Jejoo

Dans la même rubrique

20 taona aho, nisy lehilahy niaraka tamiko nandritra ny 4 taona.

15/02/2019

Izy no niaraka tamiko voalohany ary efa fantatry ny ray aman-dreniko ny fiarahanay. Miady foana anefa izahay dia misaraka ary farany dia tena nisaraka tanteraka.

 Lire la suite...

Nisaraka efa ho herinandro izao izaho sy ny vadiko.

13/02/2019

Mangalatra ny ao an-trano foana izy ary mamono ahy. Niteraka lahy kely iray izahay, nefa namoaka vava izy fa tsy misy iraharahiany an’izay zaza tokana. Dia lasa izahay mianaka nefa hatramin’izao aho mbola malahelo azy.

 Lire la suite...

Masiaka be ny vadiko, tsy avelany mihetsika mihitsy aho fa tsy maintsy izay tiany foana no atao.

08/02/2019

Matahotra azy aho dia manaiky tsy fidiny, nefa tsy mba mahatsapa fahasambarana mihitsy, amin'ilay voafehy loatra. Mitady ho leo aho, ka mba ampio.

 Lire la suite...

Tsy mety mitondra ahy any an-tranony mihitsy ny sipako. Tsy tiany ve aho izany, sa inona no antony ?

06/02/2019

Tsy azo hitsarana azy avy hatrany ho tsy tia anao izany, fa misy antony maro. Mety mbola vao haingana loatra no niarahanareo, raha ny fiheverany azy, ka mbola tsy fotoanany aloha izao.

 Lire la suite...

Vehivavy 23 taona aho, 32 taona ny vadiko.

05/02/2019

Bevohoka aho izao, nefa mbola tsy vonona mihitsy. Niteny tamin’ilay vadiko aho hoe : aleo esorina aloha ilay zaza, dia tezitra be tamiko izy.

 Lire la suite...

Vehivavy 25 taona aho, manambady ary manan-janaka iray.

04/02/2019

Vao niditra niasa vao haingana aho ary misy lehilahy mpiara-miasa aminay, manambady aman-janaka koa, milaza ho tia ahy. Henoko mitempo fitiavana aminy ny foko, nefa matahotra aho sao ho lasa olana be ny fiarahanay, indrindra eo amin’ny sehatry ny asa. Mba toroy hevitra.

 Lire la suite...

Ngita ny voloko ary tsy maintsy tsorina mba tsy hisavovona be.

30/01/2019

Izay foana ny taovoloko isan’andro. Miferin’aina be anefa aho rehefa avy toy izao ny orana, satria tsy maintsy simban’ny orana foana ny volo. Sao mba manana torohevitra ianareo ?

 Lire la suite...

Conseils

Bevohokan’ny lehilahy iray efa nanambady aho ary nilaozany.

29/11/2018

5 taona ilay zaza amin’izao, izy kosa tsy hita intsony mihitsy. Tamin’ny herintaona indray, nisy lehilahy niaraka tamiko ary fantany tsara fa efa niteraka aho.

 

 Efa nentiko tany amin’ny ray aman-dreniko izy ary nilaza fa haka vady ahy. Bevohokany koa aho, saingy lasa izy, fa lazainy hoe : tsy zanany ilay tao an-kiboko. Efa 3 volana ilay zaza izao ary mitovy be aminy. Antsoina io lehilahy io ary milaza ho avy foana, nefa hatramin’zao mbola tsy tonga mihitsy. Mety mbola afaka manantena azy ve aho ?

Raha lehilahy tena tia ny zanany, efa nihazakazaka ohatr’izay satria mamy izany menaky ny aina izany. Matoa izy tsy tonga hatramin’izao, dia misy zavatra heveriny ho lehibe kokoa noho ilay zanany. Araka izany, fahendrena ny tsy manantena azy intsony. Ny fiainanao sy ny an’ireo zanakao no ezaho izay hahatsara azy, dia isintony anatra ireo sedra efa nahazo anao ireo, izany hoe : aza manakim-po vetivety loatra amin’ny lehilahy tsy azo antoka. Raha toa anefa ka maniry ny hijery an-janany ireo lehilahy ireo, dia tsy dia zonao loatra ny manakana, satria manan-jo hahafantatra ny rainy ny ankizy rehetra. Na izany aza, apetraho ny fepetra, satria ianao no tompon’antoka voalohany amin’ny fiainan’ny zanakao. Isan’ny fepetra tsara raisina, ohatra, raha te hiditra amin’ny fiainan’ilay zaza ilay lehilahy, ny fanjanahany azy, izay mamatotra azy araka ny lalàna, fa tsy maintsy manatanteraka ny adidiny amin’ny zanany izy.

 

Tsy miraharaha ahy mihitsy ny olon-tiako, tsy mandefa sms intsony. Rehefa noteneniko izy dia nilaza fa tsy manana “credit”.  “Rappelle-moi” na “bip” anefa, hoy aho taminy dia mety. Tsy nandefa koa izy. Rehefa noteneniko indray izy dia nolazainy fa tsy matoky azy mihtsy aho sady mila vaniny. Dia nisarahako izy satria tsy zakako ilay tsy raharahina, nefa izy mbola tiako. Inona no tokony ataoko ? Mety mitombina ve ny teniny ?

Raha olona tena tia dia mandefa “signe” kely amin’ny olon-tiany foana, in-dray mandeha isan’andro. Mety antso io, sms, na hafatra anaty Facebook… Mety mitombina ihany angamba ilay hoe : tsy misy fahana, saingy araka ny voalazanao, azo atao ny mandefa ireny tolotra tsy andoavam-bola ireny. Fomban’ny lehilahy sasany io mamototra ny olana any amin’ny olona miaraka aminy io, satria fantany fa mety ho voarebirebin’izany ny sain’ilay vehivavy. Rariny ny anao raha nisaraka taminy, satia tena tsy miraharaha anao tokoa izy, ka aza asiana nenina akory. Atreho ny fiainanao ho avy, fa tsy mendrika ny hitomaniana akory izy.

 

Niaraka tamina lehilahy aho, efa-bolana izao. Nisy vehivavy niantso anefa aho, nilaza fa vadiny ary toriany, hono aho, fa manadala ny vadiny ary tsy amelany raha tsy migadra. Izaho anefa tsy nahalala akory fa efa manam-bady izy. Matahotra be aho.

Mety mampigadra tokoa ny fiarahana amin’ny vadin’olona, saingy tsy ianao irery no midoboka amin’izany, fa ilay lehilahy koa, raha toa ka sazy an-tranomaizina tokoa no mivoaka eny amin’ny fitsarana. Amin’ny ankapobeny, fampitahorana ihany io ataon’ilay vehivavy io, mba hampisarahana anao amin’ilay lehilahy, fa tsy hitory loatra akory izy. Na izany aza, efa fantatrao izao ny marina, dia aleo misaraka, sao tena manana porofo ahafahana mitazona anareo tokoa ilay vehivavy.

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo