Jejoo

Dans la même rubrique

Otra nentim-paharazana : Rora sy sira, … no ampiasaina

24/05/2019

Manan-danja tokoa ny otra eo amintsika Malagasy. Betsaka izy ireo amin’izao fotoana : kinésithérapie, ostéothérapie, reflexothérapie sns. Ho an’ny lahatsoratra androany dia ny otra nentim-paharazana Malagasy no ndeha horesahantsika.

 Lire la suite...

Mampisy « mycose » ny mipetraka mampisakambina tongotra !

23/05/2019

Mandeha ho azy tokoa eo amin’ny vehivavy ny mampisakambina tongotra rehefa mipetraka ambony seza.

 Lire la suite...

Lehilahy te-ho salama : tilio ny aretina!

20/05/2019

Na lahy na vavy, na mbola kely na efa lehibe, dia tokony hitandri-tena avokoa mba ho salama tsara. Ho an’ny lehilahy manokana dia misy ireo fihetsika tokony arahina, manomboka amin’ny faha-15 taonany hatramin’ny faha-75 taonany, hisorohana ny fihavian’ireo aretina.

 Lire la suite...

Menaka kinàna : Manasitrana!

17/05/2019

Menaka efa ela no nisy teto amintsika, saingy an-kavitsiana no tena mampiasa azy, ny menaka kinàna. Efa entin’ireo olona fahiny mitsabo aretina maro ihany koa anefa izy io. Santionany ireto.

 Lire la suite...

Homamiadan’ny tranon’atodinaina : Tsy misy fambara!

16/05/2019

Trangana homamiadana azo sorohina, raha hita taratra mialoha, ny homamiadan’ny tranon’atodinaina. Amin’ny ankapobeny anefa, dia misoko mangina izy io, hany ka mitarika any amin’ny fahafatesana satria tsy voatsabo intsony…

 Lire la suite...

Ady gasy ody kohoka sy sery ho an’ny ankizikely

10/05/2019

Manana ilay antsoina hoe « ady gasy » ihany koa isika hitsaboana ireo tsimetimety amin’ny vatana. Araka izay maha-ady gasy azy izay dia nalaina tamin’ny lovan-tsofina izy ireo. Ireto ohatra ny ody kohoka sy sery, rehefa miseho amin’ny ankizikely.

 Lire la suite...

Firafitry ny nify : mety hankarary lamosina !

08/05/2019

Mety hankarary ny lamosina ny firafitry ny nify. Tsy hampoizina kanefa tena misy tokoa. Ity no antsoina hoe “scoliose”, hoy ny dokotera.

 Lire la suite...

Santé

Fantaro ny fanabeazan’aizana mety aminao

06/12/2018

Maro karazana ny fomba fanabeazan’aizana azo arahina. Samy manana ny singa mandrafitra azy izy ireo.

 

 

 Ny tsara tsindriana anefa dia tokony hahay hisafidy azy ny vehivavy tsirairay, arakaraky ny toe-batany. Mila hevitry ny dokotera foana ihany kosa anefa mialohan’ny hampiasana azy. 

“Oestroprogestatives”

Azo antoka ary mora zaka kokoa, noho ny fanabeazan’aizana hafa, ireo misy tsiry mpanentana “oestrogène” na ireo karazany atao hoe “oestroprogestatives”. Mety hanafoana ny fadim-bolana izy io raha lavalava ny fotoana hampiasana azy. Lesoka  kely fotsiny anefa izy ireo mampitombo ny taha mahatonga ny aretim-po sy ny fiakaran’ny tosi-drà. Tsy azon’ireo   olona misy tosi-drà, marary fo, na misy “cholesterol” na mifoka sigara atao  izy ireny noho izany.

« Progestatifs »

Mety ho an’ny miakatra tosi-drà na manana olana amin’ny lalan-drà ity karazana fanabeazan’aizana ity saingy mitondra vokatra hafa toy ny mony, nono mizihitra, « kyste » amin’ny tranon’atodinaina, volom-bava maniry amin’ny tarehy na tratra … 

Tsy misy tsiry mpanentana

Ny fanabeazan’aizana miompana amin’ny tsy fampiasana tsiry mpanentana indray dia azo antoka hatrany amin’ny 98% no sady tsy misy fiantraikany ratsy amin’ny fahasalamana. Ireo karazany hafa toy ny fanisana andro, ny tsy fandefasana ranon’aina any anaty fivaviana... kosa dia  tsy ho azo antoka tanteraka satria  tsy hilaozan’izay hadisoana kely na rarin-tsaina izay mampikorontana ny tsingerim-bolana.

Nelly-Bri

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo