Jejoo

Dans la même rubrique

Tandremo, misy tsy mahazaka ny “gommage”

22/05/2019

Ny fahalalan'ny besinimaro ny « gommage » dia hoe manala « peau morte » na ireo hoditra maty mandoto sy mahaela ny fipoitran’ny hoditra vaovao. Fa tena ilaina ve ny manao gommage ? Misy mantsy ireo tsy mba manao izany nefa toa tsy maninona akory. Inona avy ireo antony tena tsy maintsy hanaovana azy io ?

 Lire la suite...

Mikolo hoditra makiana lava

21/05/2019

Karazana sokajin-koditra mora mikentrona ireo tsy ampy rano (deshydraté) na koa tsy ampy menaka (sèche).

 Lire la suite...

Mikolo ny tanana mandritra ny ririnina

17/05/2019

Raha vao ratsy karakara ny tanana, mandritra ny fotoana mampangatsiaka ny andro, dia rotiky fanala ny hoditra eo aminy.

 Lire la suite...

« Lait de coco » : Manalava ny volo vetivety

16/05/2019

Raha ahosotra matetika amin’ny foto-bolo ny « lait de coco » dia manafaingana ny fanirin’ny volo.

 Lire la suite...

Didy 10 mampateza ny « vernis »

14/05/2019

Rehefa manosotra « vernis », dia satry haharitra faran’izay ela eo amin’ny hoho izy ireny. Raha tsy « permanent » no anaovana, dia roa na telo andro izany dia efa manomboka miendaka.

 Lire la suite...

Didy 10 mampateza ny « vernis »

14/05/2019

Rehefa manosotra « vernis », dia satry haharitra faran’izay ela eo amin’ny hoho izy ireny. Raha tsy « permanent » no anaovana, dia roa na telo andro izany dia efa manomboka miendaka. Na izany aza dia misy kosa ny fitspika azo arahina, raha tiana hateza eo amin’ny hohonny “vernis”. Ampiharo ange ireto e !

 Lire la suite...

Manimba tarehy ve raha miovaova « produits » ?

13/05/2019

Azo atao ve ny manovanova ny akora ampiasaina amin’ny tarehy ? Manimba tarehy ve ny fihetsika tahaka izany sa mampifameno ireo akora isan-karazany ? … Maro amin’ny vehivavy no mifanontany mahakasika izany. Indro àry ny fanazavan’ny matihanina rehefa nanontanianay izany …

 Lire la suite...

Beauté

Manomana ny hoho ho lava sy matevina tsara, hiatrika ny fety…

05/12/2018

Ho avy izao ny fety ka mba te hanana hoho lavalava sy maniry tsara ianao. Tianao ihany koa raha mba matevina tsara izy ireo ka tsy voatery hanao “faux ongles” intsony fa avy dia ny hohonao mihitsy no hiangaliana an’ireny karazana fanaingoana hoho na “nail’s art” ireny. Mbola tsy tara ianao raha izao dia efa manomana ny hoho hiatrika ny fety. Ireto ny torohevitra …

 

 

 Ny fahazarana atao

Mba haniry tsara ny hohonao, dia mila kolokoloina tsara ny keratina izay mandrafitra azy ao anatiny. Fepetra takiana voalohany ny fanamandinana ny hoho ! Isan’andro, dia ory moramora ny tampon-koho sy ireo hoditra manify kely manamorona azy. Menaka avy amin’ny zava-maniry toy ny « huile d’amande douce » na menaka oliva no tsara indrindra satria mandaitra haingana be. Atao maraina sy hariva.

Kolokoloina

Ankoatra an’io fahazarana voalohany io dia ataovy ihany koa ity manaraka ity, mba hahazoana hoho salama, maniry vetivety ary matevina tsy mora misilaka. Afangaroy ao anaty vilia kely ary ny « huile d’amande douce » sy ny ranona antsasaka voasarimakirana. Lomy ao ny hohonao avy eo mandritra ny roa minitra. Somary orina sady tsindriana malefaka ihany koa. Mandrisika ny rà any ambanin’ny hoho sy manodidina azy hiasa tsara izany. Kobanina avy eo. Tsy vitan’iretsy voatanisa iretsy fa ho botsiaka mahafatifaty ery koa  izy ireo avy eo. Atao isaky ny roa andro.

Manucure

Isa-kerinandro kosa indray dia manao fikoloana feno mihitsy. Ahitsy amin’ny « lime » ny hoho mba hirafitra tsara sady hanamafy azy izany. Avy any amin’ny sisiny no mankeo afovoany no fanao azy. Hosorana “vernis base” izany avy eo, ka ireo “durcisseur” izay manamafy hoho izao no tena ilaina. Tsy adino ny fampiasana “vernis” ara-dalàna tsy manimba hoho, sy ny “dissolvant” izay tsy misy “acetone” maherisetra ho an’ny hoho.

Mikaonty koa ny sakafo

Mety hahagaga anao kanefa tena mikaonty betsaka amin’ny kalitaon’ny hoho ihany koa ny fomba fisakafoana. Fantaro àry fa raha manana olana amin’ny hoho ianao, dia tokony hihinana betsaka an’ireo sakafo be proteina toy ny hena, ny trondro, ny atody, ny voamaina… izay ilain’ilay keratina ao anaty hoho. Toy izany koa ny sakafo vory kalsioma, zinc, vitamina, … izay mandrisika ny vatana fanirian’ny hoho sy ny fihatsaran’ny kalitaony. Raha tena efa lasa lavitra kosa ny olana eo amin’ny hoho dia azo atao koa ny mihinana fanampin-tsakafo manatsara ny fanirin’izy ireo.

 

 

Ando

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo