Jejoo

Dans la même rubrique

Andro eran-tany ho an’ny angano : Hivoaka amin’io ny boky angano an’i Ranaivo Rafenomanjato Patricia

19/03/2019

Hankalazaina rahampitso 20 martsa ny andro maneran-tany ho an'ny angano. Hanamarika izany ny ao amin’ny Ivon-toeran’ny Kolotsaina Malagasy (IKM) sy ny Federasiona Mpikanto Teny sy Soratra (FMTS). Mandritra izany no

 Lire la suite...

BNI Andranonahoatra Olona handrotsaka vola, voatifitra

19/03/2019

Omaly maraina tokony ho tamin’ny 9 ora sasany maraina teo no nitrangana fanafihana teo amin’ny banky BNI Andranonahoatra Itaosy.

 Lire la suite...

Fifaninanana mamaky teny Ankizy 31 no tafakatra amin’ny manasa-dalana

19/03/2019

Ankizy sy tanora miisa 73, teo anelanelan’ny 10 hatramin’ny 15 taona, no tonga nifaninana namaky teny, tao anatin’ilay « Championnat de lecture », nokarakarain’ny Alliance française d'Antananarivo, tamin’ny sabotsy lasa teo.

 Lire la suite...

“Tremplin Music’al Run” ao La Réunion: Mandray anjara i Océane Rama, malagasy

19/03/2019

Fifaninanana hisafidianana ireo mpanakanto vao misondrotra eo amin’ny sehatry ny mozika ny “Tremplin Music’al Run”.

 Lire la suite...

Varotra akanjo sy kiraro Mora be ny entana, rehefa manao “destockage” ny botika

19/03/2019

Any am-pitandranomasina any dia voafaritry ny lalàna mazava ny daty sy ny fe-potoana fanaovana varo-boba, na “solde”, na ihany koa “destockage”.

 Lire la suite...

Sambatra Fandresena, 14 volana Misy fivontosana ny ati-dohany, hodidiana fanin-droany

19/03/2019

Zazalahy kely vao 14 volana monja Andriamanantsoa Sambatra Fandresena. Tojo tsy fahasalamana tanteraka anefa izy ankehitriny. Misy fivontosana ao anaty ati-dohany izay fantatra fa mizara roa samihafa. Ny iray efa voadidy soa aman-tsara rehefa nesorina.

 Lire la suite...

LOZAM-PIARAKODIA - TAMBAZOTRAN-TSERASERA Mitady “j’aime” fa tsy mba manavotra ireo mpandalo

18/03/2019

“Toe-javatra mampalahelo amin’izao, ny nahamay ny sasany dia ny mitifitra sary ireo olona nihitsoka tao ambany fiara fa tsy nisy mihitsy namonjy izany”.

 Lire la suite...

Actualités

Rakotoarivelo Patricia Voafidy ho masoivoho hitondra ny marika Curvy Chic Fashion

28/12/2018

Rakotoarivelo Patricia, tovovavy 24 taona, no voafidy ho endrika anehoana sy hitondra ny marika Curvy Chic Fashion. Tamin’ny sabotsy 22 desambra lasa teo no nanatanterahana ny lanonana « Curvy Night »,

 

 

izay nampisehoana an’ireo andian’akanjo voalohany novokarin’ity marika ity, no sady nampahafantarana ihany koa an-dRakotoarivelo Patricia. Raha tsiahivina dia i Kelhie Razafiasimalala no mpamorona ny marika Curvy Chic Fashion. Miompana amin’ireo vehivavy botabota sy sokajiana ho ngeza ity marika ity, mba hanomezana vahana an’ity bika ity, izay manana ny mahatsara azy ihany koa. Teny amin’ny Suite 101 Antaninarenina moa no nanatanterahana an’ity hetsika ity. Raha ny tantaran’ny fiforonan’ny Curvy Chic Fashion dia niainga tany amin’ny fahazazan’i  Kelhie Razafiasimalala mihitsy. “Nanana “cousine” dongadonga izay aho, ka tsy mba nahazo akanjo efa vita zaitra, toy ny anay ankizy rehetra izy, rehefa Krismasy, fa nanjairan’ny bebenay an’ireny akanjo didy mananjara be ireny. Nitomany izy, noho izany, ka nilaza taminy aho hoe : rehefa any aoriana any aho dia hanamboatra akanjo mety amin’ny bikandry, ary dia notanterahiko tokoa izany”, hoy i Khelie mitantara. Ny 22 desambra moa no tsingerin-taona nahaterahan’io rahavavin’i Kelhie Razafiasimalala io, datin’andro nosafidiany ihany koa mba hampisehoana voalohany an’ireo sangan’asany.

 

 

Mira

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo