Jejoo

Dans la même rubrique

Manovanova “produits” : manimba tarehy ve ?

07/12/2018

Azo atao ve ny manovanova ny akora ampiasaina amin’ny tarehy ? Manimba tarehy ve ny fihetsika tahaka izany sa mampifameno ireo akora isan-karazany ? … Maro amin’ny vehivavy no mifanontany mahakasika izany. Indro àry ny fanazavan’ny matihanina rehefa nanontanianay izany …

 Lire la suite...

Te ho tsara tarehy amin’ny fety : Ny tokony atao dieny izao!

06/12/2018

Tapa-bolana mialohan’ny fetin’ny krismasy sy ny faran’ny taona isika izao. Betsaka no mihevitra fa ao anatin’ny fety mihitsy vao hikarakara endrika sy bika kely. Nodisoin’ny matihanina izany. Nambaran’izy ireo mantsy, fa dieny izao dia efa mila koloina ny hoditra hahazoana endrika tena miavaka amin’ny fety …

 Lire la suite...

Manomana ny hoho ho lava sy matevina tsara, hiatrika ny fety…

05/12/2018

Ho avy izao ny fety ka mba te hanana hoho lavalava sy maniry tsara ianao. Tianao ihany koa raha mba matevina tsara izy ireo ka tsy voatery hanao “faux ongles” intsony fa avy dia ny hohonao mihitsy no hiangaliana an’ireny karazana fanaingoana hoho na “nail’s art” ireny. Mbola tsy tara ianao raha izao dia efa manomana ny hoho hiatrika ny fety. Ireto ny torohevitra …

 Lire la suite...

« Lentilles » atao foto-tsakafo : Sady mahasalama no mampihena

04/12/2018

Voka-pikarohana iray avy any Canada, no namoaka fa tsara kokoa raha soloina « lentilles » ny vary fotsy sy ny ovy, indrindra ho an’ireo olona voan’ny diabeta na ahiana ho voan’izany. Fantatra fa tsy mampivondraka ity haninkotrana ity, no sady mahasalama tsara ihany koa.

 Lire la suite...

Akondro sy ronono, manatsara hodi-tava vetivety

03/12/2018

Manan-karena « antioxydants » ny akondro. Fahita mandavan-taona koa ity voankazo ity, ka azo atao tsara ny mikarakara tarehy aminy.

 Lire la suite...

Concours miss princesse, petite princesse et petit prince : Araho an-tsary ny fifanintsanana natao omaly

03/12/2018

Tao anaty hafanam-po tanteraka no niatrehan'ireo ankizy ny dingana fifanintsanana voalohany, natao omaly, ao anatin'ilay fifaninana Petit Prince sy Petite Princesse ary Miss Princesse iarahana amin'ny Charm'Elle Beauté.

 Lire la suite...

Antony 3 hanaovanao « blush » isan’andro …manomboka izao

30/11/2018

Manomboka izao ianao dia ho resy lahatra, fa hanatsara endrika anao isan’andro no sady tena ilainao ny fanaovana “blush” eo amin’ny laingon-tava. Tsy voatery hanao haingon-tava be sy “maquillage” manao ahoana mantsy, fa ny laingon-tava fotsiny no haingoana, dia ho manjamanja sy velom-bolo ianao hiatrika ny tontolo andro …

 Lire la suite...

Beauté

Teknika natoraly mampangirana hoho, tsy mila « vernis »

29/11/2018

Tsy mora ary sarotra ananana izany hoho mangirana, kanefa tsy nosorana “vernis” izany. Rehefa tsy manosotra “vernis”

 

 

 mantsy ny ankamaroan’ny vehivavy dia mamela malalaka an’ireo hohony hiaina amin’izao. Misy anefa ny fikoloana tokony hatao mandritra iny fotoana fitsaharana amin’ny “vernis” iny, mba hahatonga ireo hoho ho salama tsy hiankin-doha amin’ireny akora ireny. Raha tsy izany dia ho mora tapaka, manjonitra, komavoka … izy ireo. Ahoana ary ny atao hampangirana ny hohonao, na misy na tsy nasiana vernis ?

Hamandinina

Raha te hanana hoho madio sy mangirana lalandava, na tsy misy “vernis” aza, dia ataovy loha-laharana ny fanamandinana sy fikarakarana ny tanana. Rehefa ampy singana menaka sy rano any anatiny mantsy ny hoho, dia malandina sy malama ho azy. Isa-kariva mialoha ny hatory dia hosory menaka na “crème” fanosotra ho azy manokana ny tananao sy ny rantsana. Atao somary mipaka hatreny amin’ny hoho izany. Raha toa anefa ka manana olana mihitsy ny hohonao, na tena tianao hilofosana manokana ny hoho, dia tsara raha mividy an’ireny “huile special ongle et cuticule” ireny, ahosotra amin’ny sisin-koho sy ny vatany manontolo. Mety koa ny “crème pour cuticule”.

Mampiasa “pollisoir”

Ny “pollisoir” kosa indray no fitaovana kely fikosehina ny hoho, ilaina ananana ao an-trano. Na hihosotra “vernis” ianao na tsia, dia ilaina ny fampiasana “pollisoir” rehefa avy nanadio tanana. Mampangirana hoho no asan’ny “pollisoir”. Mahasolo an’ireny “top coat” na “vernis” tsy miloko; hosorana amin’ny hoho mialohan’ny “vernis” ireny mantsy izy itony. “Pollisoir” malefaka, malama ary manala ny loto sy mampivoaka ny kalitaon’ny keratina eo amin’ny tampon-koho no ampiasaina. Tandremo anefa fa indray mandeha isa-kerinandro, raha be indrindra ary in-droa isam-bolana raha ela, no tokony hanaovana izany. Somary lalovana an’ilay “polissoir” atao somary haingana, miankavia no miankavanana ny hoho. Tsy tsindriana be akory fa lalovana. Eo no eo dia hitanao ny vokany. Fotsy botsiaka ny hoho, madio, mihiratra sady mangiloilo. 5 hatramin’ny 6 andro eo no faharetany.

 

Ando

 

 

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo