Jejoo

Dans la même rubrique

Tandremo, misy tsy mahazaka ny “gommage”

22/05/2019

Ny fahalalan'ny besinimaro ny « gommage » dia hoe manala « peau morte » na ireo hoditra maty mandoto sy mahaela ny fipoitran’ny hoditra vaovao. Fa tena ilaina ve ny manao gommage ? Misy mantsy ireo tsy mba manao izany nefa toa tsy maninona akory. Inona avy ireo antony tena tsy maintsy hanaovana azy io ?

 Lire la suite...

Mikolo hoditra makiana lava

21/05/2019

Karazana sokajin-koditra mora mikentrona ireo tsy ampy rano (deshydraté) na koa tsy ampy menaka (sèche).

 Lire la suite...

Mikolo ny tanana mandritra ny ririnina

17/05/2019

Raha vao ratsy karakara ny tanana, mandritra ny fotoana mampangatsiaka ny andro, dia rotiky fanala ny hoditra eo aminy.

 Lire la suite...

« Lait de coco » : Manalava ny volo vetivety

16/05/2019

Raha ahosotra matetika amin’ny foto-bolo ny « lait de coco » dia manafaingana ny fanirin’ny volo.

 Lire la suite...

Didy 10 mampateza ny « vernis »

14/05/2019

Rehefa manosotra « vernis », dia satry haharitra faran’izay ela eo amin’ny hoho izy ireny. Raha tsy « permanent » no anaovana, dia roa na telo andro izany dia efa manomboka miendaka.

 Lire la suite...

Didy 10 mampateza ny « vernis »

14/05/2019

Rehefa manosotra « vernis », dia satry haharitra faran’izay ela eo amin’ny hoho izy ireny. Raha tsy « permanent » no anaovana, dia roa na telo andro izany dia efa manomboka miendaka. Na izany aza dia misy kosa ny fitspika azo arahina, raha tiana hateza eo amin’ny hohonny “vernis”. Ampiharo ange ireto e !

 Lire la suite...

Manimba tarehy ve raha miovaova « produits » ?

13/05/2019

Azo atao ve ny manovanova ny akora ampiasaina amin’ny tarehy ? Manimba tarehy ve ny fihetsika tahaka izany sa mampifameno ireo akora isan-karazany ? … Maro amin’ny vehivavy no mifanontany mahakasika izany. Indro àry ny fanazavan’ny matihanina rehefa nanontanianay izany …

 Lire la suite...

Beauté

Manovanova “produits” : manimba tarehy ve ?

07/12/2018

Azo atao ve ny manovanova ny akora ampiasaina amin’ny tarehy ? Manimba tarehy ve ny fihetsika tahaka izany sa mampifameno ireo akora isan-karazany ? … Maro amin’ny vehivavy no mifanontany mahakasika izany. Indro àry ny fanazavan’ny matihanina rehefa nanontanianay izany …

 

 

Antony samihafa

Maro ny antony mahatonga ny vehivavy iray, hanova ny akora ampiasainy amin’ny tarehy. Voalohany, ho an’ireo manana tarehy misy olana ka mitsabo azy. Raha ny tena marina mantsy, rehefa manao “traitement” na mitsabo tarehy iray manana olana, dia tokony hiova arakaraky ny fivoarany ny akora ampiasaina eo amin’ilay hodi-tava.  Eo koa anefa ireo   tarehy izay tsy manana olana loatra, ary efa manana ny akora mety aminy tsara,  saingy nanova ny vokatra atolony ilay laboratoara namoaka azy ka tsy maintsy manaraka na manova izany indray ilay mpanjifa. Ary ankoatra ireo, dia misy koa ireo vehivavy izay misafidy ny hampiasa akora novokarin’ny marika samy hafa hikoloana tarehy ka mampifameno azy ireo.

Tsy maninona

Ry zareo avy ao amin’ny Lancôme any am-pitan-dranomasina any dia naneho hevitra mikasika ity fanovanovana ny akora ampiasaina ity ihany koa. Mila vokatra maika be ny vehivavy hoy izy ireo, rehefa manandrana akora vaovao. Nilaza anefa  izy ireo fa tokony haharitra eo amin’ny 4 hatramin’ny 5 herinandro vao  tena hita ny  vokatra raha akora fitsaboana hoditra no resahina. Ireo akora manana fiasa haingana indray, dia eo amin’ny 24 ora eo izany vao tena zatra ny hoditra. Nanamafy anefa  izy ireo, fa tsy tokony hanimba tarehy ny fanovanovana akora, raha toa ka samy manara-penitra sy mifanaraka amin’ny toetran’ilay hoditra izany. Ankoatra izay dia ilaina ihany koa ny mampifanaraka ireo akora ampiasaina amin’ny mety ho toetry ny andro, ny singa tsy zakan’ny hoditra sy ny singa ilain’ny tarehy….

Hoditra marefo

Fantaro koa fa na sarotiny, marefo na mora tohina aza  ny hoditrao dia  tsy voarara ihany ny fanovana akora. Ny sokajin-koditrao sy ny filàny ihany no hajaina tsara dia tokony tsy hisy olana na hivadika amin’ny akora hafa indray aza. Na izany aza nefa, raha ireto sokajin-koditra notanisaina ireto, dia tsy tokony hatao fahazarana sy matetika loatra ny fiovaovana sy fanandramana akora betsaka, noho izy ireo marefo ka tsy afaka hifaninana amin’ny fiovaovana akora toy ny karazan-koditra hafa.

Manara-maso

Raha manana hodi-tava matanjaka sy tsy mba sarotiny izay kosa ianao dia azo lazaina fa misy mahatsara azy ny fanovanovana akora, saingy tsy atao matetika loatra izany. Voalaza mantsy fa manaitaitra an’ilay hoditra sy mandrisika azy ho velombolo hanamafy ny fiarovana voajanahary ao aminy izany fihetsika izany.  “Crème” manara-penitra sy navoakan’ny laboratoara ara-dalàna,  miisa 3 na 4 isan-taona eo no azo  ampifandimbiasina ampiasaina. Isaky ny hanova akora dia diniho tsarany filàn’ilay hoditra hahafahanao mameno ny hatsarany. Miovaova rahateo ny hoditra dia anjaranao ny mameno azy. Raha miova ny vanim-potoana sy ny toetrandro, dia afaka manova akora ianao. Toy izany koa ny hoe, raha tratry ny tsy fahasalamana na fiovan’ny toe-batana sy ny tsiry mpanentana ; raha handeha hiala sasatra ; … dia ara-dalàna tsara ny manova akora.

 

Isaorana i Ambinintsoa Rasoanaivo. Estheticienne, Beauty And’Ntsoa Faravohitra. Fifandraisana : 

Ando

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo