Jejoo

Dans la même rubrique

Karazana ranomanitra 7, mambabo sady mamoha fitiavana…

15/02/2019

Na omaly aza ny fetin’ny mpifankatia, dia mety anio na amin’ity faran’ny herinandro ity vao tena hiaraka ianareo roa kely. Ireto ny filaharan’ireo karazana ranomanitra tsara hanaovana indrindra miaraka amin’ny olona tiana ho baboina, sy iarahana … Voalaza fa manintona, mamoha fitiavana ary manaitra filàna izy ireto…

 Lire la suite...

Kely na be be maso, ny fomba hanaingoana azy

13/02/2019

Mampivoaka tsara ny haingon-tava ny fahaizana mampihaingo manokana ny maso. Tsy ataotao foana anefa izy ireny fa mifandraika sy ampifanarahina amin’ny firafitry ny maso. Boribory, lehibebe, ary kelikely no firafitry ny mason’ny Malagasy, amin’ny ankapobeny. Samy manana ny fomba azo hampihaingoana azy izy ireo.

 Lire la suite...

Manala mony sy manadio tarehy amin’ny tongolo gasy, menaka oliva …

11/02/2019

Manomboka misy mony indray ny tarehinao, kanefa efa somary lefilefy izy ireo teo aloha teo. Misy ny fomba azo atao mba hikolokoloana ny tarehy taiza-mony amin’ny fomba natoraly. Fomba isan’ny tena mandaitra ireto aroso anao ireto ary.

 Lire la suite...

Ny atao, mba tsy ho simba mihitsy ny tarehy…

08/02/2019

Tsy dia manana olana firy eo amin’ny tarehy ianao, fa kosa maniry ny mba hitazona an’io hatsarany io. Misy ny tsara ho fantatra sy ny fomba amam-pahazarana mila atao, mba tsy hiandrasana an’ilay tarehy ho simba vao hikarakara azy. Indro ny torohevitra.

 Lire la suite...

“Crème hydratante” : ny fomba fisafidianana azy…

07/02/2019

Antitranterina foana ny hoe mila hamandinina ny hoditra mba ho salama hatrany. Maro karazana anefa izy ireny no amidy eny an-tsena eny, ka toa manahirana ny manao ny safidy indraindray. Ahoana àry ny tena fomba fisafidianana ny akora manamandina hoditra ?

 Lire la suite...

Tonio amin’ny ronono ny maso vizan-dava sy mangana…

06/02/2019

Miha betsaka ny andriambavilanitra manana maso mora vizana. Azo itarafana an’izay ny faritry ny maso somary maloka be, mangana, na koa bongobongo.

 Lire la suite...

Ireo antony lehibe, tsy maintsy hanaovana “gommage”

05/02/2019

Ny fahalalan'ny besinimaro ny « gommage » dia hoe manala « peau morte » na ireo hoditra maty mandoto sy mahaela ny fipoitran’ny hoditra vaovao. Fa tena ilaina ve ny manao gommage ? Misy mantsy ireo tsy mba manao izany nefa toa tsy maninona akory. Inona avy ireo antony tena tsy maintsy hanaovana azy io ?

 Lire la suite...

Beauté

« Lentilles » atao foto-tsakafo : Sady mahasalama no mampihena

04/12/2018

Voka-pikarohana iray avy any Canada, no namoaka fa tsara kokoa raha soloina « lentilles » ny vary fotsy sy ny ovy, indrindra ho an’ireo olona voan’ny diabeta na ahiana ho voan’izany. Fantatra fa tsy mampivondraka ity haninkotrana ity, no sady mahasalama tsara ihany koa.

 

 

Be otrikaina

Be fibra  ny « lentilles » ka manatsara ny fiasan’ny tsinay sy ny vavony  ary misoroka ny mitohana. Feno proteina rahateo izy ity ka misoroka ny aretin’ny fo sy ny lalan-drà. Be Fer sy maneziôma koa ao anatiny ka manampy hiady amin’ny rarin-tsaina sy ny havizanana koa izy. Mampitony sady mahamiran-tsaina koa ity voamaina ity satria be “cuivre”, faosforo, zinc, manganeza  ary vitamina B. Araka ny navoakan’ny Oniversiten’i Guelpho any Canada dia mihena hatrany amin’ny 20% ny tahan’ny siramamy ao anatin’ny rà raha soloina “lentilles” ny vary na ovy anjara 1.

 

Natao andrana tamin’olona 24

Tera-tany kanadianina  miisa 24 no nanaovana andrana tamin’ity fikarohana ity. Nozaraina 4 izy ireo ka samy natao samihafa ny foto-tsakafon’izy ireo. Ny vondrona voalohany nihinana vary fotsy. Ny vondrona faharoa dia nihinana vary sy “lentilles”. Ny  vondrona fahatelo nihinana vary sy karazana « lentilles corail ». Ny vondrona farany nihinam-bary fotsy antsasak’anjara sy “lentilles” tsotra.  Naverina ihany koa ity andrana ity ka ovy indray no nanaovana azy fa tsy vary intsony. Notsapaina ny tahan-tsiramamin’ireo olona nanaovana andrana ireo, ora roa mialoha ny hisakafo sy ora roa tao aorian’ny nihinanana.  Hita taorian’izay fa na dia ny antsasaky ny anjara vary fotsiny aza no soloina “lentilles” dia mihena be ny tahan’ny siramamy ao anatin’ny rà.

 

Fehiny

Noho izy manana taha ambany amin’ny “glycémie” dia tsy mampakatra ny tahan’ny siramamy ao anatin’ny rà mihitsy ny “lentilles”. Mety tsara ho an’ny fahasalamana sady tsy mampatavy mihitsy ny fihinanana “lentilles” matetika noho izany. Atoron’ity fanadihadiana ity mihitsy aza ny hanaovana ny “lentilles” ho foto-tsakafo.

 

Hary

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo