Jejoo

Dans la même rubrique

Fomba 4 tsotra kely, mandoro tavy haingana

11/03/2019

Azo atao tsara ny manampy ny vatana handoro tavy. Ireto misy teknika ahafahana mandoro tavy haingana.

 Lire la suite...

« Smoothie » paoma na dité kanelina isa-maraina dia mihena

04/03/2019

Tsy manatsara ny bika ivelany fotsiny akory ny fampihenan-tena fa tanjona amin’izany koa ny fahasalaman’ny ao anaty. Manampy hanatratra izany tanjona izany ny fampiasana ireo zava-pisotro manadio sady mampihena amboarina ao an-trano.

 Lire la suite...

Zava-pisotro amin’ny romarin sy sakamalaho : mampihena kibo haingana

18/02/2019

Ny tavy miandrona eo amin’ny kibo no farany sarotra esorina indrindra amin’ny vatantsika olombelona. Soa fa mikaroka fomba hanalana ny tavy eo amin’io faritra io ny manam-pahaizana maro. Anisan’ny fomba hanafisahana ny kibo hitan’izy ireo ity atoro anao ity :

 Lire la suite...

Limonady amin’ny sakamalaho, mampihena haingana be

11/02/2019

Efa ela ny sakamalaho no ampiasaina ao anaty fampihenan-tena. Maromaro rahateo ny voka-pikarohana natao mahakasika ny voka-tsoa entin’ny sakamalaho ao anatin’ny fampihenan-tena atao. Ahoana kosa no hihinanana azy, atoronay anao :

 Lire la suite...

Smoothie maitso karazany 4 mampihena haingana

04/02/2019

Tsy mahomby ny zava-pisotro voalaza fa mampihena raha tsy mahafeno ireto manaraka ny vokany : manapaka ny fahazotoan-komana, misoroka ny fitahirizan’ny vatana rano ao anaty, manadio ny taova ary mandoro tavy. Mahafeno ireo rehetra ireo kosa ireo zava-pisotro manaraka ireto ka azonao ampidirina tsara ao anatin’ny regime fampihenan-tena arahinao

 Lire la suite...

Inona no mampihena haingana? …Ireo fomba tsotra 5 tena mandaitra!

21/01/2019

Mahatratra 1,9 miliara ny isan’ireo olona manana olona amin’ny hatavezana eran-tany raha ny salan’isa vao nivoaka farany ary anisan’ny firenena misedra izany olana izany koa ny eto amintsika. Nanaovan’ny mpikaroka fanadihadiana ity olana mahazo olona maro ity ka ireto ny vahaolana hitan’izy ireo :

 Lire la suite...

Ranom-boankazo “majika” mitroka tavy miandrona, amin’ny alina

08/01/2019

Maro ireo antony mahatonga ny vehivavy ho lasa be kibo. Ny fomba tena tsotra sy mahomby hisorohana izany nefa dia ny fihinana sakafo voalanjalanja hatrany, ankoatra ny fanaovana fanazaran-tena.

 Lire la suite...

Minceur

Fomba 6 tsy ampoizina, manampy anao hihena vetivety!

17/12/2018

Raha efa nandramanao avokoa ny fomba rehetra hampihenan-tena saingy tsy nahomby izany dia andramo indray ireto manaraka ireto. Tsy dia ampoizina loatra izy ireo kanefa dia mahomby amin’ny fandrisihina anao ao anatin’ny ezaka fampihenan-tena

 

 

Mividy akanjo manara-batana

Tsy hampihena anao mivantana akory ny hividy akanjo vaovao saingy handrisika anao hihezaka sy haharitra hampihena vatana izany. Akanjo tsara tarehy manara-batana vidiana, na tsy tena antonona anao aza izany. Mividiana ihany koa akanjo fitondra amin’ny fanatanjahan-tena mba hampazoto anao hampihetsi-batana.

 

Mankafy mampihetsi-batana

Fantaro fa hanafaingana ny vokatry ny “regime” atao ny spaoro. Tsy tena haharitra amin’izany anefa ianao raha toa ka ilay hihena fotsiny no mahatonga anao hanao spaoro. Tsara kokoa raha ataonao ao an-tsaina fa hahasalama anao, hanala ny rarin-tsainao sady hampitombo ny fahatokisan-tenanao ny fanaovana spaoro.

 

Mahay mankasitraka ny tena

Mba hampahiratra anao amin’ny ezaka mafy ataonao dia mametraha karazana fankasitrahana ho an’ny tenanao isaky ny mahavita ezaka tsara ianao. Azonao atao ao amin’ny efitranonao ohatra ny mametraka boatin-drakitra iray tantera-pahazavana ka isaky ny handeha hanao spaoro ianao na isaky ny nandingana andro iray tsy nitsakotsakoana dia mametraka vola ao anatin’ity boaty ity.  Ho hitanao mivaingana amin’izay ny ezaka vitanao.

 

Mihetsika foana na miasa aza

Ho an’ny olona miasa birao dia mipetraka eo ambony seza manoloana ny solosaina no handaniana ny ampahany betsaka amin’ny fotoana. Iny fijanonana mipetraka ela iny koa anefa no fahavalon’ny fampihenan-tena. Andramo ny mihetsika matetika rehefa miasa. Torak’izany koa rehefa mijery fahitalavitra.

 

Miborosy nify foana

Na dia avy nihinana ody ambafavo fotsiny aza dia borosio ny nify mba tsy hazoto hitsakotsako firy intsony aorian’izay.

 

Mividy tavoahangin-drano tsara tarehy

Tokony hisotro  rano betsaka raha te hampihena tena. Misy anefa no marisarisa amin’ny fisotroana izany. Mba hampazoto anao dia izao atao : mividiana “gourde” na fitahirizan-drano  tantera-pahazavana tsara tarehy iray. Asio didina voasarimakirana, didina kaokaombra, voankazo mena mba hanomezan-tsiro ilay rano sy hampazoto anao hisotro azy.

 

Miss

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo