Jejoo

Dans la même rubrique

Vehivavy manambady aho, miray trano moa izany, fa tsy vita na inona na inona.

24/05/2019

Maditra be anefa izy sady mampirafy ahy, ka leo aho. Enim-bolana izao, miaraka amin’olon-kafa aho, tiako sady tia ahy, sady vonona ny hampakatra ahy ho vady.

 Lire la suite...

Bevohoka mialohan’ny fanambadiana : Tena anjaranao ve ilay olon-tianao ?

24/05/2019

Toe-javatra mateti-pitranga amin’izao fotoana izao ny hoe : bevohoka mialohan’ny fanambadiana.

 Lire la suite...

Azo atao ve ny misara-bady raha sendra olona tsy anjara?

23/05/2019

Toe-javatra iray tsy eken’Andriamanitra mihitsy fisaraham-panambadiana. Rehefa nanam-bady ny olona iray dia tokony hizaka izay vokatry ny safidiny.

 Lire la suite...

Tsy miraharaha ahy mihitsy ny sipako nefa izaho tia be azy.

22/05/2019

Henoko fa misy vehivavy adalainy any am-pianarany any. Mijaly aho fa mba toroy hevitra.

 Lire la suite...

Ahoana no hahafantarana fa anjara ny olona iray?

22/05/2019

Araka ny efa voalaza tamin’ny torohevitra teo aloha dia tsy izay fanambadiana tanteraka rehetra no atao hoe : anjara. Indraindray dia mety ho vokatry ny safidin’ny olombelona no nahatanteraka ny fanambadiana ka mety tsy ho tomombana izany fa hisy ny fikorontanana.

 Lire la suite...

Torohevitry ny mpitsabo hiatrehana hatsiaka

22/05/2019

Efa ankatoky ny ririnina isika amin’izao fotoana izao, raha ny toetry ny andro no jerena. Indro ny torohevitry ny mpitsaboa amin’ny tokony atao mandritra io vanim-potoana io sy ho fisorohana ny mety hipoiran’ny aretina mifandraika amin’io vanim-potoana io.

 Lire la suite...

Inona no sakafo mahangeza vetivety fa tena kely loatra aho ka mba te hitombo haingana ?

21/05/2019

Sady ny tena mampalahelo ahy dia kianin’ny olon-tiako foana aho amin’ny hakeliko ary asainy manao “régime”.

 Lire la suite...

Conseils

Mety ho bevoka ve raha toa ka efa “17ème jour” aorian’ny “règle” no manao firaisana ara-nofo ?

06/12/2018

Raha toa ka 28 andro no isan’ny andro ao anatin’ny tsingerim-bolanao dia eo amin’ny faha-14 andro izany no andro mahalonaka anao.

 

 Saingy tsy amin’io andro io ihany, fa amin’ireo andro vitsivitsy mialoha sy aorian’io andro mahalonaka io, izany hoe : manomboka eo amin’ny “10ème jour” hatramin’ny “17ème jour”, dia mety ho bevohoka ianao. Miankina amin’ny toe-batan’ny vehivavy tsirairay anefa ny mahalava na mahafohy ireo fotoana mety hahabevohoka ireo. Tadidio foana koa fa mety hanova, hahalava na hahafoy ireo, ny fiasan-tsaina, ny harerahana, ny aretina, ny fihinanana fanafody…

 

Inona no mety hitranga raha toa ka manao firaisana ara-nofo mandritra ny fadimbolana ?

Amin’ny ankapobeny, toy ny manao firaisana ara-nofo amin’ny fotoana tsy ahatongavan’ny fadimbolana ihany, saingy mila fitandremana fotsiny mba tsy ho tasy ny fandriana. Raha toa ka samy salama tsara ianareo roa dia tsy ahiana ny mety hifindran’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo. Io mantsy no atahorana indrindra, satria mora mampifindra ny otrikaretina ny ra. Tsy atahorana loatra koa ny vohoka tsy iriana, raha tsy hoe : niara-nitontona angaha ny fotoana ahatongavan’ny fadimbolana sy ny fotoana mahalonaka, izay tsy tokony hitranga, raha toa ka isaky ny 28 andro, na mihoatra, no miverina ny fadimbolanao.

 

Vehivavy 45 taona aho, efa herintaona izao no tsy tonga fotoana intsony fa efa “ménopause”. Efa herintaona koa izao no tratran’ilay hafanana be mitosaka tampoka iny, ka tera-tsemboka be sady indraindray aza fanina mihitsy. Tsy te hihinana fanafody nefa aho, ka sao mba manana torohevitra ianareo ampitoniana io “bouffée de chaleur” io ?

Amin’ny ankapobeny, amin’ilay fotoana mialohan’ny tena hitsaharam-pitsaihana tanteraka iny, na ny “pré-ménopause”, no tena mitranga ny “bouffée de chaleur”. Mety hitohy sy hitarika anefa izany, na dia efa mitsaha-pitsaihana mandritra ny fotoana ela aza. Ny tena tsara indrindra aloha dia ny miresaka mahakasika izany amin’ny dokotera “gynécologue”, sao misy tokony hodinihina akaiky ny momba ny tsiry mpanentana. Vanim-potoana iray lehibe tena mampitsimbadika ny tsiry mpanentana mantsy ny fitsaharam-pitsaihana. Ankoatra izay dia misy ihany koa ny sakafo mety manampy mampitony an’ilay hafanana miakatra be tampoka. Isan’ny tena mandaitra ny tamotamo, izay azo ampiarahina amin’ny sakafo rehetra karakaraina. Tahaka izany koa ny kanelina. Tsy misy fomba hampiasana azy manokana, fa azo afangaro amin’ny sakafo, atao dite… araka izay hitiavana azy.  Tena tsara ihany koa ny mihinana soja, izay ahitana ny antsoina hoe : « phyto-œstrogène ». Azo atao ronono, hanina amin’izao ny vovony, ary afaka mihinana ireny tofu, na fraomazy soja ireny koa.

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo