Jejoo

Dans la même rubrique

Ny fomba fikoloana tarehy sy hoditra, raha milomano matetika

15/01/2019

Rehefa hilomano dia misy ireo fihetsika amam-pahazarana tokony hatao, mba hitazonana ny hatsaran’ny hoditra. Ho an’ireo tena milomano matetika sy amin’ny fotoana raikitra kosa indray dia tena mila ovaina sy ahitsy hatramin’ny akora sy ny fahazarana atao mihitsy. Inona avy izany ny tokony hatao mba tsy ho simba ny tarehy sy ny hoditra ?

 Lire la suite...

Manala ireo faritra mangana eo amin’ny maso ny ovy

14/01/2019

Bongongo matetika ny hodi-masonao, ary mamariparitra mangana mihitsy aza izany ho an’ny sasany.

 Lire la suite...

Ireo antony tena mampikentrona ny tarehy

09/01/2019

Manaratsy endrika ny kentrona. Fihetsika tsy voatandrina fotsiny dia efa mety hahatonga ny fipoirany. Ireto no tsara ho fantatra mahakasika azy ireny sy ny fomba fiarovana ny tarehy amin’ny kentrona.

 Lire la suite...

Tamenak’atody sy tantely : manatsara ny tarehy be menaka

07/01/2019

Andairan’ny mony sady mora mangirana ny hoditra mitera-menaka na matavy. Noho ireo tavo mivoaka eo aminy no mitarika izany. Azo arindra anefa ny fivoahan’io tavy io, mba tsy ho simban’ny mony sy ny loto ny hodi-tava ary hikatona kokoa ny mason-koditra. Tamenak’atody sy tantely no vahaolana !

 Lire la suite...

Mampiankin-doha ve ny « produits » fanao amin’ny tarehy ?

03/01/2019

Maro amin’ny vehivavy malagasy no manam-paniriana te hikolokolo ny tarehy, rehefa tonga amin’ny taona sy fotoana iray.

 Lire la suite...

“Lait” sy “lotion” natoraly, ho an’ireo hoditra marefo

03/01/2019

Mila mailo sy mitandrina amin’ny akora fampiasany amin’ny tarehiny ny olona manana karazan-koditra marefo.

 Lire la suite...

Hodi-boasary sy yaourt : Manala mony sy “points noirs”

03/01/2019

Mbola misy voasary tazana eny an-tsena eny amin’izao ankatoky ny fiafaran’ny ririnina izao. Azonao araraotina tsara ny mampiasa ny hoditr’izy ireny, hanesorana tsikelikely ireo mony sy “points noirs” tavela eo amin’ny tarehinao. Ho hitanao fa hadio ny hodi-tavanao, halandina ary ho velom-bolo sy hihatanora ihany koa.

 Lire la suite...

Beauté

Antony 3 hanaovanao « blush » isan’andro …manomboka izao

30/11/2018

Manomboka izao ianao dia ho resy lahatra, fa hanatsara endrika anao isan’andro no sady tena ilainao ny fanaovana “blush” eo amin’ny laingon-tava. Tsy voatery hanao haingon-tava be sy “maquillage” manao ahoana mantsy, fa ny laingon-tava fotsiny no haingoana, dia ho manjamanja sy velom-bolo ianao hiatrika ny tontolo andro …

 

 

 

 

Mampavitrika endrika eo no eo

Raha tsapanao fa vizambizan’endrika ianao dia hamaha an’izay olana  izay ny “blush” na ny “fard à joues” hoy isika, izay apetraka eo amin’ny takolaka. Mamelombelona ny endrika izy ireny, ary manazava azy koa. Amin’ny andro mangatsiaka dia mameno hafanana sy mampibontsimbontsina endrika ny “blush”. Amin’ny andro mafana indray, dia mamelombelona sy manaitra ny tarehy malok’endrika sy vizana izy. Tandremo anefa fa tsy afotetaka ny « blush » sao vao mainka hanantitra ny endrikao sy hanimba azy indray. Raha diso be loatra, tsy natao fanahy iniana kosa indray, dia faona moramora amin’ny « pinceau » na tsindriana « poudre » kely, raha manana.

Manakelikely endrika

Azo lalaovina hanitsiana ny firafitry ny tarehy koa anefa ny “blush”.

-          Ho an’ny tarehy fisaka sy manify dia azo atao ny manome hadiry azy, amin’ny alalan’ny “blush”. Mitsikia faran’izay tratran’ny molotrao mba hiseho avokoa ny molotra. Eo amin’ny faritra farany indrindra izay midongona amin’ny takolaka eo am-pitsikiana iny no asiana blush kely dia ahosotra eo amin’ny manodidina eo.

-           Raha boribory be ny tarehy, dia “blush mat” ireny no ampiasaina. Fady ny “blush irises” satria vao mainka manome hadiry izany. Eto indray dia ny faritra milempona no asiana an’ity akora ity.

-          Ny tarehy lavalava kosa indray, dia eo atao somary mitsivalana ny fanosotra ny “blush”. Miala eo amin’ny laingon-tava, ary sintonina mihazo ny sofina.

Mety amin’ny lokon-koditra rehetra

Tombony goavana amin’ny fampiasana “blush” ny fanomezany vahana sy hatsarana ny karazan-kendrika tsirairay, tsy misy an-kanavaka. Misy ho an’ny rehetra mantsy ny “blush”.

-          Raha mazava loko ianao, somary fotsifotsy, dia ireo “blush” miloko mavokely “pastel” na “bois de rose” dia tena hanendrika anao. Hanalefaka ny endrikao izany.

-           Raha somary matromatro-doko ny endrikao, somary mangamanga na zarazara, dia ireo “blush” miloko “prune”, rose-fuschia”,  na koa mena matsatso no hanendrika anao. Mahaiza mandanjalanja tsara ny fatrany dia hanendrika hatramin’ireo mainty fihodirana aza izany.

-          Ho an’ny rehetra kosa, ary tsy manavaka fa manatsara azy rehetra ny loko “peche”, ny “corail” ary ny “orange”.

 

Ando

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo