Jejoo

Dans la même rubrique

Zava-pisotro zavoka sy kaokaombra ary yaorta… tsara atao sakafo maraina

06/03/2019

Ny akora rehetra anatin’ity zava-pisotro iray ity dia feno otrik’aina ilain’ny vatana hiatrehana ny tontolo andro. Zava-pisotro tena tsara hanombohana ny tontolo andro izy ity satria sady ahitana vitamina C no ahitana proteina, izay samy ilain’ny vatana

 Lire la suite...

Zava-pisotro amin’ny tamotamo… misoroka homamiadana

27/02/2019

Singa efa fantatra amin’ny voka-tsoa izay entiny ny tantely sy ny tamotamo. Isan’ny tena hahafantarana azy ireo ny fisorohana ny homamiadana. Ity zava-pisotro iray ity dia ahitana ireo singa roa ireo ka misoroka ny fiparitahan’ny singa mitondra homamiadana anatin’ny vatana ary mampitombo ny hery fiarovana ihany koa.

 Lire la suite...

Ranona kaokaombra, sakamalao, …nalona : Mampihena kibo

20/02/2019

Efa fampiasa matetika amin’ny fampihenam-batana ny kaokaombra. Raha afangaro amin’ny sakamalao sy voasarimankirana izy dia mampihena kibo.

 Lire la suite...

Zava-pisotro mahatsara tarehy, amin’ny betiravy

13/02/2019

Zava-pisotro natoraly mahasolo ireny akora “anti-âge” ireny ity zava-pisotro ity. Ny singa tsirairay avy izay mandrafitra azy dia samy manamandina sy mahatsara hoditra avokoa. Ankoatra izay dia mitahiry ny fahatanoran’ny hoditra ihany koa izy ity.

 Lire la suite...

Zava-pisotro vita amin’ny tamotamo : misoroka ny fihombon’ny homamiadana, manadio taova, tsara ho an’ny taolana, …

06/02/2019

Akora mitondra voka-tsoa marobe ho an’ny vatana ny tamotamo. Raha afangaro amin’ny akora hafa toy ny voamadilo sy ny voasarimakirana izy dia manasitrana aretina samihafa. Ity zava-pisotro manaraka ity izao dia misoroka ny fiombon’ny homamiadana, manadio taova,…

 Lire la suite...

Zava-pisotro mampavitrika tontolo andro

30/01/2019

Araka ny filazan’ireo « nutritinioniste » dia ny sakafo maraina no tena manan-danja indrindra amin’ireo sakafo mandritra ny tontolo andro

 Lire la suite...

Dite sakamalao : Manala vato amin’ny voa, manadio aty…

23/01/2019

Manan-karena mineraly isan-karazany toy ny vitamina sy ny manezioma ny sakamalao. Mampiakatra ny hery fiarovana koa izy ity. Noho ireo voka-tsoa ireo dia manadio ny aty ny sakamalao, manala ny vato amin’ny voa ary miady amin’ny homamiadana. Andramo ary ity zava-pisotro vita amin’ny sakamalao iray ity.

 Lire la suite...

Boisson

Ranona solila, manadio taova taorian’ny fihinanana sakafo matsiro

26/12/2018

Rehefa avy nihinana sakafo matsiro nandritra ny fetin’ny Noely teo dia tsara raha diovina ny taova rehetra ao anaty ao, mba tsy hiandrona any ny poizina sy ny menaka ratsy ary ny tavy. Mety hampirongatra ny karazana aretina toy ny aretin’aty, aretim-bavony mantsy ny sakafo izay lany nandritra ny fety.

Ity zava-pisotro vita amin’ny solila sy apongabendanitra ity dia tena mandaitra amin’izany. Mora karakaraina satria dia lomana anaty rano fotsiny izany. Tena tsara tsiro koa anefa izany ka mahamaivamaivana ny any anaty rehetra.

Akora ilaina

Apongabendanitra singany 2

Solila ½ fatorana

Voasarimakirana 1

Rano tsotra  50 sl

Fikarakarana

Ø  Tapahina 2 ny apongabendanitra ary esorina ny voany.

Ø  Sasana madio tsara ny ravina solila.

Ø  Rehefa madio ny voasarimakirana dia tetehina boribory manify.

Ø  Araraka ao anaty bôkaly misarona ny rano ary lomana ao ny ravina solila, ny voan’ny apongabendanitra ary ny voasarimakirana voatetika.

Ø  Rehefa izay dia ampidirina anaty vata fampangastiahana.

Ø  Afangaro tsara mialoha ny hisotroana azy ary azo ampiana vaingana gilasy mba hampangatsiatsiaka kokoa azy.

Manadio ny taova

Manadio sy mahamaivamaivana ny taova aorian’ny fihinana sakafo mavesatra ity zava-pisotro ity. Na ny solila na ny apongabendanitra dia samy akora manadio ny taova avokoa. Ny tena mahatsara azy dia izy mety amin’ny salan-taona rehetra. Ankoatra izay dia mety ho an’ireo olona izay mampihena vatana ihany koa izy ity.

Meva

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo