Jejoo

Dans la même rubrique

Fihetsika tsotra ao an-trano, manafisaka ny kibo

16/07/2019

Ireto fampihetseham-batana ireto atao raha te-hanala kibo. Ny tombon’izy ireo dia azonao atao tsara izy ireo na dia ao an-trano ihany aza :

 Lire la suite...

Manala ny tavy amin’ny kibo sy ny andilana

09/07/2019

Azonao atao tsara tokoa ny manala ny tavy manodidina valahana sy ny andilana amin’ny alalan’ireto fampihetseham-batana manaraka ireto. Mila “baton” na hazo lavalava fotsiny rehefa hanao azy. Averina in-15 avy ireo fihetsika atao isaky ny lafy dia manao andiany 3 amin’izany.

 Lire la suite...

Fitombenana mirafitra tsara…araho ireto

02/07/2019

Raha maniry handrafitra ny fitombenana ho boribory tsara sy ho avoavo dia ireto misy fihetsika azonao atao na dia ao an-trano ihany aza.

 Lire la suite...

Ny tena fanaovana spaoro ao an-trano

25/06/2019

Tsy voatery ho any amin’ny toerana voatokana hanaovana spaoro ihany vao afaka manao izany. Azo atao tsara ny manao fanantahantena ao an-trano. Ireto misy karazany azonao atao

 Lire la suite...

Mitsabo lamosina amin’ny “gym”

18/06/2019

Azonao ampiasaina hampitoniana ny fanaintainana ao amin’ny lamosina ireto fampihetseham-batana ireto fa andramo :

 Lire la suite...

Mankarary ny tsy manao “echauffement”

11/06/2019

Tafiditra ao anatin’ny fitaizam-batana tokony hataon’ny olona rehetra ny fanaovana fampihetseham-batana.

 Lire la suite...

Tavy amin'ny andilana, azo esorina !

04/06/2019

Ny faritra manodidina ny valahana sy ny andilana no anisany sarotra ahena indrindra. Hanampy anao hanala ireo tavy amin'ireo faritra ireo kosa ireto fampihetseham-batana manaraka ireto :

 Lire la suite...

Forme

Manala ireo tavy miandrona ambany helika

11/12/2018

Azo esorina ny tavy eo amin’ny lamosina. Ireo miandrona eo ambanin’ny helika sy izay amin’ny andaniny roa amin’iny valahana iny dia azo foanana tsikelikely ihany koa . Ireto fampihetseham-batana ireto fotsiny no ataonao matetika.

 

 

 

 

 

Fampihetseham-batana voalohany

Mipetraka eo ambony seza iray. Atao mifanakaiky ny tongotra roa. Somary miondrika dia mitazona zavatra mavesatra ny tanana roa. Raha tsy manana “haltères” dia tavoahangy feno rano no ampiasaina. Akarina avy any amin’ny andaniny roa amin’ny vatana ny  tanana mibata ilay “haltères” na ilay tavoahangin-drano mandrapahatonga ny tanana hitovy tantana amin’ny soroka. Tazonina segaondra vitsy vao averina amin’ny paozy niaingana. Izay fihetsika izay no averina in-10. Miato kely dia mamerina andiany iray hafa. Manao andiany 4 .

 

Fampihetseham-batana faharoa :

Mitsangana indray eto. Mitazona “haltères” iray avy hatrany ny tanana. Somary ahondrika toy ny teo ihany ny tapany ambony amin’ny vatana ary tazonina hahitsy hatrany ny lamosina. Ampidinina hifanakaiky ny tanana roa dia akarina moramora amin’ny andaniny roa amin’ny vatana, atao mitovy tantana amin’ny soroka sy ny lamosina. Izay fihetsika izay no averina im-10 isaky ny andiany. Manao andiany 4.

 

Fampihetseham-batana fahatelo :

Atehaka amin’ny tany ny tanana roa. Ny lohan-tongotra kosa no itehenan’ny tongotra. Aforitra mivoaka mifandimby amin’ny andaniny roa amin’ny vatana ny lohalika. Atao in-20 isaky ny lafy dia miato kely vao mamerina andiany manaraka. Manao andiany 4.

 

Fampihetseham-batana fahaefatra

Mijoro mahitsy indray kosa eto. Mitazona “haltères” ihany isaky ny tanana. Ampidirina tsara ny hoza-kibo. Atao mahitsy kosa ny lamosina. Sady aforitra ny kiho no akarina any amin’ny soroka ireo “haltères”. Atao re hoe misy misintona ny sisin’ny valahana sy ny eo ambanin’ny helika. Atao im-10 izay fihetsika izay dia averina in- 4 izany.

 

Torohevitra fanampiny :

Ny fanaovana ireo fampihetseham-batana ireo matetika no hahitana vokatra haingana. Tsara raha ampitomboina ny lanjan’ny “haltères” mba hivoatra hatrany ny hasarotan’ny ezaka. Atao miadana tsara ny fihetsika.

 

Lilou

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo