Jejoo

Dans la même rubrique

Inona no loko tsara ampiarahina amin’ny maitso?

28/01/2019

Misy ireo mankafy ny loko maitso nefa sahirana mitady izay loko tsara ampiarahina aminy. Andeha ho jerentsika ireo loko mety sy tsara ampiarahin’ny maitso.

 Lire la suite...

Mahay manaingo trano kelikely

21/01/2019

Rehefa kelikely ny trano, dia tsy maintsy zaraina ho ao anatin’ny efitra iray avokoa na ny efitra fandriana na ny efitra fandraisam-bahiny. Ny fomba hanasarahina azy no mety manahirana saingy mora atao kosa rehefa miainga amin’ny zavatra tsotra.

 Lire la suite...

Mahay misafidy « coussins » mety amin’ny trano

14/01/2019

Fitaovana kely mitondra loko vaovao ho an’ny efitrano fandraisam-bahiny ny « coussins ». Ahoana anefa ny fomba hisafidianana azy mba hamoaka ilay endrika tena katsahina amin’ny efitrano?

 Lire la suite...

Haingon-databatra tsotra fa tsara, ho an’ny Noely

10/12/2018

Raha toa ka tsy afaka manokana vola be ho amin’ny fanaingoana ny latabatra mandritra ny Noely dia misy kosa ireo zavatra tsara ananana mba hampivoaka azy. Tsy sarotra tadiavina nefa izany akory.

 Lire la suite...

Ireo fomba fanaingo trano lamaody amin’ity noely 2018 ity

03/12/2018

Efa miditra ao anatin’ny ambiansy amin’ny fetin’ ny noely isika ankehitriny. Andeha ho jerena ny hiaka farany amin’ireo fomba fanaingo ny trano ka samy haka izay tandrify sy mety aminy ny tsirairay.

 Lire la suite...

Zaridaina hafa kely

26/11/2018

Aingam-panahy kely foana, nalaina avy amin’izay kojakoja ananana dia efa azo hamoronana haingon-jaridaina mahafinaritra ny maso.

 Lire la suite...

Ahoana no fisafidianana “tapis” atao ao an-trano

19/11/2018

Mitondra endrika ho an’ny efitrano iray ny karipetra izay apetraka ao aminy. Maro karazana izy ireny fa ahoana kosa ny fomba hisafidianana azy?

 Lire la suite...

Déco

Ny fomba fanaingoana hazonoely miloko fotsy

17/12/2018

Tsy dia mahazatra loatra ny maro ny mividy ireny hazonoely miloko fotsy ranoray ireny. Tafiditra ao anatin’ireo hazonoely lamaodin’ity taona 2018 ity anefa izy ireny ka ho an’ ireo nisafidy ny hiova kely dia toy izao ny fomba fanaingoana azy :

 

 

1.       Mampitony kokoa rehefa loko iray ihany no ampiasaina mba entina hanaingoana ilay hazonoely fotsy. Izay loko safidiana dia mety avokoa saingy tsy atao be loatra izany. Eto dia ny loko mavokely no nampiasaina, izay azo soloina mena, lokom-bolafotsy na ranom-bolamena ihany koa.

2.       Raha mampiasa loko mihoatra ny iray kosa dia tsy atao mifanalavitra loatra ireo loko. Ny manga sy ny maitso izao mifanaraka, toy ny eto amin’ny sary ary nampiarahina tamin’ny “boules” miloko ranom-bolamena izany.

Tsy tsara raha atao be loatra ny loko amin’ny hazonoely fotsy fa mavesatra loatra indray na antsoina hoe “surchargé” ka tsy mamoaka ny endriny.

Rinahsoa

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo