Jejoo

Dans la même rubrique

Ronono sy Yaourt vita amin’ny soja Nahandro atolotry ny O’Milles Saveurs de Madagascar Pejy Facebook : « O’Milles Saveurs de Madagascar »

18/03/2019

Ronono soja 1. Safidy voalohany : Alona rano 12ora ny soja 1,5 kapoaka Tsihifina dia kobanina. Totoina halemy tsara. Arotsaka ao anaty rano mangotraka 1,5 - 2l arakaraka ny harihatra tiana ho azo. Aroina matetika mandrapahamasaka. (Afo tsy mahery loatra.)

 Lire la suite...

Gana sy vomanga atao laoka

15/03/2019

Akora ilaina · Hena 250g · Persily 1 sk · Chapelure 5 sk · Lafarinina 3 sk · Saosy “huitre” 3 sf · Atody ( efa nokapohina ) 2 · Saosy soja 4 skf · Siramamy mena 1 sf · Menaka 3 sf · Dibera · Tongolo maitso 1 tanana · Tongolo be 2 · Legioma · Vomanga 400g · Mange tout 250g · Menaka sesame sk · Sakamalao voakiky 1 sk · Tongolo gasy efa nopotserina ½ sk · Sira sy dipoavatra

 Lire la suite...

Pain de viande aux champignons

14/03/2019

Akora ilaina · Toton-kena 1kg · Tongolo be 1 efa notetehina manify · Atody 2 · Mofo efa maina 250ml · Dità maina 1 sk · Selery 1 sk · Paprika 1 sk · Crème fraiche ½ tasy · Ketchup 1 tasy · Olatra 1 tasy · Sira sy dipoavatra

 Lire la suite...

Hena baolina sy oliva

13/03/2019

Akora ilaina · Toton-kena 400g · Tongolo efa voatetika 1 · Tongolo gasy 2 · Persily efa voatetika · Oliva efa niala ny voany · “Champignon de paris” 300g · Menaka, sira sy dipoavatra · Kanelina

 Lire la suite...

Gana amin’ny paiso gasy

11/03/2019

Akora ilaina · Paiso 6 · Fen-gana 4 isa (azo soloina soron-kisoa 500g) · Dibera 50g · Menaka 1 sf · Rhum 4 sl · Sira sy dipoavatra

 Lire la suite...

Paiso gasy amin’ny kanelina

08/03/2019

Akora ilaina · Paiso 6 · Divay ½ tavoahangy · Siramamy 80g · Rhum 2 sf · Kanelina tahony 1 · Tahona lavanila 1 · “clous de girofle” 2 · Dipoavatra voany 2 · Romarin 1 · Solila raviny 1

 Lire la suite...

Gana amin’ny legioma

06/03/2019

Akora ilaina · Gana (feny na elany) 6 · Jambonneau 1 · Ovy 6 · Laisoa 1 · Tsaramaso maina 150g · Navets 3 · Karaoty lehibe 3 · Tongolo 2 · Tongolo gasy 4 · Bouquet garni 1 (vodina poarao 2, selery 1, dita tahony 1, ravina laurier 1) · Mofo tetika 6 · Sira sy dipoavatra

 Lire la suite...

Sakafo

Fomba fanamboarana “génoise » mitombo tsara

06/12/2018

Ity atoronay ity, no « base » ho an’ny mofomamy miainga amin’ny “génoise” rehetra. Ho an’olona enina izy ity ary tokony lasitra ho an’olona enina ihany koa no ampiasaina mba ahazoana vokatra tsara.

 

  Eo amin’ny fomba fikapohana ny atody sy siramamy no mahatonga ity mofo ity hitombo na tsia koa mila kapohina mafy tsara tsy ankijanona izany raha tsy manana ireny fikapohana mofo mandeha amin’ny bherinaratra ireny.

Akora ilaina

·         Atody 4

·         Siramamy 120g

·         Lafarinina 120g

·         Dibera 50g

Fomba fikarakarana azy

1.      Omano avokoa ny akora rehetra ilaina

2.      Hafanao eo amin’ny 180°C ny lafaoro

3.      Afangaroy anaty vilia mahazaka hafanana ny siramamy sy atody ary kapohana ireo.

4.      Atao eo ambony vilany misy rano mahamay sady kapohana ihany. Tsara kokoa raha apetraka ambony afo malefaka io vilany misy rano io.

5.      Tokony hitombo avo roa heny ny habetsak’io atody sy siramamy io vao hajanona ny fikapohana azy. Lasa fotsifotsy be ihany koa izy.  

6.      Tantavanina eo amboniny eo ny lafarinina.

7.      Haroina tsara amin’ny “spatule”

8.      Asiana dibera ny lasitra dia araraka ao io paty io

9.      Ampidirina anaty lafaoro amin’izay ka andrasana eo amin’ny 30min eo.

10.  Mba hamantarana raha masaka tsara na tsia ny mofo dia tsindromina amin’ny antsy eo afovoany ka rehefa tsy misy paty manaraka io antsy io dia vita izy izay.

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo