Jejoo

Dans la même rubrique

Mahay misafidy « coussins » mety amin’ny trano

14/01/2019

Fitaovana kely mitondra loko vaovao ho an’ny efitrano fandraisam-bahiny ny « coussins ». Ahoana anefa ny fomba hisafidianana azy mba hamoaka ilay endrika tena katsahina amin’ny efitrano?

 Lire la suite...

Ny fomba fanaingoana hazonoely miloko fotsy

17/12/2018

Tsy dia mahazatra loatra ny maro ny mividy ireny hazonoely miloko fotsy ranoray ireny. Tafiditra ao anatin’ireo hazonoely lamaodin’ity taona 2018 ity anefa izy ireny ka ho an’ ireo nisafidy ny hiova kely dia toy izao ny fomba fanaingoana azy :

 Lire la suite...

Ireo fomba fanaingo trano lamaody amin’ity noely 2018 ity

03/12/2018

Efa miditra ao anatin’ny ambiansy amin’ny fetin’ ny noely isika ankehitriny. Andeha ho jerena ny hiaka farany amin’ireo fomba fanaingo ny trano ka samy haka izay tandrify sy mety aminy ny tsirairay.

 Lire la suite...

Zaridaina hafa kely

26/11/2018

Aingam-panahy kely foana, nalaina avy amin’izay kojakoja ananana dia efa azo hamoronana haingon-jaridaina mahafinaritra ny maso.

 Lire la suite...

Ahoana no fisafidianana “tapis” atao ao an-trano

19/11/2018

Mitondra endrika ho an’ny efitrano iray ny karipetra izay apetraka ao aminy. Maro karazana izy ireny fa ahoana kosa ny fomba hisafidianana azy?

 Lire la suite...

Akanjo mariazy mora nefa tsara …

14/11/2018

Ny akanjo mariazy no jeren’ny mpanotrona mpanambady voalohany eny amin-drazazavavy.

 Lire la suite...

Manaingo efitrano amin’ny voninkazo…

12/11/2018

Ho an’ireo mpankafy voninkazo ka maniry ny hampiditra azy ho isan’ny haingon-trano ihany koa dia tavim-boninkazo tsotra nefa miavaka no zaraina aminao anio.

 Lire la suite...

Déco

Haingon-databatra tsotra fa tsara, ho an’ny Noely

10/12/2018

Raha toa ka tsy afaka manokana vola be ho amin’ny fanaingoana ny latabatra mandritra ny Noely dia misy kosa ireo zavatra tsara ananana mba hampivoaka azy. Tsy sarotra tadiavina nefa izany akory.

 

 

1.      Mitondra hafanana sy endrika hafakely ho an’ny latabatra ny fametrahana labozia eo aminy. Izay vera misy tongony ananana no ametrahana azy. Toa ity amin’ny sary ity na « bocal »  no diovina tsara ka asiana rano sy voninkazo ao anatiny ary mampiasa irony labozia mitsingevana irony

2.      Raha toa kosa ka tsy dia tia ireny  labozia ireny dia « boule » fanaingoana hazonoely no apetraka eo ambony lovia. Atao izay mampifanaraka azy amin’ny lokon’ny servieta hampiasana. Raha tsy manana servieta fa lovia fotsiny dia ny “boule” miloko mena sy maitso no azo atambatra avy hatrany, ao anaty lovia.

Rinahsoa

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo