ny santionany :

 Lire la suite...

Ny atao haha-latsa-pitia azy tanteraka

08/07/2019

Tianao ho latsa-pitia tanteraka aminao ve izy ? Azo atao ihany izany. Ireto misy torohevitra mety hanampy anao : Efa mba nifanerasera aloha

 Lire la suite...

Torohevitra 5 hanadinoana tanteraka ny olon-tianao taloha

01/07/2019

Vehivavy maromaro no nizara tamin’ny Jejoo ny fomba nanadinoany ny olon-tiany izay nandao azy sy nisaraka taminy. Azonao angalana hevitra izany satria nandaitra tamin’izy ireo.

 Lire la suite...

Azo havotana ny tokantrano miha-rava…

24/06/2019

Azo hatao ny manarina sy manavotra ny tokantrano mitady ho rava raha arahina ireto fitsipika 10 ireto. Tsy mora tokoa kanefa azo atao tsara :

 Lire la suite...

Mihataka amiko izy, inona ny hataoko ?

17/06/2019

Zavatra mety hitranga eo amin’ny mpifankatia ny hoe : toy ny mihataka izany ny an-daniny. Tsy dia mazoto miantso na mandefa someso toy ny tamin’ny vao niaraka. Fa inona ny mitranga? Tsy te-hiaraka aminao intsony ve izy? Tsy tia anao intsony ve izy ? inona ny hatao ?

 Lire la suite...

Paikady 3 hatao dia tsy saro-piaro intsony

03/06/2019

Ratsy avokoa ny vokatry ny hasarotam-piaro indrindra raha diso tafahoatra izany. Mampijaly ny sain’ny olona saro-piaro mantsy izany.

 Lire la suite...

Liva : Tsy tiako intsony ny vadiko

24/05/2019

Tranga mety miseho ao anatin’ny tokantrano koa ny hoe : tsy tiana intsony ny vady. Anisan’ny nahatsapa izany i Liva. Solon’anarana nosafidiany io fa tsy tena nomeny anay ny anarany mba hiarovana ny tokantranony :

 Lire la suite...

Love

Te hiaraka maharitra ? Mahaiza mamilafila !

28/12/2018

Marobe ny fiarahana miforona ao anatin’ny alin’ny faran’ny taona. Tsy lavina fa mety mifanojo ny fo anankiroa samy tia, dia tafatambatra ho iray, saingy maro ihany koa ny fiarahana mandalo fotsiny, ateraky ny ambiansy,

 

 ny fiarahana mandihy, ny zava-pisotro misy alikaola… Amin’ny ankapobeny dia ireo vehivavy mora baboina no manorina fiarahana ao anaty alim-pandihizana, toy izay mitranga amin’ny faran’ny taona.  Tsy mila “mikôty” ela akory mantsy ny lehilahy dia “mahazaka” azy...

Mampialona

"Fille facile" no isokajiantsika azy ireny, izany hoe : mora azo ny fony... sy ny zavatra hafa koa ! Tsy mihafahafa izy ary tsy miandry ela, tsy mamilafila fa rehefa mahafinaritra azy dia iarahany. Mazava ho azy fa ratsy fijery azy ireny ny fiarahamonina. Indraindray anefa dia velom-pialonana azy ireny ihany ny vehivavy mipetrapetraka, indrindra raha tokan-tena. Nahoana tokoa no ifandrotehan'ny lehilahy ny vehivavy toy izany, nefa ianao ilay mba mendrika amin'ny lafiny rehetra, toa tsy misy mijery ?!

Fandalovana ihany

Mahafinaritra ny lehilahy tokoa ny miaraka amin'ny vehivavy mora azo. Ilay izy tsy mivaky loha sy tsy mieritreritra ela no tena manintona aminy. Raha anjoria (aventure) miserana no tadiavina, dia izy ireny no tena idealy. Mahay mihomehy sy mifaly koa mantsy ireny karazam-behivavy ireny, ka namana mahafinaritra, raha te hiala voly. Izany koa anefa no mahatonga ny vehivavy mora azo ho tsy manana olon-tiana maharitra. Ataon'ny lehilahy fandalovana fotsiny izy, ka lasa miovaova olona iarahana matetika. Mety mba mitady fiarahana maharitra ihany izy, saingy ny lehilahy mihitsy no mihevitra azy ho tsy matotra sy tsy azo antoka.

Ilaina ny mamilafila

Araka izany, raha tena te hiaina fiainam-pitiavana maharitra dia aleo mahay milalao ny familafilana. Toy ny fifaninana mantsy ny fambaboana vehivavy, eo amin'ny lehilahy, ka mila mahatsapa ilay fientanentaana izy hoe : ho babo ihany sa tsia ? Sady izay nandaniana ron-doha sy nandreraka ihany koa no tena tsapa ho mamy sy sarobidy rehefa azo. Manana ny hasiny eo anatrehan'ny lehilahy kokoa, noho izany, ny vehivavy raha tsy mora azo loatra. Amin’izao faran’ny taona izao ary, dia tsy maninona mihitsy ny miezaka maka ny fon’ny olona izay mampitsiriritra, saingy mahaiza mampifilafila, raha tiana ho fiarahana maharitra ilay izy, fa tsy fiarahana hanaperana ny taona fotsiny.

 

Fytia

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo