Jejoo

Dans la même rubrique

Fahadisoana 4 tsy tokony atao intsony

15/01/2019

Misy fomba fiheverana malaza izay manao hoe : tsy misy vehivavy tsy liana amin’ny firaisana ara-nofo, fa ny lehilahy tsy mahay mampianoka no misy.

 Lire la suite...

Mifampijery anaty maso, mampitombo ny fahafinaretana

14/01/2019

Matetika ny mpifankatia no mitady hevitra sarotra, mba hanomezana tsiro miavaka ny firaisana ara-nofo. Isan’izany ny fitadiavana paozy miala amin’ny mahazatra. Tsy voatery anefa, fa misy mahatsara azy ny fomban-drazana : afaka mifampijery anaty maso. Mitondra fahafinaretana hafa mantsy io fifampijerena anaty maso io, mandritra ny fifampizaràn’ny olon-droa :

 Lire la suite...

Fanapahan-kevitra 3 manatsara ny fiainam-pananahana

08/01/2019

Rehefa miandoha ny taona dia miezaka mandray fanapahan-kevitra tsara, na mametraka tanjona sy vina hotratrarina ny ankamaroan’ny olona.

 Lire la suite...

Lehilahy manolana ny vadiny, tsy azo avela fotsiny amin’izao !

27/11/2018

Nomarihina ny 25 novambra lasa teo ny andro eran-tany ho famongorana ny herisetra atao amin’ny vehivavy, ary ao anatin’ny 16 andro, manomboka eo amin’io daty io hatramin’ny 10 desambra,

 Lire la suite...

Misy faritra 3 tsy ampoizina mampientana ny lehilahy !

20/11/2018

Amin’ny ankapobeny, ny faritry ny taovam-pananahan’ny lehilahy avy hatrany no kitihantsika vehivavy, rehefa te hanaitra ny lehilahy.

 Lire la suite...

Savaranonando, azo atao tsisy tanana !

13/11/2018

Tsy ny vehivavy ihany akory no mila an’ilay savaranonando, fotoana natao hanaingana ny filàna sy hampiakatra tsara ny mari-pana, mialohan’ny tena firaisana ara-nofo.

 Lire la suite...

Misy lalàna mahatsikaiky mamehy ny firaisana ara-nofo

06/11/2018

Tena zava-dehibe izany firaisana ara-nofo izany, ka tsy azo ataotao foana. Izany koa no mahatonga ny lalàna ho sarotiny amin’ireo tsy manaja ny maha-olona,

 Lire la suite...

Sexo

Firaisana ara-nofo : Manana ny tsirony koa ny fahazarana !

18/12/2018

Rehefa miresaka firaisana ara-nofo, dia mazàna ny fitadiavana izay fomba hahatsara kokoa hatrany an’izany no tena omen-danja. Voateny foana, ao anatin’izany, fa ilaina ny manovaova ny fahazarana, mba tsy hankaleo. Adino, fa misy vokany tsara ihany koa ny fahazarana...

 

 

 

Tsy maintsy misy ny fahazarana

Tsy misy olona tsy mametraka fahazarana, amin’ny andavanandrom-piainany. Misy, ohatra, ireo izay tsy maintsy manasa tarehy, raha vao misokatra ny masony ; ny sasany, tsy maintsy misotro kafe mba hanombohana ny tontolo andro. Ao ireo tsy maintsy mivoaka kely ny trano rehefa faran’ny herinandro ; misy koa ireo tsy mahazo aina raha tsy mamaky boky kely mialohan’ny hatoriana… Ny mahagaga anefa dia tsy mametraka tahotra amintsika mihitsy ireny fahazarana ireny ary hahazoanntsika fy foana. Koa nahoana moa no voatery ho hafa ny eo amin’ny lafiny firaisana ara-nofo ?!

Atao fotoana ifanomezana

Tena azo raisina amin’ny lafy tsarany mihitsy ny fahazarana ao anatin’ny fiainam-pananahana. Mety hampirindra tsara ny fiarahana mihitsy aza ny fametrahana an’io fahazarana io, ohatra hoe : mifanome fotoana eo am-pandriana isaky ny sabotsy alina, ary atokana ho an’ny fifanakalozana fitiavana ara-batana mihitsy io fotoana io, fa adinoina ny asa, ny horonan-tsarimihetsika… amin’izay dia mahazo antoka, na ny an-daniny, na ny an-kilany, fa efa fotoana ifanaovana io, ka samy efa mivonona amin’izany. Ilaina mihitsy ny mametraka fahazarana toy izany, indrindra amin’izao fotoana mampirotoroto ny fiainana izao, ka indraindray samy reraka, hany ka tsy mahita fotoana hiarahana intsony, raha tsy terena.

Mifankahafantatra tsara

Fa isan’ny tena mahatsara ny fahazarana ihany koa ny fahafantarana ny tena sy ny fahafantarana an’ilay olon-tiana. Efa “hay tsianjery” ny tokony atao, na ny hampientana ny tena, na ny hampiakarana ny fahafinaretan’ilay olon-tiana. Mety efa andrasana fotsiny aza hoe : eto izy ilay manoroka, eto izay misafosafo, eto izy ilay miato kely… Ary ny fiandrasana an’ireny fihetsika sy fanao efa mahazatra ireny aza indraindray no vao mainka mampiakatra ny hafanana. Vao tsinjon’ny saina fotsiny izay mety hitranga dia efa mientana sahady ny vatana. Ny tena tombony be ihany koa, araka izany, rehefa mipetraka ny fahazarana, dia tsy ahiana loatra ny fahadisoam-panantenana. Fa tsy manakana ny hanomezana tsiro hafa ny fiarahana izany rehetra izany, raha toa ka te hanisy sakay kely ny roa tonta.

 

Fytia

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo