Jejoo

Dans la même rubrique

Mampihena tena amin’ny karibaonetra, azo atao tsara!

25/03/2019

Manafaingana ny fandoroan’ny vatana kaloria ny metabolisma miasa haingana. Manan-danja ao anatin’ny dingana fampihenan-tena araka izany ny manafaingana azy. Ireto misy zava-pisotro anankiroa ampiasana karibaonetra manafaingana ny fiasan’ny metabolisma ka mampihena haingana.

 Lire la suite...

Fomba 4 tsotra kely, mandoro tavy haingana

11/03/2019

Azo atao tsara ny manampy ny vatana handoro tavy. Ireto misy teknika ahafahana mandoro tavy haingana.

 Lire la suite...

« Smoothie » paoma na dité kanelina isa-maraina dia mihena

04/03/2019

Tsy manatsara ny bika ivelany fotsiny akory ny fampihenan-tena fa tanjona amin’izany koa ny fahasalaman’ny ao anaty. Manampy hanatratra izany tanjona izany ny fampiasana ireo zava-pisotro manadio sady mampihena amboarina ao an-trano.

 Lire la suite...

Zava-pisotro amin’ny romarin sy sakamalaho : mampihena kibo haingana

18/02/2019

Ny tavy miandrona eo amin’ny kibo no farany sarotra esorina indrindra amin’ny vatantsika olombelona. Soa fa mikaroka fomba hanalana ny tavy eo amin’io faritra io ny manam-pahaizana maro. Anisan’ny fomba hanafisahana ny kibo hitan’izy ireo ity atoro anao ity :

 Lire la suite...

Limonady amin’ny sakamalaho, mampihena haingana be

11/02/2019

Efa ela ny sakamalaho no ampiasaina ao anaty fampihenan-tena. Maromaro rahateo ny voka-pikarohana natao mahakasika ny voka-tsoa entin’ny sakamalaho ao anatin’ny fampihenan-tena atao. Ahoana kosa no hihinanana azy, atoronay anao :

 Lire la suite...

Smoothie maitso karazany 4 mampihena haingana

04/02/2019

Tsy mahomby ny zava-pisotro voalaza fa mampihena raha tsy mahafeno ireto manaraka ny vokany : manapaka ny fahazotoan-komana, misoroka ny fitahirizan’ny vatana rano ao anaty, manadio ny taova ary mandoro tavy. Mahafeno ireo rehetra ireo kosa ireo zava-pisotro manaraka ireto ka azonao ampidirina tsara ao anatin’ny regime fampihenan-tena arahinao

 Lire la suite...

Inona no mampihena haingana? …Ireo fomba tsotra 5 tena mandaitra!

21/01/2019

Mahatratra 1,9 miliara ny isan’ireo olona manana olona amin’ny hatavezana eran-tany raha ny salan’isa vao nivoaka farany ary anisan’ny firenena misedra izany olana izany koa ny eto amintsika. Nanaovan’ny mpikaroka fanadihadiana ity olana mahazo olona maro ity ka ireto ny vahaolana hitan’izy ireo :

 Lire la suite...

Minceur

Herinandro ihany dia fisaka ny kibo … ireto ny tsiambaratelo !

14/12/2018

Herinandro ihany no omenay anao dia ho fisaka tsara sy hitsatoka tsara ao anaty akanjo mihaja io kibonao io mandritra ny fety izay efa ho avy. Fomba tsotra fotsiny ihany koa no arahina. Ireto ny torohevitra, araho antsakany sy andavany dia ho azonao ny vokatra mahafa-po …

 

 

 

 

 

 

Misakafo ara-pahasalamana

Ny sakafo no tena mila fitandremana indrindra raha te hampihena ny kibo ao anatin’ny fotoana fohy. Ilaina ny misakafo ara-dalàna sy ara-pahasalamana tsara raha te hahita vokatra haingana. Tsy midika akory izany fa mila misakafo be na ihany koa manaraka « régime » mandritra ny fotoana voafetra. Ny tokony hatao dia mihinana sakafo mitondra otrikaina ao anatin’ny iray andro. Tokony hisakafo ara-dalàna amin’ny maraina, ny antoandro, hariva ary azo atao tsara mihitsy ny mihinan-kanina ara-pahasalamana kely eny anelanelan’ny sakafo.

 

Manao fampihetseham-batana mandritra ny herinandro

Tena manampy be amin’ny fampihenana ny kibo ny fampiasam-batana. Ilaina amin’izany mantsy ny fiverimberenan’ny fihetsehan’ny vatana. Mandritra ny 7 andro dia tokony hanao fanatanjahantena mandritra ny 30min isan’andro eo ny olona te hampihena kibo. Ny tena tsara dia ny lomano, ny fitaingenana bisikileta, ny hazakazaka madinidinika ary ny “fitness”.

 

Manotra kibo

Mampalefaka ny hozatra ny fanorana ny kibo ka manamora ny fandoroan’ny vatana ny tavy izany. Izay no ilana ny otra amin’ny fampihenana ny kibo. 

 

 

Ireo rehetra ireo, atao mitohy ao anatin’ny herinandro no ahitana vokatra tsara, sy vetivety.

 

Meva

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo