Jejoo

Dans la même rubrique

Manatsara bika any am-piasana

15/01/2019

Tsy manam-potoana firy atokana mba hanaovana spaoro ny olona miasa birao. Tena ilaina anefa izany. Ireto misy paipaika vitsivitsy hahafahanao manao spaoro na dia ao am-piasana ihany aza.

 Lire la suite...

Manatsara bika aorian’ny fety

08/01/2019

Hanampy anao hanintsana ireo lanja azo nandritra ny fety ireto fampihetseham-batana tsotra ireto. Ny tombony dia mampiasa ny faritra rehetra amin’ny vatana izy ireto.

 Lire la suite...

Mahaela velona ny fampihetseham-batana japoney, azo tahafina tsara !

18/12/2018

Malaza amin’ny fahaizany mitaiza vatana sy bika ny japoney satria efa tafiditra ao anatin’ny kolotsain’izy ireo rahateo izany.

 Lire la suite...

Manala ireo tavy miandrona ambany helika

11/12/2018

Azo esorina ny tavy eo amin’ny lamosina. Ireo miandrona eo ambanin’ny helika sy izay amin’ny andaniny roa amin’iny valahana iny dia azo foanana tsikelikely ihany koa . Ireto fampihetseham-batana ireto fotsiny no ataonao matetika.

 Lire la suite...

Fampihetseham-batana ho an’ny ankizy kely

04/12/2018

Tsy ny lehibe ihany no tokony hanao fampihetseham-batana fa dieny vao kely ny ankizy dia efa tsara hanmpanaovina izany.

 Lire la suite...

“Cardio training” atao ao an-trano, 10 minitra isan’andro dia mihena !

20/11/2018

Fitaizam-batana 10 minitra isan’andro dia ampy mba hikoloana ny vatana sy hahazoana bika tsara rafitra. Ireto atoro anao manaraka ireto ny santionany amin’ny fampihetseham-batana tsara atao amin’izany.

 Lire la suite...

Ny fiakanjo tena mety raha hanao spaoro

13/11/2018

Mba ho vita tsara araka ny tokony ho izy ny fanantajahantena atao dia tsara raha manao akanjo mampahazo aina tsara rehefa manao spaoro. Toy ny ahoana tokoa no tena fitafy mety raha hanao spaoro ?

 Lire la suite...

Forme

Mamerina ny nono fisaka sy miroraka ho dongadonga

27/11/2018

Azo atao tsara ny manalehibe ny tratra na ny nono somary fisaka amin’ny alalan’ny fampihetseham-batana. Mila manao izany matetika fotsiny.

 

Fampihetseham-batana 1

Mila dabilio sy « haltères » na tavoahangin-drano milanja 1 kilao avy. 

Matory eo ambonin’ilay dabilio fa atao mitehaka amin’ny tany ny tongotra.  Hatsotra ambony ny tanana roa mitazona ilay “haltères”. Aforitra ny kiho avy eo sady sintonina hivoaka tsara hanalavitra ny vatana ny kiho. Averina im-10 izay fihetsika izay ary izay no andiany iray. Miato kely dia mamerina andiany iray hafa. Tokony mahavita andiany 4.

Fampihetseham-batana 2

Eto indray dia “tapis” no ilaina. Matory amin’ny kibo aloha dia akarina ny vatana sady atsotra be ny tanana. Ny lohan-tongotra kosa no itehenan’ny tongotra. Raha efa izay dia aforitra ny kiho sady ampidinina ny vatana dia averina hiakatra indray. Atao tsara misy misintona ao aorian’ny lamosina miantraika amin’ny tratra.  Izay fihetsika izay no averina in-10 isaky ny andiany. Manao andiany 4.

Fampihetseham-batana 3

 Miverina matory eo ambonin’ilay dabilio teo indray.  Mitazona “haltères” na tavoahangin-drano izay zaka isaky ny tanana. Akarina ny tanana. Tsy tena atsotra be akory izy eto.  Alatsaka amin’ny andaniny roa amin’ny vatana, toy ny hoe “hitarina hivelatra ny tratra” dia averina amin’ny paozy niaingana. Izay fihetsika izay no averina im-15 isaky ny andiany. Manao andiany 4.

Raha vitanao matetika ireo, indroa na in-telo isa-kerinandro ohatra, dia ho hitanao fa hisy fiovana ny tratranao.

 

Lilou

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo