Jejoo

Dans la même rubrique

20 taona aho, nisy lehilahy niaraka tamiko nandritra ny 4 taona.

15/02/2019

Izy no niaraka tamiko voalohany ary efa fantatry ny ray aman-dreniko ny fiarahanay. Miady foana anefa izahay dia misaraka ary farany dia tena nisaraka tanteraka.

 Lire la suite...

Nisaraka efa ho herinandro izao izaho sy ny vadiko.

13/02/2019

Mangalatra ny ao an-trano foana izy ary mamono ahy. Niteraka lahy kely iray izahay, nefa namoaka vava izy fa tsy misy iraharahiany an’izay zaza tokana. Dia lasa izahay mianaka nefa hatramin’izao aho mbola malahelo azy.

 Lire la suite...

Masiaka be ny vadiko, tsy avelany mihetsika mihitsy aho fa tsy maintsy izay tiany foana no atao.

08/02/2019

Matahotra azy aho dia manaiky tsy fidiny, nefa tsy mba mahatsapa fahasambarana mihitsy, amin'ilay voafehy loatra. Mitady ho leo aho, ka mba ampio.

 Lire la suite...

Tsy mety mitondra ahy any an-tranony mihitsy ny sipako. Tsy tiany ve aho izany, sa inona no antony ?

06/02/2019

Tsy azo hitsarana azy avy hatrany ho tsy tia anao izany, fa misy antony maro. Mety mbola vao haingana loatra no niarahanareo, raha ny fiheverany azy, ka mbola tsy fotoanany aloha izao.

 Lire la suite...

Vehivavy 23 taona aho, 32 taona ny vadiko.

05/02/2019

Bevohoka aho izao, nefa mbola tsy vonona mihitsy. Niteny tamin’ilay vadiko aho hoe : aleo esorina aloha ilay zaza, dia tezitra be tamiko izy.

 Lire la suite...

Vehivavy 25 taona aho, manambady ary manan-janaka iray.

04/02/2019

Vao niditra niasa vao haingana aho ary misy lehilahy mpiara-miasa aminay, manambady aman-janaka koa, milaza ho tia ahy. Henoko mitempo fitiavana aminy ny foko, nefa matahotra aho sao ho lasa olana be ny fiarahanay, indrindra eo amin’ny sehatry ny asa. Mba toroy hevitra.

 Lire la suite...

Ngita ny voloko ary tsy maintsy tsorina mba tsy hisavovona be.

30/01/2019

Izay foana ny taovoloko isan’andro. Miferin’aina be anefa aho rehefa avy toy izao ny orana, satria tsy maintsy simban’ny orana foana ny volo. Sao mba manana torohevitra ianareo ?

 Lire la suite...

Conseils

Vehivavy 16 taona aho. Misy lehilahy miaraka amiko, tena tiako.

22/11/2018

Nilaza tamiko anefa izy fa mila vehivavy virjiny, saingy izaho tsy virjiny intsony.

 

 Raha tena tia anao izy dia tsy hanan-danja be aminy izany maha-virjiny na tsia izany. Rehefa hitany ianao fa vehivavy manana ny hasinao sy mendrika ny fitiavany dia tsy hametraka olana izy. Matoa izany manahirana azy dia tsy ampy ny fatran’ny fitiavany anao. Fadio kosa anefa ny mandainga aminy, fa raha manontany anao izy dia aleo mitsotra ny marina. Tsy maharitra ny fitiavana miorina eo ambony lainga, satria amin’ny fotoana hahatrarany ny marina dia tsy hatoky anao intsony izy.

 

Misy lehilahy izay, mahafinaritra ahy efa elabe. Midobodoboka be foana ny foko isaky ny mahita azy. Tiako ve izy izany sa fitsiriritana fotsiny ?

Manandrama mieritreritra io olona io, alefaso any aminy fotsiny ny sainao dia nofinofiso izay tianao atao miaraka aminy. Mieritreritra fiarahana lavabe, mariazy, zanaka, trano iombonana… ve ianao ? Raha izany no izy dia tena latsa-pitia tanteraka aminy ianao. Mieritreritra oroka sy safosafo ary firaisana ara-nofo ve ianao ? Raha izany fotsiny dia fitsisriritana sy filàna ilay izy, fa raha toa kosa ka miaraka amin’ilay fitiavana be sy ho avy mahafinaritra izany, dia tena latsa-pitia lalina marina ianao.

 

Lehilahy 42 taona aho, manambady ary manan-janaka 2. Efa in-droa no nisaraka tamiko ilay vadiko, fa niverina ho azy ihany ary noraisiko noho ireo zaza. Ny tena olana dia tereny hanome vola ny rafozako aho, ka izay no mampiady lava anay. Amin’izao, mifankatia amina vehivavy iray aho ary efa matetika mody any. Tsy miray ara-nofo intsony koa izaho sy ny vadiko. Mety ve izany ataoko izany, satria ny zanako no tsinjoviko, ka izay no tsy isarahako amin’ilay vadiko ?

 Tsy hahalasa anao lavitra ny fizarazarana amin’olon-droa toy izao fa tsy maintsy mila manao safidy ianao. Hevero fotsiny fa raha toa ka te haka vady ilay olon-tianao ianao dia tsy ho afaka ny hanao izany mihitsy. Anao ihany anefa ny safidy satria ianao no mahalala ny fomba fifandraisanao amin’ny tsirairay amin’izy roa vavy. Raha toa ka heverinao fa afaka mifanaraka tsara ianareo telo, amin’izao fomba iainanareo izao dia angamba tsy hisy loatra ny olana. Saingy tsy maintsy hihalehibe ilay zaza ary hahafantatra ny zava-misy. Ho sarotsarotra ny hanazava aminy fa fiarahamonina fotsiny ny anao sy ny reniny, fa ny fitiavanao dia any an-kafa. Etsy an-daniny, tsy azo itadiavam-bahaolana mihitsy ve ilay olanareo ? Tadidio foana fa mila mitady marimaritra iraisana ny mpivady rehefa misy ny olana, izany hoe : mifandefitra. Raha toa ohatra ka mangataka aminao ny vadinao mba hanome 10.000 Ar isam-bolana ireo rafozanao, dia mety mba afaka manme 5.000 Ar isaky ny roa volana ianao. Adidinareo mivady rahateo ny manao valim-babena ho an’ny ray aman-dreny, na ny an’ny an-daniny na ny an’ny an-kilany.

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo