Jejoo

Dans la même rubrique

Vahona : Manatsara volo, manala angadrano !

09/01/2019

Azo araraotina hitaizana ny volo simba ny toetrandro avy orana tahaka izao. Tsara kokoa mantsy raha mba omena aina kely ny volo ka tsy atao amin’ireny fitaovana fanaovam-bolo ireny ka tazonina ho natoraly. Fomba iray hanatsarana azy ny fampiasana ny dintina vahona.

 Lire la suite...

Produit de la Rédac

Spray Arnica - Katrafay : manala fanaintainana sy mangana

12/12/2018

Eny amin’ny Homeopharma no ahitana an’ity “Spray Arnica- Katrafay” ity. Singa roa samy hafa no natambatra nahazoana azy dia ny “arnica” sy ny katrafay. Any amin’ny hozatra no tena miasa izy ity.

 

 

Harerahana

Lohamenaka katrafay sy zava-maniry iray antsoina hoe “arnica” no natambatra ka nahazoana an’ity akora miendrika “spray” ity. Manala havizanana, manome hery, manamafy ny hozatra ny katrafay. Ampiasaina hanatoniana ny fanaintainanan’ny hozatra sy ny vanintaolana ihany koa anefa izy. Ny “arnica” kosa indray dia hanasitranana sy hampitoniana ireo dona na mangana na fery amin’ny vatana.

Fampiasa azy

Atsifitra amin’ny faritra marary na manaintaina ilay “spray”. Arahina otra kely na kosehina malefaka.

Vidiny : Manodidina ny 7.000Ariary eny amin’ny ivon-toerana Homeopharma, ny tavoahangy kely  60ml.

 

Nelly-Bri

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo