Jejoo

Dans la même rubrique

Ranom-boankazo “majika” mitroka tavy miandrona, amin’ny alina

08/01/2019

Maro ireo antony mahatonga ny vehivavy ho lasa be kibo. Ny fomba tena tsotra sy mahomby hisorohana izany nefa dia ny fihinana sakafo voalanjalanja hatrany, ankoatra ny fanaovana fanazaran-tena.

 Lire la suite...

Fomba 6 tsy ampoizina, manampy anao hihena vetivety!

17/12/2018

Raha efa nandramanao avokoa ny fomba rehetra hampihenan-tena saingy tsy nahomby izany dia andramo indray ireto manaraka ireto. Tsy dia ampoizina loatra izy ireo kanefa dia mahomby amin’ny fandrisihina anao ao anatin’ny ezaka fampihenan-tena

 Lire la suite...

Ireo legioma sy voankazo 3 ampiarahana, mamotika tavy!

10/12/2018

Raha tsy manan-kevitra ianao ny amin’ireo voankazo sy legioma tsara ampiarahina hanaovana “smoothie” dia atoronay anao ireto karazany roa ireto, izay mora mampihena tokoa noho ireo tombontsoa azo avy amin’ireo akora mandrafitra azy.

 Lire la suite...

Mihena 60 kilao noho ny fampiasana ny tambajotram-pifandraisana

26/11/2018

Misy akony amin’ny fiainan’ny mpampiasa azy, ny tambajotram-pifandraisana. Tsy voatery ho ratsy foana anefa izany fa mety hitondra izay mahasoa ihany koa.

 Lire la suite...

“Avoine” sy “citron” atao “jus” : 5 andro dia mihena 5 kilao

05/11/2018

Mahery vaika ny fiasan’ity zava-pisotro iray ity ary mety hampihena hatrany amin’ny 5 kilao mihitsy, ao anatin’ny herinandro monja. Mitroka tavy mantsy izy ity. Araho ange e !

 Lire la suite...

Avoine no atao sakafo maraina, raha te hihena

15/10/2018

Ny sakafo maraina no sakafo lehibe indrindra ao anatin’ny tontolo androary efa voamarin’ireo imatihanina momba ny fomba fisakafo, na ny “nutritionnistes” izany.

 Lire la suite...

Fahazarana 5 mila atao, raha te hihena vetivety

08/10/2018

Fihetsika kely fotsiny no atao dia mandoro kaloria betsaka kokoa ny vatana. Voaporofo ara-tsiansa rahateo izany satria efa nanaovana andrana. Ireto avy ny tsara atao raha te hihena tokoa…

 Lire la suite...

Minceur

Ireo sakafo mampihena

03/12/2018

Fantatrao ve fa misy ny sakafo tsara ampiarahina mba hahatonga azy ireo handoro kaloria sy hampihena haingana kokoa ? Ireto ny santionany amin’izany, ka tsara ho fantatra :

 

 

Akoho sy « poivre de Cayenne »

Mitombo 35% ny kaloria lanin’ny vatana raha toa ka ampiana « poivre de Cayenne » kely ny sakafo be proteina. Asio ity karazana episy ity fotsiny ny akoho, 30 minitra mialoha ny hanatonona azy. 

 

Atody sy poavrao

Manetsika ny metabolisma ny atody. Be vitamina C kosa ny poavrao. Raha ampiarahina ireo dia hanome hery ny vatana hiady amin’ny “cortisol”, tsiry mpanentana mampiakatra ny tahan’ny “glycémie” ka mahatonga ny vatana hahatsiaro noana foana.

 

Poavrao sy ovy

Mahavoky kokoa noho ny vary mena,  ny ovy. Ampiarahina amin’ny potasioma izany dia hampifintina haingana. Noho izany dia tsara ny mampiaraka ny ovy amin’ny poavrao.

 

Trondro « thon » sy sakamalaho :

Manafaingana ny fiasan’ny metabolisma ny sakamalaho sady mahatonga ny vatana handany kaloria be koa.  Feno oméga-3 kosa ny trondro « thon » ka mahavoky ela.

 

Trondro « saumon » sy tongolo gasy

Manampy ny fanorenana hozatra ny trondro « saumon » satria feno proteina sy asidra oméga-3 ao anatiny. Arakaraky ny ananan’ny vatana hozatra betsaka no hahatonga azy handoro kaloria betsaka, na dia tsy manao na inona na inona aza. Raha ampiarahina amin’ny tongolo gasy ity trondro ity dia vao mainka hampihena haingana satria hita tamin’ny fanadihadiana iray fa mampihena ny fihinanana tongolo gasy isan’andro mandritra ny 12 herinandro.

 

Miss

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo