Jejoo

Dans la même rubrique

Tsy miantso matetika ny lehilahy, fa maninona ?

18/01/2019

Mazàna, amin’ny fiandohan’ny fiarahana dia manana izay toetra miraikitra loatra amin’ny olon-tiany izay ny vehivavy.

 Lire la suite...

Akora natoraly 3 manatevina sady tsy mampihintsana ny volo !

17/01/2019

Betsaka ireo antony mahatonga ny volo hihintsana. Tafiditra ao anatin’izany ny rarin-tsaina, ny sakafo tsy mirindra, ny loto… .

 Lire la suite...

Volo mihintsana : Tsaboy amin’ny ravin-goavy …izao no tena fanaovana azy!

16/01/2019

Manan-karena vitamina B ny ravin-goavy ka tena tsara ho an’ny fanirin’ny volo. Raha ampiasaina matetika izy ity dia mampijanona ny fihintsanan’ny volo. Ankoatra izay anefa dia manafaingana ny faniriny ihany koa ity fangaro ity.

 Lire la suite...

Te hikolo ny voa, tosi-dra sy tsinay…mihinàna tsaramaso mena!

15/01/2019

Manadio ny taova rehetra any anaty ny tsaramaso mena. Ny vitamina B izay ao anatiny dia manamora ny fiasan’ny tsinay ka sady manadio ny vatana no manampy amin’ny fampihenam-batana ihany koa. Ankoatra izay dia tsara ho an’ireo marary voa sy manana olana amin’ny tosi-dra ihany koa izy ity.

 Lire la suite...

Zava-pisotro 4 vita amin’ny paoma, mamotika tavy!

14/01/2019

Voankazo azo ampiasaina tsara hanadiovana ny ao anaty sady hampihenan-tena ny paoma. Be « fibres » mantsy izy ity ka izany no mivadika ho akora mamandrika ny menaka sy ny siramamy mba hahafahana mamotika azy ireo haingana.

 Lire la suite...

Menaka tarehy 100% natoraly, amboarina … miaro amin’ny kentrona !

11/01/2019

Ahitana singa simika ahiana ho an’ny fahasalamana ny akora amidy vita eny an-tsena. Izany no mahatonga ny olona amin’izao fotoana mirona kokoa any amin’ireo akora natoraly sy biolojika ho an’ny hoditra.

 Lire la suite...

Tsotra ny manala tsatsakaotra : Citron, vinaingitra, diloilo kôkô … no vahaolana !

10/01/2019

Misy tsatsakaotra ny hoditrao. Tena feno azy ny hoditra manodidina ny fitombenana sy ny kibo, ny fe, ny nono, ny andilana…

 Lire la suite...

Regime

Te handoro ny tavy haingana be, araho ity “regime” ity

06/12/2018

“Regime” mampihena haingana be saingy somary sarotsarotra arahina ity entina aminao ity. Mety ho an’ny olona mila mihena haingana izy ity. Mila miomana ara-tsainia kosa anefa.

 

 

Mila ny torohevitry ny matihanina

Ferana be ny sakafo mitondra hery ao anatin’ity regime ity, mba ho amin’izay tahirin-kery efa ao anaty ao no hangalan’ny vatana izay hery entiny miasa. Fady araka izany ny sakafo misy siramamy mora levona sy ny sakafo be menaka.  Fady koa ny mitsakotsako sy ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola na zava-pisotro mamy. Voafetra ho 800 kaloria ihany ny sakafo azo hohanina isan’andro. Tokony haka ny hevitry ny mpitsabo mialoha ny hanarahana azy satria hentitra ny “regime” atao. Izy no hanoro ny amin’ny fe-potoana hahafahana manaraka ity “regime” ity.

 

Atao sakafo miovaova

Mba tsy hahatsapana loatra hoe hentitra izy ity dia  tokony hiovaova foana ny karazan-tsakafo hohanina fa manaja ny isan’ny kaloria azo hohanina fotsiny. Mba ho azo antoka koa  fa tsy mihinana sakafo be kaloria,  dia aleo tsy mihinana sakafo voahodina ozinina mihitsy. Tanjona ny hahafeno ny filan’ny vatana lipida, gliosida (ela vao levona) ary proteina.

 

Ireo sakafo azo hohanina

Mahazo mihinana hena natono nasiana episy na zava-maitso manitra. Tsara homena vahana ny trondro ka tokony mihinana izany in-droa na in-telo isa-kerinandro. Tokony mihinana atody koa fa ny tapotsiny no tena azo hohanina raha tokony ho ferana ihany ny fihinana ny tamenany noho izy be kolesteroly. Tsy voafetra ny fahafahana mihinana legioma sy voankazo. Anisan’ny tokony omena vahana ny laisoa, ny baranjely, ny korzety, ny salady ary ny brocoli …Mahazo mihinana yaourt sy fraomazy saingy ireo karazana tsy matavy ihany. Tsy  mety ao anatin’ity regime ity noho izany ny fihinanana yaourt « double crème ».

 

Torohevitra fanampiny :

Satria kelikely ihany ny sakafo hohanina ao anatin’izao regime izao dia mila mifantoka tsara isaky ny misakafo. Tsakoina miadana tsara ny sakafo miditra ny vava. Raha tsy izany mantsy dia ho mora noana ka ho voasarika hitsakotsako.

 

Tombony

Maro ihany ny tombony azo avy amin’ity regime ity :

§  Haingana be ny fihenana.

§  Mahasalama ny sakafo satria miovaova foana sady voalanjalanja. Tsy tafiditra ao anatin’ity regime ity ny menaka sy ny siramamy.

§  Maro ihany ny sakafo azo hohanina

 

Lesoka

Misy lesoka ihany ity regime ity anefa :

§  Mety hiverina daholo ny lanja very raha vao tsy mitandrina raha vao vita ny regime. Tsy mahazo miverina misakafo tampoka toy ny taloha fa tsy maintsy ampidirina tsikelikely indray ireo sakafo tsy nohanina nandritra ny regime.

§  Sarotra arahina ihany ity regime ity satria hentitra be ka mila fikirizana sy fiharetana be.

§  Raha vao tsy nanatona matihanina mialoha ny hanarahana azy dia mety ho voan’ny tsy fahampiana otrikaina izay mety hitarika olana ara-pahasalamana.

§  Mety hahatsiaro noana matetika mandritra ny regime raha tsy mahay mamono izay fahatsapana hanoanana izay. Azo atao tsara  ny fanaovana fampihetseham-batana  maivana amin’izany ohatra.

§  Mety hahatsiaro ho vizana noho ny fiovana tampoka entin’ilay regime.

 

Ohatra sakafo 1 andro

·         Sakafo maraina : kafe na dite tsy mamy sy biskaoty 2

·         Sakafo atoandro : steak vita amin’ny soja sy potsitr’ovy nasiana cumin sy yaourt tsy mamy ½. Paoma tsy mamy nandrahoina 75g sy fromage blanc 75g.

·         Sakafo hariva : lasopy legioma 1 lovia jobo, atody nandrahoina aman-korany 1 (tsy atao masaka loatra ny tamenany) paoma nandrahoina 50g, yaourt tsy mamy 1.

Afaka mihinana mofo dipaina 35 grama isaky ny sakafo.

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo