Jejoo

Dans la même rubrique

Manatsara bika any am-piasana

15/01/2019

Tsy manam-potoana firy atokana mba hanaovana spaoro ny olona miasa birao. Tena ilaina anefa izany. Ireto misy paipaika vitsivitsy hahafahanao manao spaoro na dia ao am-piasana ihany aza.

 Lire la suite...

Manatsara bika aorian’ny fety

08/01/2019

Hanampy anao hanintsana ireo lanja azo nandritra ny fety ireto fampihetseham-batana tsotra ireto. Ny tombony dia mampiasa ny faritra rehetra amin’ny vatana izy ireto.

 Lire la suite...

Manala ireo tavy miandrona ambany helika

11/12/2018

Azo esorina ny tavy eo amin’ny lamosina. Ireo miandrona eo ambanin’ny helika sy izay amin’ny andaniny roa amin’iny valahana iny dia azo foanana tsikelikely ihany koa . Ireto fampihetseham-batana ireto fotsiny no ataonao matetika.

 Lire la suite...

Fampihetseham-batana ho an’ny ankizy kely

04/12/2018

Tsy ny lehibe ihany no tokony hanao fampihetseham-batana fa dieny vao kely ny ankizy dia efa tsara hanmpanaovina izany.

 Lire la suite...

Mamerina ny nono fisaka sy miroraka ho dongadonga

27/11/2018

Azo atao tsara ny manalehibe ny tratra na ny nono somary fisaka amin’ny alalan’ny fampihetseham-batana. Mila manao izany matetika fotsiny.

 Lire la suite...

“Cardio training” atao ao an-trano, 10 minitra isan’andro dia mihena !

20/11/2018

Fitaizam-batana 10 minitra isan’andro dia ampy mba hikoloana ny vatana sy hahazoana bika tsara rafitra. Ireto atoro anao manaraka ireto ny santionany amin’ny fampihetseham-batana tsara atao amin’izany.

 Lire la suite...

Ny fiakanjo tena mety raha hanao spaoro

13/11/2018

Mba ho vita tsara araka ny tokony ho izy ny fanantajahantena atao dia tsara raha manao akanjo mampahazo aina tsara rehefa manao spaoro. Toy ny ahoana tokoa no tena fitafy mety raha hanao spaoro ?

 Lire la suite...

Forme

Mahaela velona ny fampihetseham-batana japoney, azo tahafina tsara !

18/12/2018

Malaza amin’ny fahaizany mitaiza vatana sy bika ny japoney satria efa tafiditra ao anatin’ny kolotsain’izy ireo rahateo izany.

 

 

Ankoatra ny fahaizana misakafo ara-pahasalamana dia misy koa ny fomba fitaizam-batana ananan’izy ireo, ary  mahalava velona. Ireto fampihetseham-batana ireto izao dia novolavolain’i Katsuzo Nishi, lehilahy iray nanana aretina mahafaty saingy avotr’ireo fampihetseham-batana novolavolainy ka nahavelona azy hatramin’ny 75 taona.

 

1.      Manao toy ny herana

Mampikoriana tsara ny rà any anatin’ny ranjo izy ity. Manasitrana ny ranjo manaintaina izy ity noho izany. Matory amin’ny kibo amin’ny toerana mafimafy sady marina tsara. Aforitra ny lohalika ka ezahina takarina amin’ny felan-tongotra ny fitombenana. Atao an-tsaina fa toy ny herana (roseau) ahetsiketsiky ny rivotra ireo ranjo sy tongotra. Mety tsy ho vitanao avy hatrany fa atao matetika ity fampihetseham-batana ity mandrapahavitanao azy tsara.

 

2.  Manao toy ny ravin-kazo

Manatsara ny fomba fijoro indray ity manaraka ity. Manatsara ny fiasan’ny ati-doha koa. Matory mitsilany. Mijery ny valitafo ny maso. Toniana tsara ny saina mba hahatsiaro  ho toy ny maivana sy poakaty ny vatana. Aforitra ny lohalika fa atehaka ny tany hatrany ny felan-tongotra. Atao manakaiky ny fitombenana ny tongotra. Ezahina takarina amin’ny fela-tanana ny lohalika kanefa tsy atao miala ny tany ny lamosina. Raha efa izay dia akarina ny loha. Tazonina hahitsy tsara foana kosa ny lamosina. Mitazona izao paozy izao izay ela vita indrindra. Rehefa tsy zaka intsony dia averina moramora amin’ny paozy niaingana ny loha.

 

3. Manao toy ny sambo

Manamafy ny hozatra eo amin’ny manodidina ny kibo ity manaraka ity sady manafisaka ny vavony. Manatsara ny fiasan’ny taovam-pandevonan-kanina koa. Na ny vehivavy bevohoka aza dia afaka manao azy ity. Mitsilany amin’ny tany aloha. Sady manisa hatramin’ny 4 no akarina ny tongotra roa ary atao manondro ny lanitra ny loha-tongotra. Akarina koa ny loha sy ny lamosina ary ny tratra. Tazonina hahitsy hatrany ny lamosina rehefa manao izany. Takarina amin’ny lohan-drantsan-tanana ny lohalika. Tsy mihetsika amin’izao paozy izao ka rehefa mahatsiaro vizana vao miverina amin’ny paozy niaingana. Averina im-10.

Santionany ihany ireo fa mbola maro hafa ny fampihetseham-batana novolavolain’i Katsuzo Nishi  izay ho entina aminao eto amin’ny Jejoo ihany amin’ny manaraka.

 

Lilou

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo