Jejoo

Dans la même rubrique

Manovanova “produits” : manimba tarehy ve ?

07/12/2018

Azo atao ve ny manovanova ny akora ampiasaina amin’ny tarehy ? Manimba tarehy ve ny fihetsika tahaka izany sa mampifameno ireo akora isan-karazany ? … Maro amin’ny vehivavy no mifanontany mahakasika izany. Indro àry ny fanazavan’ny matihanina rehefa nanontanianay izany …

 Lire la suite...

Te ho tsara tarehy amin’ny fety : Ny tokony atao dieny izao!

06/12/2018

Tapa-bolana mialohan’ny fetin’ny krismasy sy ny faran’ny taona isika izao. Betsaka no mihevitra fa ao anatin’ny fety mihitsy vao hikarakara endrika sy bika kely. Nodisoin’ny matihanina izany. Nambaran’izy ireo mantsy, fa dieny izao dia efa mila koloina ny hoditra hahazoana endrika tena miavaka amin’ny fety …

 Lire la suite...

Manomana ny hoho ho lava sy matevina tsara, hiatrika ny fety…

05/12/2018

Ho avy izao ny fety ka mba te hanana hoho lavalava sy maniry tsara ianao. Tianao ihany koa raha mba matevina tsara izy ireo ka tsy voatery hanao “faux ongles” intsony fa avy dia ny hohonao mihitsy no hiangaliana an’ireny karazana fanaingoana hoho na “nail’s art” ireny. Mbola tsy tara ianao raha izao dia efa manomana ny hoho hiatrika ny fety. Ireto ny torohevitra …

 Lire la suite...

« Lentilles » atao foto-tsakafo : Sady mahasalama no mampihena

04/12/2018

Voka-pikarohana iray avy any Canada, no namoaka fa tsara kokoa raha soloina « lentilles » ny vary fotsy sy ny ovy, indrindra ho an’ireo olona voan’ny diabeta na ahiana ho voan’izany. Fantatra fa tsy mampivondraka ity haninkotrana ity, no sady mahasalama tsara ihany koa.

 Lire la suite...

Akondro sy ronono, manatsara hodi-tava vetivety

03/12/2018

Manan-karena « antioxydants » ny akondro. Fahita mandavan-taona koa ity voankazo ity, ka azo atao tsara ny mikarakara tarehy aminy.

 Lire la suite...

Antony 3 hanaovanao « blush » isan’andro …manomboka izao

30/11/2018

Manomboka izao ianao dia ho resy lahatra, fa hanatsara endrika anao isan’andro no sady tena ilainao ny fanaovana “blush” eo amin’ny laingon-tava. Tsy voatery hanao haingon-tava be sy “maquillage” manao ahoana mantsy, fa ny laingon-tava fotsiny no haingoana, dia ho manjamanja sy velom-bolo ianao hiatrika ny tontolo andro …

 Lire la suite...

Teknika natoraly mampangirana hoho, tsy mila « vernis »

29/11/2018

Tsy mora ary sarotra ananana izany hoho mangirana, kanefa tsy nosorana “vernis” izany. Rehefa tsy manosotra “vernis”

 Lire la suite...

Beauté

Concours miss princesse, petite princesse et petit prince : Araho an-tsary ny fifanintsanana natao omaly

03/12/2018

Tao anaty hafanam-po tanteraka no niatrehan'ireo ankizy ny dingana fifanintsanana voalohany, natao omaly, ao anatin'ilay fifaninana Petit Prince sy Petite Princesse ary Miss Princesse iarahana amin'ny Charm'Elle Beauté.

 

 

Feno hipoka an'ireo mpanohana ny ankizy tsirairay ihany koa ny efitrano filanonan'ny Espace Myrah Ambatomaro nandritra izay fifanintsanana omaly izay. Nampiavaka an'iny tontolo androm-pifaninanana omaly iny, ny fomba fianjaikan'ireo ankizy mpifaninana. Fitafiana mpanjaka mantsy no lohahevitra ka samy somebiseby nampihaingo an-janany araka izay azony natao ireo ray aman-drenin'ny mpifaninana tsirairay. Ankoatra izay dia samy nampiseho ny talentany ihany koa ireo ankizy mpifaninana ankoatra ny filatroana nataony, toy ny hira, ny dihy, ny fitendrena zava-maneno, ny haihady.... Araho an-tsary aloha ny fianjaikan'ireo mpanjakakely mahafatifaty nifaninana omaly. Amin'ny alakamisy izao kosa, eto amin'ny Jejoo ihany, no hamantaranao ireo mpifaninana voaray hiatrika ny dingana famaranana... Miara-miasa amin'ny gazety Jejoo kosa moa ny Charm'Elle Beauté ao anatin'izao fifaninana izao.

 

Ando

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo