Jejoo

Dans la même rubrique

« Ne te tue pas au travail pour donner plus à tes enfants. Quand ils grandiront, ils ne retiendront pas les jouets chers mais les moments heureux qu’ils auront passés avec toi ».

09/05/2019

Rehefa misafidy ny hiteraka ny mpivady dia efa tokony mivonona amin’izay fepetra rehetra takian’izay, na ara-batana io, na ara-tsaina, na ara-potoana, na ara-bola, sns.

 Lire la suite...

« Mettez-vous toujours à la place de l’autre. Renoncez un temps à vos opinions, à vos jugements afin de le comprendre. Bien des conflits peuvent ainsi être évités » Dalai Lama

08/05/2019

Noho ny fahasamihafana misy eo amin’ny samy olombelona dia voajanahary ny tsy fitovian-kevitra sy fitoviam-pijery. Mateti-pitranga ny fipoiran’izany tsy fitoviana izany ka mitarika ady hevitra sy fifandresen-dahatra eny amin’ny seha-piarahamonina isa-karazany, eny hatrao an-tokantrano aza.

 Lire la suite...

« Ne vous plaignez pas de vieillir, tout le monde n’a pas ce privilège » Paulo Coelho

06/05/2019

Lalam-piainana ny fandrosoan’ny taona. Tsy maintsy lalovan’ny rehetra na iza na iza. Rehefa mbola ao anaty fahazazana dia tsy mahatsapa izany mihitsy, te hiha-lehibe haingana aza ho tonga amin’ny fahatanorana.

 Lire la suite...

Fais ce que tu penses être bien. On te critiquera de toute façon. (Eleanor Roosvelt)

09/04/2019

Feno fitsipika mamehy ny olombelona, na eo anivon’ny tany ama-monina misy azy, na ao anatin’ny finoany, na eny amin’ny toeram-piasany na ianarany…

 Lire la suite...

Beauté Citation Edito braderie « Les sentiments n’ont pas d’âge, le cœur est toujours jeune quand il aime. » M Riami

02/04/2019

Taova kely anisan’ny sarotra fehezina indrindra ny fo, kanefa miantoka ny fiainana iray manontolo. Na sarotra fehezina aza anefa ity taova kely ity, dia tsy azontsika lavina fa miantoka ny hahavelomana mihitsy ny toetoetran’izy io.

 Lire la suite...

C’est une triste chose de songer que la nature parle et que le genre humain n’écoute pas. (Victor Hugo)

21/03/2019

Miara-miaiky ny rehetra ankehitriny fa miovaova be ihany ny toetr’andro : ny ririnina toa manoram-be, ny lohataona toa mangatsiaka, ny orana toa manao njainjay…

 Lire la suite...

Mieux vaut une amère vérité qu’un doux mensonge. (Proverbe russe)

20/03/2019

Misy fomba fiteny iray izay manao hoe : ny marina rehetra tsy filaza avokoa.

 Lire la suite...

Citation

« Dans la vie, fais confiance à ceux qui peuvent voir ces 3 choses : ta peine derrière ton sourire, ton amour malgré ta colère et la raison de ton silence »

06/12/2018

Isika vehivavy, amin’ny maha-olon’ny fo antsika dia mila namana. Mila olona itokisana, izarana ny hafaliana sy ny alahelo.

 Marina fa efa misy fianakaviana, mpiray tampo, vady, ray amandreny fa misy ampaha-piainana toa tsy mba azo zaraina amin’izy ireo fa amin’ny namana ihany. Amin’ny namana mantsy tsy mba mila manamboatra ny fomba fiteny tsy handratra fa izay mahasoa sy zava-misy marina no lazaina. Ny namana amin’ny ankapobeny no manana sofina mihaino amin-kitsi-po, manome torohevitra mahitsy sy marina kanefa tsy mba mitsara. Tsy mba mandatsa ihany koa izy raha sendra solafaka ny namany fa ny manarina no hataony, manefy mba hahery, mamporisika lalandava fa tsy mba manary toky. Tsy mila miteny akory dia efa fantany ny ratram-po, na misafoaka tahaka ny inona aza ianao noho ny hatezerana dia fantany fa feno fitiavana ny fonao ka hisinda, tsy harahin-dromoromo ny hatezeranao avy eo. Ny tena namana ihany koa dia tsy voatery ho hitan’ny maso isan’andro saingy tsy mba manary amin’ny fotoan-tsarotra, eo lalandava rehefa ilaina. Dia tahaka izay ihany koa ianao aminy ka raha tsy ifanolorana ilay finamanana dia ho lefy miandalana. Tandremo anefa fa ny namana ihany koa no tena misy mpamadika, mpamotika fiainana, mpangala-bady sns ka ilaina, tena ilaina ny fahaizana mifantina ilay tena izy.

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo