Jejoo

Dans la même rubrique

Mandrindra ny fadimbolana amin’ny persily !

24/05/2019

Tsy natao hanomezana hanitra sy tsiro ny sakafo fotsiny ihany ny persily fa mitondra soa ho an’ny vatana ihany koa. Be otrikaina, manadio ny ao anaty, manatsara ny fandevonan-kanina, manala ireo fanaintainana mandritra ny fadimbolana, misoroka ny homamiadana…

 Lire la suite...

Ireo tena antony mampatavy ny vehivavy!

23/05/2019

Raha mahatsikaritra isika dia mihangeza ny vehivavy rehefa mitombo taona. Raha tombanana dia mahazo hatramin’ny 7,5 kg eo ho eo, eo anelanan’ny 20 hatramin’ny 50 taona, ny vehivavy iray. Ny anton’izany no hojerentsika.

 Lire la suite...

Ranom-boatabia : Mampitazona kalsioma!

21/05/2019

Ahitana singa antsoina hoe : « lupocène », mpanala arafesina sady mpanadio poizina ao anaty anatin’ny voatabia.

 Lire la suite...

Mampitony ny fanaintainan’ny fadimbolana

17/05/2019

Fijaliana tsy maintsy hatrehin’ny vehivavy isam-bolana ny fahatongavan’ny fadimbolana. Miharo fanelingelenana sy fanaintanana izy ireny indraindray, izay azo toniana amin’ireto fomba natoraly ireto.

 Lire la suite...

Mampitony « hemorroïde » amin’ny vinaingitra

16/05/2019

Avy amin’ny fitohanana, fikorontanan’ny tsirim-panentanana, fahazarana ratsy eo amin’ny fomba fisakafoanana ary hatavezana diso tafahoatra ny hemoroida.

 Lire la suite...

Mitohana rehefa ririnina : Fa maninona?

14/05/2019

Isan’ireo tranga miseho amintsika rehetra, na ankizy na olon-dehibe, indrindra amin’izao fotoanan’ny ririnina izao, ny fitohanana. Ireto no tsara ho fantatra mahakasika azy, ny mahatonga azy ary ny atao hisorohana azy.

 Lire la suite...

Ohatra « gouter » mety ho an’ny ankizy

10/05/2019

Zava-dehibe ho an’ny ankizy ny ody am-bavafoa, ka tsy tokony ampandeferina. Araka ny nambaran’ireo manam-pahaizana dia in-droa isan’andro no tokony omena izany izy ireo. Eo amin’ny fotoana hanomezana azy fotsiny no tsara jerena, mba tsy handavany ny sakafo atoandro sy hariva.

 Lire la suite...

Taiza vatana

Zazavavikely mianjera, mila tandremana tsara…

06/12/2018

Hoditra kely manify, mandrakotra ny ampahany na tanteraka amin’ny fivaviana, ny « hymen ». Eo amin’ny zazakely dia mbola tsy tena hary tanteraka ny fivaviana, fa kosa efa misy ny « hymen ».

Mety ho rovitra izy io, raha nisy dona nahazo ny fivavian’ny zazakely, toy ny hoe nianjera. Indro kosa ny tokony hatao, raha sendra izany araka ny nambaran’ny dokotera sy ho tohin’ny fandaharana “Taiza Vatana” tao amin’ny “Top Radio” omaly.

Mila manatona dokotera

Amin’ny ankapobeny dia voaaro ao anatin’ny fivaviana ny « hymen », satria miafina be eo anelanelan’ireo molotra roa lehibe. Raha sendra misy faharovitana tampoka io “hymen” io, vokatry ny fianjerana ohatra, na tranga hafa dia tokony hanatona dokotera avy hatrany. Mazàna, ny hahafantarana azy dia tsy maharitra ary tsy betsaka firy ny rà mivoaka amin’ny fivavian’ilay zazakely. Mba hampilamin-tsaina tanteraka anefa dia aleo ny dokotera foana ihany no mamaritra, na rovitra na tsia,  io hoditra kely io, indrindra raha mitomany tsy an-kijanona ilay zaza, na misy rà mandeha ihany koa.

Isaorana ny dokotera Fidy Bariniaina

Clinique et Echographie Fidy Ambatomainty

033 14 209 91

Nelly-Bri

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo