Jejoo

Dans la même rubrique

Azo atao ve ny misara-bady raha sendra olona tsy anjara?

23/05/2019

Toe-javatra iray tsy eken’Andriamanitra mihitsy fisaraham-panambadiana. Rehefa nanam-bady ny olona iray dia tokony hizaka izay vokatry ny safidiny.

 Lire la suite...

Tsy miraharaha ahy mihitsy ny sipako nefa izaho tia be azy.

22/05/2019

Henoko fa misy vehivavy adalainy any am-pianarany any. Mijaly aho fa mba toroy hevitra.

 Lire la suite...

Ahoana no hahafantarana fa anjara ny olona iray?

22/05/2019

Araka ny efa voalaza tamin’ny torohevitra teo aloha dia tsy izay fanambadiana tanteraka rehetra no atao hoe : anjara. Indraindray dia mety ho vokatry ny safidin’ny olombelona no nahatanteraka ny fanambadiana ka mety tsy ho tomombana izany fa hisy ny fikorontanana.

 Lire la suite...

Torohevitry ny mpitsabo hiatrehana hatsiaka

22/05/2019

Efa ankatoky ny ririnina isika amin’izao fotoana izao, raha ny toetry ny andro no jerena. Indro ny torohevitry ny mpitsaboa amin’ny tokony atao mandritra io vanim-potoana io sy ho fisorohana ny mety hipoiran’ny aretina mifandraika amin’io vanim-potoana io.

 Lire la suite...

Inona no sakafo mahangeza vetivety fa tena kely loatra aho ka mba te hitombo haingana ?

21/05/2019

Sady ny tena mampalahelo ahy dia kianin’ny olon-tiako foana aho amin’ny hakeliko ary asainy manao “régime”.

 Lire la suite...

Tsy izay fanambadiana tanteraka rehetra no atao hoe : anjara

21/05/2019

Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny vady. Araka ny efa voalaza tamin’ny torohevitra teo aloha dia tsy ny olona rehetra no nantsoin’Andriamanitra hanam-bady.

 Lire la suite...

Voalahatra hatrany am-pahariana ve ny vady ?

20/05/2019

Raha ny fomba namoronan’Andriamanitra ny olona dia tsy ny fanambadiana no tanjona voalohany eto ambonin’ny tany. Tsy mitovy mihitsy ny tso-drano nomen’Andriamanitra ny olombelona sy ny biby mikasika ny fanambadiana.

 Lire la suite...

Conseils

Roa volana lasa izay, bevohokan’ny sipako aho dia nasainy noesorina ilay izy.

04/12/2018

Narahiko ny sitrapony, nefa amin’izao, lasa tsy miraharaha ahy mihitsy izy. Inona no ataoko fa izaho efa nanao fahotana vokatry ny fitiavana azy, nefa toa lasa tsy tiany intsony ?

 

Nandalo sedra ngezabe ny fiarahanareo tamin’izay ianao nitoe-jaza tamin’ny tsy nampoizina izay. Vokatr’izay dia mbola mety miasa mafy ny sainy ary matahotra ihany koa, sao mbola ho bevohoka indray ianao, ohatra. Ny tena tsara indrindra dia maka fotoana anankiray ianareo roa hiresahana an’iny zava-nitranga iny, hifampizaranareo ny fihetseham-ponareo avy ary hifampitantarana ny tahotra sy ny ahiahy rehetra. Handraisana fanapahan-kevitra ihany koa, toy ny amin’ny fampiasana fanabeazana aizana, ohatra. Amin’izay dia samy tomponandraikitra sy samy miara-mizaka izay zava-mitranga ianareo, ka mety hifanakaiky am-po kokoa indray. Rehefa mifampizara ny ao am-po koa dia lasa mifampatoky kokoa. Andramo aloha izay, sao hamerina indray ny fifandraisanareo.

Manana olon-tiana aho, efa fantatry ny fianakaviana rehetra. Mikasa ny hivady izahay amin’io taona ho avy io nefa matahotra aho satria tsy tian’ny rafozam-baviko mihitsy. Ilay olon-tiako anefa milaza amiko foana fa tia ahy ary tsy hanary ahy mihitsy, na inona na inona ataon’ny reniny. Tsy maninona ve raha miroso ihany izahay ?

Miankina betsaka amin’ny fahatokisanao an’ilay olon-tianao io. Rehefa azonao antoka fa hanohana anao foana izy ary tena tia anao, dia tsy tokony hisy atahorana. Ianareo roa mantsy no hiaina ny tokantranonareo, ka na eo aza ny tsy fankasitrahan’ny rafozam-bavinao ny raharahanareo, dia tsy hisy akony firy amin’ny fiainan-tokantranonareo iznay, rehefa ianareo roa no mahay mifampitondra. Tsy misy tsara ohatry ny tokantrano voatsodranon-dray aman-dreny, tsy misy tsara noho ny ray aman-dreny sy zanaka mifankatia sy mifanakaiky am-po, nefa tsy azonao terena ho tia anao ny rafozam-bavinao. Fa anjaranao kosa ny mampiseho ohatra tsara, amin’ny alalan’ny fanajana azy foana, izay porofon’ny fitavanao sy ny fanajanao ny olon-tianao ihany koa.  

5 taona nivadiana izahay roa, mbola tsy mety mahazo zaza foana. Inona no ataoko fa matahotra aho sao dia hilaozan’ny vadiko ?

Ny tokony atao voalohany dia ny mandeha mizaha fahasalamana eny amin’ny dokotera, sao misy olana na tsy fahatomombanana eo amin’ny vatanareo roa. Tsipihina tsara hoe : ianareo mivady mihitsy no mila miara-manatona dokotera (gynécologue no tsara indrindra), hahafahanareo mamantatra ny toe-batanareo, sao any no olana. Na inona anefa na inona ny zava-misy, dia tsy voatery hampisaraka anareo akory ny tsy fananana zanaka. Rehefa hainareo ny mifanolotra fitiavana foana sy manafana miaraka ny tokantranonareo, dia ho maivana kokoa ny fahabangan’ny zanaka. Azonareo jerena aza ny lafy tsarany, satria manana fotoana bebe kokoa ianareo roa iarahana, noho ny hoe : raha misy zazakely tsy maintsy karakaraina. Fa mialohan’ny hanamboarana saina ny amin’izany dia mandehana aloha miala nenina manatona dokotera.

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo