Jejoo

Dans la même rubrique

Andro eran-tany ho an’ny angano : Hivoaka amin’io ny boky angano an’i Ranaivo Rafenomanjato Patricia

19/03/2019

Hankalazaina rahampitso 20 martsa ny andro maneran-tany ho an'ny angano. Hanamarika izany ny ao amin’ny Ivon-toeran’ny Kolotsaina Malagasy (IKM) sy ny Federasiona Mpikanto Teny sy Soratra (FMTS). Mandritra izany no

 Lire la suite...

BNI Andranonahoatra Olona handrotsaka vola, voatifitra

19/03/2019

Omaly maraina tokony ho tamin’ny 9 ora sasany maraina teo no nitrangana fanafihana teo amin’ny banky BNI Andranonahoatra Itaosy.

 Lire la suite...

Fifaninanana mamaky teny Ankizy 31 no tafakatra amin’ny manasa-dalana

19/03/2019

Ankizy sy tanora miisa 73, teo anelanelan’ny 10 hatramin’ny 15 taona, no tonga nifaninana namaky teny, tao anatin’ilay « Championnat de lecture », nokarakarain’ny Alliance française d'Antananarivo, tamin’ny sabotsy lasa teo.

 Lire la suite...

“Tremplin Music’al Run” ao La Réunion: Mandray anjara i Océane Rama, malagasy

19/03/2019

Fifaninanana hisafidianana ireo mpanakanto vao misondrotra eo amin’ny sehatry ny mozika ny “Tremplin Music’al Run”.

 Lire la suite...

Varotra akanjo sy kiraro Mora be ny entana, rehefa manao “destockage” ny botika

19/03/2019

Any am-pitandranomasina any dia voafaritry ny lalàna mazava ny daty sy ny fe-potoana fanaovana varo-boba, na “solde”, na ihany koa “destockage”.

 Lire la suite...

Sambatra Fandresena, 14 volana Misy fivontosana ny ati-dohany, hodidiana fanin-droany

19/03/2019

Zazalahy kely vao 14 volana monja Andriamanantsoa Sambatra Fandresena. Tojo tsy fahasalamana tanteraka anefa izy ankehitriny. Misy fivontosana ao anaty ati-dohany izay fantatra fa mizara roa samihafa. Ny iray efa voadidy soa aman-tsara rehefa nesorina.

 Lire la suite...

LOZAM-PIARAKODIA - TAMBAZOTRAN-TSERASERA Mitady “j’aime” fa tsy mba manavotra ireo mpandalo

18/03/2019

“Toe-javatra mampalahelo amin’izao, ny nahamay ny sasany dia ny mitifitra sary ireo olona nihitsoka tao ambany fiara fa tsy nisy mihitsy namonjy izany”.

 Lire la suite...

Actualités

C’est une triste chose de songer que la nature parle et que le genre humain n’écoute pas. (Victor Hugo)

03/12/2018

Miara-miaiky ny rehetra ankehitriny fa miovaova be ihany ny toetr’andro : ny ririnina toa manoram-be, ny lohataona toa mangatsiaka, ny orana zara raha milatsaka…

 

Eo anatrehan’izany rehetra izany anefa, toa vitsy ihany no mba manova ny fahazaran-dratsy izay efa voaporofon’ireo manam-pahaizana fa manimba ny tontolo iainana, ka mitarika izao toetr’andro tsy hay be ihany izao. Impiry impiry moa no dradradradraina eto amintsika fa tsy tokony hodorana ny ala, satria manimba ny nofon-tany izany ka mahatonga ny tany tsy hahavokatra intsony ? Impiry no anaovana antso avo mba tsy hazaina na hovonoina fahatany ny biby, tsy lotoina ny rano ary hotsisiana ? Na ny manarinary fako eny rehetra eny aza dia mbola misy ny tsy mahatandrina azy. Tsy vitsy mihitsy ireo tsy mahatsiaro henatra kely akory, raha manipy ny fonon-javatra avy nohaniny eny an-dalam-be eny. Tsy lazaina intsony moa ireo manao maloto eny rehetra eny, na dia tsy lavitra aza no misy ny trano fivoahana ho an’ny daholobe. Efa mitaraina anefa ny tany sy ny zava-boaary rehetra eo aminy. Efa miantraika amin’ny fahasalaman’ny olombelona sy amin’ny fihariana izany. Rahoviana anefa isika vao hihaino ny natiora sy ho tonga saina ?!

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo