Jejoo

Dans la même rubrique

« Lait de coco » : Manalava ny volo vetivety

23/05/2019

Raha ahosotra matetika amin’ny foto-bolo ny « lait de coco » dia manafaingana ny fanirin’ny volo.

 Lire la suite...

« Lait de coco » : Manalava ny volo vetivety

09/05/2019

Raha ahosotra matetika amin’ny foto-bolo ny « lait de coco » dia manafaingana ny fanirin’ny volo.

 Lire la suite...

Maska idealy ho an’ny volo mitera-menaka

02/05/2019

Ny fampiasana akora simika be loatra dia isan’ny antony mahatonga ny volo hitera-menaka.

 Lire la suite...

Maska zavoka : manavotra ny volo maina sy tapatapaka

25/04/2019

Mahamandina ny volo ny zavoka. Mitondra ny otrik’aina ilain’ny volo ihany koa izy io ary manamafy azy. Andramo ity maska zavoka ity raha manana volo maina ianao.

 Lire la suite...

Inona ny menaka mety amin’ny volonao?

04/04/2019

Miparitaka eny an-tsena ny karazana akora fikararana volo vita avy amin’ny zava-maniry amin’izao fotoana izao.

 Lire la suite...

Menaka inona no mety amin’ny volonao?

28/03/2019

Miparitaka eny an-tsena ny karazana akora fikararana volo vita avy amin’ny zava-maniry amin’izao fotoana izao. Isan’ny tena fahita matetika ohatra ny menaka kinana, « argan », voanio, jojoba, sns.

 Lire la suite...

Tantely sy citron : Maska manatsotra volo, tsy mila “brushing”

21/03/2019

Mahamandina ny volo ny tantely ary miaro azy tsy ho simba. Raha ampiarahina amin’ny voasarimakirana izy ity dia ahazoana maska manatsotra volo. Natoraly tanteraka anefa izany ka sady miaro no volo no mahasalama azy.

 Lire la suite...

Coiffure

Avy nilomano : Ny atao mba tsy ho simba ny volo

06/12/2018

Ny singa avy amin’ny ranon’ny dobo filomanosana dia tena mahamaina ny volo sy mahatapatapaka azy.

 

 

 

Fialam-boly tena ilaina amin’zao andro mafana izao anefa ny lomano. Ho an’ireo izay mpanao izany dia mila fikarakarana manokana ny volo mba ho salama hatrany. Ireto ary ireo dingana arahina.

 

Sasana hatrany

Ny singa ao anatin’ny rano amin’ny dobo filomanosana, toy ny klaoro dia tena manimba ny volo. Raha ny filazan’ireo matihanina anefa dia mora mandray ny loto sy ny akora samihafa ny volo mando. Araka izany, raha milona mandritra ny fotoana maromaro ao anatin’ny dobo filomanosana ny volo dia mitroka akora simika betsaka ny volo ka raha miverina matetika izany dia lasa maina sy tapatapaka. Ny tena mety dia iny vao mivoaka avy ao anatin’ny dobo filomanosana iny mihitsy no sasana ny volo. Ho an’ireo mpilomano matetika dia tsara raha ranon-tsavony fanasana loha mahamandina misy “karité” sy menaka jojoba no ampiasaina. Aorian’izay dia asiana “après-shamppoing” ary lomana mandritra ny minitra vitsy.

 

Avela tsofin’ny rivotra

Tena manimba ny volo ny fanamainana azy amin’ny entona mafana avy hatrany raha vao mivoaka avy ao anatin’ny dobo filomanosana, indrindra raha atao matetika izany. Ny tsara dia avela ho mainan’ny rivotra natoraly eny ny volo. Rehefa iny avy sasana iny izy dia fonosina mandritra ny minitra vitsy ao anatin’ny servieta dia avela hisarakorako fotsiny. Tsy tsara ihany koa ny mampiasa fihogo raha mando ny volo, indrindra raha avy ao anaty dobo filomanosana. Bangoina amin’ny tanàna fotsiny ny volo dia izay.

 

Asiana maska

Tena ilain’ny volo ny maska, indrindra ho an’ireo izay mpilomano matetika. Mahamandina sy mitondra ny otrik’aina rehetra ilainy mantsy izany ka miaro azy tsy ho simba. Ny tena tsara dia ny maska vita amin’ny menaka voanio, na ny menaka zava-maniry samihafa toy ny oliva, ny jojoba, sns. Tokony hisy maska farafahakeliny in-1 mandeha isa-kerinandro ny volo miditra anaty dobo filomanosana matetika.

 

Meva

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo