Jejoo

Dans la m麥e rubrique

Fahadisoana 4 tsy tokony atao intsony

15/01/2019

Misy fomba fiheverana malaza izay manao hoe : tsy misy vehivavy tsy liana amin地y firaisana ara-nofo, fa ny lehilahy tsy mahay mampianoka no misy.

 Lire la suite...

Mifampijery anaty maso, mampitombo ny fahafinaretana

14/01/2019

Matetika ny mpifankatia no mitady hevitra sarotra, mba hanomezana tsiro miavaka ny firaisana ara-nofo. Isan段zany ny fitadiavana paozy miala amin地y mahazatra. Tsy voatery anefa, fa misy mahatsara azy ny fomban-drazana : afaka mifampijery anaty maso. Mitondra fahafinaretana hafa mantsy io fifampijerena anaty maso io, mandritra ny fifampizar瀟地y olon-droa :

 Lire la suite...

Fanapahan-kevitra 3 manatsara ny fiainam-pananahana

08/01/2019

Rehefa miandoha ny taona dia miezaka mandray fanapahan-kevitra tsara, na mametraka tanjona sy vina hotratrarina ny ankamaroan地y olona.

 Lire la suite...

Firaisana ara-nofo : Manana ny tsirony koa ny fahazarana !

18/12/2018

Rehefa miresaka firaisana ara-nofo, dia maz瀟a ny fitadiavana izay fomba hahatsara kokoa hatrany an段zany no tena omen-danja. Voateny foana, ao anatin段zany, fa ilaina ny manovaova ny fahazarana, mba tsy hankaleo. Adino, fa misy vokany tsara ihany koa ny fahazarana...

 Lire la suite...

Misy faritra 3 tsy ampoizina mampientana ny lehilahy !

20/11/2018

Amin地y ankapobeny, ny faritry ny taovam-pananahan地y lehilahy avy hatrany no kitihantsika vehivavy, rehefa te hanaitra ny lehilahy.

 Lire la suite...

Savaranonando, azo atao tsisy tanana !

13/11/2018

Tsy ny vehivavy ihany akory no mila an段lay savaranonando, fotoana natao hanaingana ny fil瀟a sy hampiakatra tsara ny mari-pana, mialohan地y tena firaisana ara-nofo.

 Lire la suite...

Misy lal瀟a mahatsikaiky mamehy ny firaisana ara-nofo

06/11/2018

Tena zava-dehibe izany firaisana ara-nofo izany, ka tsy azo ataotao foana. Izany koa no mahatonga ny lal瀟a ho sarotiny amin段reo tsy manaja ny maha-olona,

 Lire la suite...

Sexo

Lehilahy manolana ny vadiny, tsy azo avela fotsiny amin段zao !

27/11/2018

Nomarihina ny 25 novambra lasa teo ny andro eran-tany ho famongorana ny herisetra atao amin地y vehivavy, ary ao anatin地y 16 andro, manomboka eo amin段o daty io hatramin地y 10 desambra,

andro eran-tany ho an’ny zon’olombelona, dia misy hatrany ny hetsika hiadiana amin’izay herisetra mahazo ny vehivavy izay. Isan’ny karazana herisetra iainan’ny vehivavy maro ny herisetra ara-nofo, izay miseho amin’ny endrika fanolanana, mazàna. Na eo amin’ny mpivady aza dia misy an’izany herisetra izany ihany koa…

Tsy eken’ny fiarahamonina

Amin’ny ankapobeny, sarotra ho an’ny fiarahamonina ny manaiky, fa naolan’ny vadiny ny vehivavy anankiray. Mazàna mantsy no heverina fa adidin’ny vehivavy ny manaiky hiray ara-nofo amin’ny vadiny ary tsy manana zo handà ny vehivavy rehefa ny lehilahy no mangataka an’izany. Na ilay vehivavy niharan’ny herisetra ara-nofo aza, amin’ny ankapobeny, dia tsy mahasahy manaiky akory fa voaolana, rehefa noteren’ny vadiny hiray aminy. Eo mantsy aloha ny henatra, satria ny vehivavy voaolana rehetra dia mandalo an’izay henatra izay daholo ; eo koa ny fanamelohan-tena, satria maro no mihevitra hoe : « noho ny nataoko ihany no nahavoaolana ahy », fa eo ihany koa ny tsindrin’ny fiarahamonina, izay araka ny efa voalaza teo, tsy manaiky loatra fa herisetra ara-nofo ny ataon’ny lehilahy manery ny vadiny hiray.

Rehefa tsia dia tsia

Misy fomba fiheverana anankiray koa manao hoe : rehefa ny vehivavy no manao “tsia” dia “eny” no dikan’izay. Tsy izany anefa fa rehefa tsia dia tsia ! Araka izany, mila hentitra ny vehivavy rehefa mandà tsy hiray amin’ny vadiny. Tokony hahatsapa mantsy fa zo izany, ka tsy misy na iza na iza afaka manery ny hafa hiray ara-nofo. Mba ho fanajana an’ilay vady kosa dia tsara raha manome fanazavana tena mitombina, fa tsy mandà azy fotsiny ary am-panajana no hanaovana an’izany. Raha mbola manery ihany ilay lehilahy dia tsy tokony ho menatra na hatahotra ny hiantso vonjy. Ny tsy azo adinoina dia anao ny tenanao, noho izany, tsy misy na iza na iza tokony ho afaka mikasika azy, raha tsy omenao alalana.

Sao misy olana ?

Fa na izany na tsy izany, raha mitohy lavareny ny tsy fanananao faniriana te hiray amin’ny vadinao, dia misy olana tokony hovahana ao, mba tsy hahatonga ny disadisa ao an-tokantrano. Jereo akaiky, sao manana olana ara-batana na ara-pahasalamana ianao, toy ny fahamainan’ny fivaviana, izay mety ho vokatry ny fikorontananan’ny tsiry mpanentana, nefa mety ho vokatry ny aretina, na ny fanafody nohanina. Tsara raha manatona dokotera “gynécologue”, hijery akaiky ny momba izany. Fantaro ihany koa, sao lafiny ara-tsaina na ara-pihetseham-po no mahatonga anao tsy hanana faniriana ara-nofo, toy ny hoe : mifamaly matetika ianareo mivady, na misy olana hafa tsy mbola voavaha teo aminareo fa nampanginina sy nodiana fanina fotsiny…

Fa ny tena zava-dehibe dia ny fitenenana rehefa tratran’ny fanolanana, eny, na ny vady ao an-trano aza no nahavita izany. Tsy azo avela hangina fotsiny ny herisetra, fa manjary lasa fahazarana ho an’ny mpampihatra azy, raha tsy voasazy tamin’ny zavatra ratsy nataony izy.

 

Ftyia

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo