Jejoo

Dans la même rubrique

Zava-pisotro zavoka sy kaokaombra ary yaorta… tsara atao sakafo maraina

06/03/2019

Ny akora rehetra anatin’ity zava-pisotro iray ity dia feno otrik’aina ilain’ny vatana hiatrehana ny tontolo andro. Zava-pisotro tena tsara hanombohana ny tontolo andro izy ity satria sady ahitana vitamina C no ahitana proteina, izay samy ilain’ny vatana

 Lire la suite...

Zava-pisotro amin’ny tamotamo… misoroka homamiadana

27/02/2019

Singa efa fantatra amin’ny voka-tsoa izay entiny ny tantely sy ny tamotamo. Isan’ny tena hahafantarana azy ireo ny fisorohana ny homamiadana. Ity zava-pisotro iray ity dia ahitana ireo singa roa ireo ka misoroka ny fiparitahan’ny singa mitondra homamiadana anatin’ny vatana ary mampitombo ny hery fiarovana ihany koa.

 Lire la suite...

Ranona kaokaombra, sakamalao, …nalona : Mampihena kibo

20/02/2019

Efa fampiasa matetika amin’ny fampihenam-batana ny kaokaombra. Raha afangaro amin’ny sakamalao sy voasarimankirana izy dia mampihena kibo.

 Lire la suite...

Zava-pisotro mahatsara tarehy, amin’ny betiravy

13/02/2019

Zava-pisotro natoraly mahasolo ireny akora “anti-âge” ireny ity zava-pisotro ity. Ny singa tsirairay avy izay mandrafitra azy dia samy manamandina sy mahatsara hoditra avokoa. Ankoatra izay dia mitahiry ny fahatanoran’ny hoditra ihany koa izy ity.

 Lire la suite...

Zava-pisotro vita amin’ny tamotamo : misoroka ny fihombon’ny homamiadana, manadio taova, tsara ho an’ny taolana, …

06/02/2019

Akora mitondra voka-tsoa marobe ho an’ny vatana ny tamotamo. Raha afangaro amin’ny akora hafa toy ny voamadilo sy ny voasarimakirana izy dia manasitrana aretina samihafa. Ity zava-pisotro manaraka ity izao dia misoroka ny fiombon’ny homamiadana, manadio taova,…

 Lire la suite...

Zava-pisotro mampavitrika tontolo andro

30/01/2019

Araka ny filazan’ireo « nutritinioniste » dia ny sakafo maraina no tena manan-danja indrindra amin’ireo sakafo mandritra ny tontolo andro

 Lire la suite...

Dite sakamalao : Manala vato amin’ny voa, manadio aty…

23/01/2019

Manan-karena mineraly isan-karazany toy ny vitamina sy ny manezioma ny sakamalao. Mampiakatra ny hery fiarovana koa izy ity. Noho ireo voka-tsoa ireo dia manadio ny aty ny sakamalao, manala ny vato amin’ny voa ary miady amin’ny homamiadana. Andramo ary ity zava-pisotro vita amin’ny sakamalao iray ity.

 Lire la suite...

Boisson

Ronono nasiana chocolat blanc : mampitony, mampidina tosi-drà, mahatanora …

05/12/2018

Tena mety amin’izao vanim-potoana avy orana izao ity zava-pisotro vita amin’ny sôkôla fotsy ity. Rehefa harivariva avy orana sy reraky ny tontolo andro iny dia tena mampitony sy manala ny rarin-tsaina izy ity. Tena tsara ho an’ny fo izy ity ary mampidina ny tosi-dra ihany koa. Eo ihany koa ny tsirony izay tena miavaka ka hahafahana manadino ny sorisory nandritra ny tontolo andro.

 

 

 

 

Akora ilaina ( ho an’ny zava-pisotro 4 kaopy)

sôkôla fotsy 120g

“Crème liquide entière » 20cl

Ronono 40cl

Azo  ampiana « chantilly » hanaingoana azy

 

Fikarakarana

Alefa ao anaty vilany iray ny ronono sy ny “crème liquide”dia  ampangotrahina.

Kikisana ny sôkôla ary zaraina mitovy amin’ireo kaopy asiana azy.

Araraka ao anatin’ny kaopy ilay ronono sy “crème liquide” nangotraka ary aroana tsara mba hitsonika ny sôkôla.

Raha tiana ampiana “Chantilly” dia araraka eo ambonin’ilay zava-pisotro fotsiny izany ary afaka ampiana kanelina ihany koa.

 

Tsara ho an’ny fo

Toy ny sôkôla rehetra dia tena tsara ho an’ny fo sy ny lalan-dra ny sôkôla fotsy. Misoroka ny aretin’ny fo mantsy izy io ary mampalefaka ny lalan-drà ihany koa ka mampidina ny tosi-dra. Ankoatra izay dia efa iaraha-mahalala fa tena mampitony ny zava-mamy. Ny tsiro miavaka ananan’ny sôkôla fotsy dia isan’ny tena mandaitra raha te ho tony. Ny fisotroana ity zava-pisotro ity araka izany dia tena mampitony sy manala ny rarin-tsaina mandritra ny tontolo andro. Ankoatra ireo rehetra ireo dia fantatra fa mahatanora lalandava ihany koa ny sôkôla fotsy.  

 

Meva

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo