Jejoo

Dans la même rubrique

Azo atao ve ny misara-bady raha sendra olona tsy anjara?

23/05/2019

Toe-javatra iray tsy eken’Andriamanitra mihitsy fisaraham-panambadiana. Rehefa nanam-bady ny olona iray dia tokony hizaka izay vokatry ny safidiny.

 Lire la suite...

Tsy miraharaha ahy mihitsy ny sipako nefa izaho tia be azy.

22/05/2019

Henoko fa misy vehivavy adalainy any am-pianarany any. Mijaly aho fa mba toroy hevitra.

 Lire la suite...

Ahoana no hahafantarana fa anjara ny olona iray?

22/05/2019

Araka ny efa voalaza tamin’ny torohevitra teo aloha dia tsy izay fanambadiana tanteraka rehetra no atao hoe : anjara. Indraindray dia mety ho vokatry ny safidin’ny olombelona no nahatanteraka ny fanambadiana ka mety tsy ho tomombana izany fa hisy ny fikorontanana.

 Lire la suite...

Torohevitry ny mpitsabo hiatrehana hatsiaka

22/05/2019

Efa ankatoky ny ririnina isika amin’izao fotoana izao, raha ny toetry ny andro no jerena. Indro ny torohevitry ny mpitsaboa amin’ny tokony atao mandritra io vanim-potoana io sy ho fisorohana ny mety hipoiran’ny aretina mifandraika amin’io vanim-potoana io.

 Lire la suite...

Inona no sakafo mahangeza vetivety fa tena kely loatra aho ka mba te hitombo haingana ?

21/05/2019

Sady ny tena mampalahelo ahy dia kianin’ny olon-tiako foana aho amin’ny hakeliko ary asainy manao “régime”.

 Lire la suite...

Tsy izay fanambadiana tanteraka rehetra no atao hoe : anjara

21/05/2019

Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny vady. Araka ny efa voalaza tamin’ny torohevitra teo aloha dia tsy ny olona rehetra no nantsoin’Andriamanitra hanam-bady.

 Lire la suite...

Voalahatra hatrany am-pahariana ve ny vady ?

20/05/2019

Raha ny fomba namoronan’Andriamanitra ny olona dia tsy ny fanambadiana no tanjona voalohany eto ambonin’ny tany. Tsy mitovy mihitsy ny tso-drano nomen’Andriamanitra ny olombelona sy ny biby mikasika ny fanambadiana.

 Lire la suite...

Conseils

Misy lehilahy izay any milaza ho tia ahy, izaho koa tia azy, nefa menatra be aho.

28/11/2018

Ahoana no atoko mba ahafahanay miresaka tsara satria tena te hiresaka be aminy mihitsy aho ?

 

Ezaho fantarina aloha izy, ataovy mangina ny fanadihadianao momba azy : inona ny zavatra tiany sy mahaliana azy ? Aiza ny toerana mety hahitana azy matetika… Efa tombony ho anao ny fahafantarana fa liana aminao koa izy, ka manatona azy rehefa hitanao izy. Efa manana resaka horesahana aminy rahateo ianao amin’izay, satria efa mahalala izay tiany sy mahaliana azy. Mila fahasahiana sy finiavana kely fotsiny sisa.

 

Misy lehilahy tiako izay any, fa izy miaraka amin’ny namako. Tsy tiany anefa io namako io, fa izaho no tiany. Ilay namako no misisika be hanohy hiaraka aminy foana. Inona no tokony ataoko ?

Matoa izy miaraka amin’io vehivavy io dia misy antony ao, fa raha tena tsy tiany tokoa io dia, na tsy niarahany mihitsy, na efa nisarahany, eny na dia misisika tahaka ny inona aza. Araka izany, tsaratsara kokoa aminao ny tsy mitady ny hiaraka amin’io lehilahy io. Fanajan-tena izany sady fanajana ny fihavanana misy eo aminao sy ilay namanao. Raha tsy zakanao ny mahita azy roa miaraka dia mihataha kely, aza mifanerasera be amin-dry zareo intsony, saingy aza miavonavona kosa na miady aminy. Sady ratsy eo imason’ny olona foana koa izany mpinamana mifandimby olon-tiana izany, ka tsy aleo ve miandry izay ho anjaran’ny tena ?

 

Manana namana vehivavy ny olona niaraka tamiko. Hafahafa anefa ny fihetsik’ilay vehivavy aminy, ka ninoako fa niaraka ry zareo, nefa ilay olon-tiako nandà izany foana. Nisarahako izy, satria tsy matiko lolo ilay izy. Ilay vehivavy koa niezaka ny nandray ahy ho namana foana. Te hifamerina izahay amin’izao, nefa samy matahotra. Mba omeo vahaolana.

Raha toa ka samy mbola tena tia marina ianareo dia mila mifanatona sy mifampiresaka. Tandremo anefa fa tsy azonao atao ny manakana azy tsy hifanerasera amin’ilay vehivavy iray, raha toa ka tena mpinamana fotsiny marina izy ireo. Tsy maintsy hahay mampandry ny sainao rahateo izy, raha toa ka tena tiany tokoa ny hifamerenanareo. Tokony hazava tsara aminao mihitsy ny tena fifandraisan’izy ireo marina ary ianao kosa, tsy tokony handefa saina lavitra loatra sy ho diso saro-piaro loatra. Aza mora entim-po koa fa manjary tsy hitombina mihitsy ny fiainam-pitiavanao.

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo