Jejoo

Dans la même rubrique

Mety ho bevoka ve raha toa ka efa “17ème jour” aorian’ny “règle” no manao firaisana ara-nofo ?

06/12/2018

Raha toa ka 28 andro no isan’ny andro ao anatin’ny tsingerim-bolanao dia eo amin’ny faha-14 andro izany no andro mahalonaka anao.

 Lire la suite...

Roa volana lasa izay, bevohokan’ny sipako aho dia nasainy noesorina ilay izy.

04/12/2018

Narahiko ny sitrapony, nefa amin’izao, lasa tsy miraharaha ahy mihitsy izy. Inona no ataoko fa izaho efa nanao fahotana vokatry ny fitiavana azy, nefa toa lasa tsy tiany intsony ?

 Lire la suite...

Vehivavy tsy dia nianatra loatra aho no sady zanak’olona sahirana.

03/12/2018

Ny lehilahy miaraka amiko anefa sady manankarena no nahita fianarana. Milaza ho tia ahy izy nefa tsy tena tsapako izany, sady mampirafy be izy. Izaho nefa lazainy fa halainy ho vady. Tokony hisaraka aminy ve aho ?

 Lire la suite...

Bevohokan’ny lehilahy iray efa nanambady aho ary nilaozany.

29/11/2018

5 taona ilay zaza amin’izao, izy kosa tsy hita intsony mihitsy. Tamin’ny herintaona indray, nisy lehilahy niaraka tamiko ary fantany tsara fa efa niteraka aho.

 Lire la suite...

Misy lehilahy izay any milaza ho tia ahy, izaho koa tia azy, nefa menatra be aho.

28/11/2018

Ahoana no atoko mba ahafahanay miresaka tsara satria tena te hiresaka be aminy mihitsy aho ?

 Lire la suite...

Misy olona mbola tsy hitako hatramin’izay,

27/11/2018

fa mifanerasera amin’ny telefaonina fotsiny izahay, efa ho 4 volana izao. Resaka asa no niantombohany, fa avy eo izahay dia lasa mifanakaiky be. Tsara fanahy be izy, manambitamby ary niteny tamiko hoe mahafinaritra azy aho. Izaho koa toa lasa tia sy tsy mahafoy azy. Inona no ataoko ?

 Lire la suite...

Vehivavy 16 taona aho. Misy lehilahy miaraka amiko, tena tiako.

22/11/2018

Nilaza tamiko anefa izy fa mila vehivavy virjiny, saingy izaho tsy virjiny intsony.

 Lire la suite...

Conseils

Mba mahatsapa alahelo sy manenina amin’ny ratsy nataony tamin’ny olon-tiany ve ny lehilahy ?

21/11/2018

Olombelona toy ny rehetra ihany ny lehilahy ary manenina sy malahelo tokoa izy, fa ny fomba fanehoany izany fotsiny no tsy mitovy amin’ny fomba fanehoan’ny vehivavy ny alahelony.

 

 

 Mety mody miseho ho mafy be izy, tsy hita soritra ety ivelany amin’ny ranomaso ny alahelony sy ny fanenenanany, satria te hiseho ho olon’ny saina, araka ny takian’ny fiarahamonina aminy. Mety misy ihany koa anefa ny lehilahy mitomany, rehefa mifona amin’ny hadisoana vitany. Fa ao koa ireo matin-kambo ka tsy te hiseho ho diso mihitsy, nefa any anatiny any, fantany ihany ny ratsy nataony. Tsy azo lavina koa anefa, fa misy ireo miziriziry amin’ny heviny, ka tsy hanaiky mihitsy hoe : nanao hadisoana, ka tsy hanenina amin’izany mihitsy.  

 

Amam-bolana izaho sy ny olon-tiako no niaraka dia milaza ny hanambady ahy izy. Ny olako dia ahitako olana foana io lehilahy miaraka amiko io, nefa milaza ho tia ahy. Any anefa misy lehilahy tiako sady tia ahy koa. Mba toroy hevitra aho.

Tena tia anao ny olona miaraka aminao matoa izy sahy milaza aminao fa hiroso amin’ny dingana ambonimbony kokoa eo amin’ny fifankatiavanareo. Ianao nefa misalasala satria misy olon-kafa tia anao sy lasa tianao , ka manjary lasa toa ahitanao hadisoana foana ilay olona miaraka aminao hatramin’izay. Tokony haka fotoana ianao handinihana izay tena tianao sy andrian’ny fonao, satria izay hahasambatra anao no tanjona. Raha toa ilay niaraka taminao taty aoriana no tianao kokoa, tsy ahitanao hadisoana sy mampihiratra ny fiainanao, dia tokony hisaraka amin’ilay olona miaraka aminao amin’izao fotoana ianao. Fantaro mihitsy izay heverinao fa hahasambatra anao, afaka miara-manatratra aminao ny tanjom-piainanao, fa aza entin’ny fo fotsiny.

 

Telo taona nivadiana izaho sy ny vadiko ary manan-janaka iray. Tamin’ny telo volana lasa izay dia tratrako nampirafy ahy izy. Rehefa noteneniko izy dia nahorony ny entany ary lasa nipetraka tany amin’ilay vehivavy izy. Herinandro lasa anefa izay, nifona tamiko izy ary nilaza fa ratsy toetra be ilay vehivavy, ka te hiverina amiko izy. Tokony ekeko ve ny fifonany ?

 Efa nahatsapa io vadinao io fa nisy ny hadisoana nataony tamin’ny fampirafesany anao, matoa izy nifona. Tsapany ihany koa fa tsy misy tia azy mihoatra anao ary manahy izy sao tsy hahita toa anao intsony. Na dia misy aza izany fifonany izany dia ilaina ihany ny mifampiresaka tsara ny amin’ny zava-niseho sy ny antony nahatonga azy hanao io fihetsika io. Tokony hazava tsara hoe : avy aiza ny olana ary tokony hisy vahaolana ihany koa manaraka izany, mba tsy hiverenan’ilay tranga intsony. Atao ho anatra avokoa ny zavatra rehetra ary ataovy mazava aminy fa tsy tantinao ny nataony ary tsy hanaiky intsony ianao raha mbola miverina ny toy izany.

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo