Jejoo

Dans la même rubrique

Ranona solila, manadio taova taorian’ny fihinanana sakafo matsiro

26/12/2018

Rehefa avy nihinana sakafo matsiro nandritra ny fetin’ny Noely teo dia tsara raha diovina ny taova rehetra ao anaty ao, mba tsy hiandrona any ny poizina sy ny menaka ratsy ary ny tavy. Mety hampirongatra ny karazana aretina toy ny aretin’aty, aretim-bavony mantsy ny sakafo izay lany nandritra ny fety.

 Lire la suite...

Ronono nasiana chocolat blanc : mampitony, mampidina tosi-drà, mahatanora …

05/12/2018

Tena mety amin’izao vanim-potoana avy orana izao ity zava-pisotro vita amin’ny sôkôla fotsy ity. Rehefa harivariva avy orana sy reraky ny tontolo andro iny dia tena mampitony sy manala ny rarin-tsaina izy ity. Tena tsara ho an’ny fo izy ity ary mampidina ny tosi-dra ihany koa. Eo ihany koa ny tsirony izay tena miavaka ka hahafahana manadino ny sorisory nandritra ny tontolo andro.

 Lire la suite...

Arovy amin’ny homamiadana ny vatana…misotroa jus karaoty sy mananasy

21/11/2018

Tsy fahita loatra ny ranom-boankazo amin’ny mananasy sy ny karaoty indray miaraka. Azo atao soa aman-tsara anefa izany ary mampalefaka ny tsirony aza ny fanampiana tamotamo amin’izany ranom-boankazo izany. Ankoatra ny hatsaran’ny tsirony dia mahasalama ity ranom-boankazo ity.

 Lire la suite...

Zava-pisotro amin’ny akondro sy voanio, mampitony rarintsaina…izao atao!

14/11/2018

Ny adin-tsaina no isan’ny manimba ny fahasalamana voalohany indrindra. Raha te ho salama dia tokony hiezaka handanjalanja izany, araka izay azo atao.

 Lire la suite...

Ranona laisoa sy karaoty, miady amin’ny kolesteroly sy ny homamiadan’ny nono

31/10/2018

Ny zava-pisotro vita amin’ny laisoa dia sady mahasalama sady mahatsara hoditra. Manan-karena otrikaina mantsy izy ity. Miaro amin’ny aretina samihafa toy ny homamiadana izy amin’izany ary miady amin’ny menaka ratsy ao anatin’ny vatana koa.

 Lire la suite...

“Anti-âge” amin’ny sakamalaho sy solila

24/10/2018

Akora miady amin’ny fahanterana sy manafina ireo lesoka aterak’izany ny “anti-age”. Ho an’ireo izay tsy tia mihosotra akora simika amin’ny hoditra anefa dia azo atao soa aman-tsara ny manamboatra ity akora natoraly ity, ka sotroina indray izany eto fa ahosotra. Andramo anie fa ho mandina tsara ny hoditrao ary ho tsara kalitao ihany koa.

 Lire la suite...

Jus karaoty sy seleri : ho an’ireo tsy ampy rà

17/10/2018

Rehefa mihena ny tahan’ny sela mena ao anatin’ny vatan’ny olombelona dia mety ho tratran’ ny tsy fahampiana rà izy. Raha vao mahatsiaro ho reraka foana, mihintsana ny volo, tapatapaka ny hoho, ary mihafotsy hatsatra dia tokony hanatona dokotera avy hatrany. Raha efa manaraka fitsaboana koa aza, dia mbola hanampy ity zava-pisotro iray ity.

 Lire la suite...

Boisson

Ranom-boankazo asiana betiravy : Afaka isorahana gripa, aretim-po, …

28/11/2018

Ny voakanzo mandrafitra ity zava-pisotro iray ity dia samy manan-karena otrikaina avokoa. Ny fitambaran’ny voka-tsoa entin’ireo akora rehetra ireo dia tena mahasalama ny vatana ary misoroka ny karazana aretina. Ankoatra izay dia mampatanjaka ihany koa ity zava-pisotro ity.

 

 

 

 

Akora ilaina

-          Betiravy 1kg

-          Tantely 100g

-          Voasary 3

-          Karaoty ½ kg

-          Paoma 3

-          Voasarimakirana 1

-          Tavoahangy vera 1

 

Fikarakarana

Sasana madio tsara ireo akora rehetra ary voasana sy tetehina araka izay mampety azy tsirairay avy.

Miaraka potserina anaty “mixeur” ireo akora rehetra.

Rehefa mahazo ranom-boankazo dia araraka ao anatin’ilay tavoahangy ary tehirizina ao anaty vata fampangatsiahana.

Sotroina isa-maraina, adin’ny iray mialoha ny sakafo ity zava-pisotro ity ka tapaky nyvera isan’andro no sotroina.

 

Ireo voka-tsoa

Ø  Manan-karena mineraly, vitamina ary “antioxydants” ny betiravy ka misoroka ny aretin’ny fo sy ny lalan-dra.

Ø  Mampakatra ny hery fiarovana ao anatin’ny vatana ny tantely noho izy ahitana kalsioma, fer, manezioma ary faosfaoro.

Ø  Ambony ny fatran’ny vitamina B1, B5, B9, C ary kalsioma ao anatin’ny voasary ka miady amin’ny fahanterana aloha loatra izany.

Ø  Mampakatra ny hery fiarovana, miady amin’ny rarin-tsaina, misoroka ny mikraoba samihafa ny otrikaina ao anatin’ny karaoty.

Ø  Ankoatra ny vitamina sy ny mineraly dia manan-karena fibra ny paoma ka mahamandina ny hoditra sy manamora ny fiasan’ny taovam-pandevonan-kanina.

Ø  Misoroka ny karazana aretina toy ny gripa, ny fiakaran’ny tosi-dra ny voasarimakirana ary manamora ny fiasan’ny taovam-pandevonan-kanina.

 

Meva

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo