Jejoo

Dans la même rubrique

Karazana ranomanitra 7, mambabo sady mamoha fitiavana…

15/02/2019

Na omaly aza ny fetin’ny mpifankatia, dia mety anio na amin’ity faran’ny herinandro ity vao tena hiaraka ianareo roa kely. Ireto ny filaharan’ireo karazana ranomanitra tsara hanaovana indrindra miaraka amin’ny olona tiana ho baboina, sy iarahana … Voalaza fa manintona, mamoha fitiavana ary manaitra filàna izy ireto…

 Lire la suite...

Kely na be be maso, ny fomba hanaingoana azy

13/02/2019

Mampivoaka tsara ny haingon-tava ny fahaizana mampihaingo manokana ny maso. Tsy ataotao foana anefa izy ireny fa mifandraika sy ampifanarahina amin’ny firafitry ny maso. Boribory, lehibebe, ary kelikely no firafitry ny mason’ny Malagasy, amin’ny ankapobeny. Samy manana ny fomba azo hampihaingoana azy izy ireo.

 Lire la suite...

Manala mony sy manadio tarehy amin’ny tongolo gasy, menaka oliva …

11/02/2019

Manomboka misy mony indray ny tarehinao, kanefa efa somary lefilefy izy ireo teo aloha teo. Misy ny fomba azo atao mba hikolokoloana ny tarehy taiza-mony amin’ny fomba natoraly. Fomba isan’ny tena mandaitra ireto aroso anao ireto ary.

 Lire la suite...

Ny atao, mba tsy ho simba mihitsy ny tarehy…

08/02/2019

Tsy dia manana olana firy eo amin’ny tarehy ianao, fa kosa maniry ny mba hitazona an’io hatsarany io. Misy ny tsara ho fantatra sy ny fomba amam-pahazarana mila atao, mba tsy hiandrasana an’ilay tarehy ho simba vao hikarakara azy. Indro ny torohevitra.

 Lire la suite...

“Crème hydratante” : ny fomba fisafidianana azy…

07/02/2019

Antitranterina foana ny hoe mila hamandinina ny hoditra mba ho salama hatrany. Maro karazana anefa izy ireny no amidy eny an-tsena eny, ka toa manahirana ny manao ny safidy indraindray. Ahoana àry ny tena fomba fisafidianana ny akora manamandina hoditra ?

 Lire la suite...

Tonio amin’ny ronono ny maso vizan-dava sy mangana…

06/02/2019

Miha betsaka ny andriambavilanitra manana maso mora vizana. Azo itarafana an’izay ny faritry ny maso somary maloka be, mangana, na koa bongobongo.

 Lire la suite...

Ireo antony lehibe, tsy maintsy hanaovana “gommage”

05/02/2019

Ny fahalalan'ny besinimaro ny « gommage » dia hoe manala « peau morte » na ireo hoditra maty mandoto sy mahaela ny fipoitran’ny hoditra vaovao. Fa tena ilaina ve ny manao gommage ? Misy mantsy ireo tsy mba manao izany nefa toa tsy maninona akory. Inona avy ireo antony tena tsy maintsy hanaovana azy io ?

 Lire la suite...

Beauté

Akondro sy ronono, manatsara hodi-tava vetivety

03/12/2018

Manan-karena « antioxydants » ny akondro. Fahita mandavan-taona koa ity voankazo ity, ka azo atao tsara ny mikarakara tarehy aminy.

 

 

 Manala an’ireo sela maty izy, ary manatanora endrika ihany koa. Tsy vitan’izay fa manamandina hoditra, manaitaitra ny hoditra maloka sy vizana, ary manarina ireo hodi-tava simba sy reraka. Ahoana àry ny atao ?

 

Akondro sy siramamy

Atao ao anaty lovia kely ny akondro masaka tsara iray, sy ny siramamy vaventy 1 sotrokely. Afangaro tsara izany dia ahosotra amin’ny tarehy sady manoritra boribory. Mandritra ny dimy minitra no hanaovana izany sady kosehina moramora ihany. Kobanina avy eo.  Sady ho afaka ny sela maty no ho toy ny vaovao ny hodi-tava. Mandina ihany koa ny hoditra maina sy maloka.

 

Akondro sy ronono

Ao anaty lovia kely koa ny akondro masaka iray, ary poretina amin’ny sotrorovitra. Arotsaka ao avy eo ny « avoine » 2 na 3 sotrokely novidiana teny amin’ny pavillon Analakely.  Rarahana tantely sy ronono 1 sotro avy eo. Rehefa mifangaro tsara ireo rehetra ireo dia alona eo amin’ny tarehy mandritra ny 5 minitra. Kosehina moramora sy malefaka avy eo ary atao manoritra boribory. Kobanina amin’ny rano mangatsiaka. Raha maina sy makiana be ny hoditrao dia tsara raha soloina “crème fraiche” ny ronono.

 

 

Ando

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo