Jejoo

Dans la même rubrique

Manatsara bika any am-piasana

15/01/2019

Tsy manam-potoana firy atokana mba hanaovana spaoro ny olona miasa birao. Tena ilaina anefa izany. Ireto misy paipaika vitsivitsy hahafahanao manao spaoro na dia ao am-piasana ihany aza.

 Lire la suite...

Manatsara bika aorian’ny fety

08/01/2019

Hanampy anao hanintsana ireo lanja azo nandritra ny fety ireto fampihetseham-batana tsotra ireto. Ny tombony dia mampiasa ny faritra rehetra amin’ny vatana izy ireto.

 Lire la suite...

Mahaela velona ny fampihetseham-batana japoney, azo tahafina tsara !

18/12/2018

Malaza amin’ny fahaizany mitaiza vatana sy bika ny japoney satria efa tafiditra ao anatin’ny kolotsain’izy ireo rahateo izany.

 Lire la suite...

Manala ireo tavy miandrona ambany helika

11/12/2018

Azo esorina ny tavy eo amin’ny lamosina. Ireo miandrona eo ambanin’ny helika sy izay amin’ny andaniny roa amin’iny valahana iny dia azo foanana tsikelikely ihany koa . Ireto fampihetseham-batana ireto fotsiny no ataonao matetika.

 Lire la suite...

Fampihetseham-batana ho an’ny ankizy kely

04/12/2018

Tsy ny lehibe ihany no tokony hanao fampihetseham-batana fa dieny vao kely ny ankizy dia efa tsara hanmpanaovina izany.

 Lire la suite...

Mamerina ny nono fisaka sy miroraka ho dongadonga

27/11/2018

Azo atao tsara ny manalehibe ny tratra na ny nono somary fisaka amin’ny alalan’ny fampihetseham-batana. Mila manao izany matetika fotsiny.

 Lire la suite...

Ny fiakanjo tena mety raha hanao spaoro

13/11/2018

Mba ho vita tsara araka ny tokony ho izy ny fanantajahantena atao dia tsara raha manao akanjo mampahazo aina tsara rehefa manao spaoro. Toy ny ahoana tokoa no tena fitafy mety raha hanao spaoro ?

 Lire la suite...

Forme

“Cardio training” atao ao an-trano, 10 minitra isan’andro dia mihena !

20/11/2018

Fitaizam-batana 10 minitra isan’andro dia ampy mba hikoloana ny vatana sy hahazoana bika tsara rafitra. Ireto atoro anao manaraka ireto ny santionany amin’ny fampihetseham-batana tsara atao amin’izany.

 

 

Lamosina mahitsy sy mivonkona

Mijoro mahitsy dia atao mitovy tantana amin’ny soroka ny fivelaran’ny tongotra roa. Avonkona moramora ny lamosina sady ampidinina toy ny hanakatra ny lohalika. Atosika mankany aoriana ny fitombenana. Rehefa tonga eo amin’ny lohalika ny loha dia atsotra hahitsy ny lamosina. Tazonina hahitsy izany sady akarina moramora hiverina amin’ny paozy niaingana. Izay fihetsika izay no averina in-15. Sady mampiasa ny hozatra rehetra amin’ny kibo, ny fitombenana ary ny manodidina ny lamosina ity fampihetseham-batana ity.

“Burpees”

Toy ny paozy niaingana teo ihany no hiaingana eto. Avonkona moramora ny lamosina sady ampidinina ny tratra sy ny loha ary ny tanana. Atehina amin’ny tany ny tanana roa sady somary aforitra ny lohalika. Atao mitsotra tsara ny tanana.  Raha efa izay dia atsotra tsikelikely mankany aoriana ny tongotra. Toy ny mandeha izany mandrapahatonga ny tongotra roa hitsotra tsara. Toy ny hanao “gainage” ny paozy vao mijanona. Tazonina 5 segaondra io paozy io dia  miverina tsikelikely amin’ny paozy niaingana.  Averina in-10 ity fihetsika ity. Miato kely isaky ny mahavita. Manao andiany 3. Miasa daholo ny fe sy ny ranjo, ny hoza-kibo ary ny an’ny soroka amin’ity fampihetseham-batana ity.

Raha tiana  hasarotina kely ity fampihetseham-batana ity dia tsy alefa tsikelikely ny tongotra rehefa hanatsotra azy mankany aoriana fa avy hatrany dia mitsambikina.

‘’Step touch’’

Somary mihetsiketsika indray eto. Atambatra mifanitsy amin’ny soroka ny kiho anankiroa. Atao mifampitehaka ny tanana hatrany amin’ny fela-tanana. Tazonina hahitsy ny lamosina. Ampifandimbiasana misabaka sy atambatra ny tongotra roa dia tazonina amin’ilay paozy teo hatrany ny tanana sy ny kiho mandritra izany. Atao mandritra ny 1 minitra tsy miato. Averina in-telo ny andiany iray. Ho tsapanao fa hiasa avokoa ny hozatra manodidina ny soroka sy ny aorian’ny lamosina, ny tanana mandritra ity fampihetseham-batana ity.

“Swimming”

Matory amin’ny kibo indray eto. Somary terena ny fitombenanana. Asabaka hitovy tantana amin’ny soroka ny tongotra. Akarina ny tratra sy ny loha sady toy ny sintonina handroso any anoloana mba hiitatra kokoa ny lamosina. Akarina koa ny tongotra. Ampifandimbiasana akarina sy alatsaka ny tanana sy ny tongotra mandritra ny 1 minitra. Terena hatrany ny fitombenana mandritra izany. Rehefa vita dia ahemotra moramora mankany aoriana ny fitombenana mba ho tafapetraka eo ambonin’ny fela-tongotra. Avonkona mihemotra moramora koa ny lamosina. Atsotra any anoloana ny tanana roa. Mampahazo aina ny lamosina izay niasa be teo izany. Averina hatrany amin’ny voalohany indray ilay fampihetseham-batana teo.

Faranana amin’ny fanaovana “étirements”. Fihetsika tsotra dia tsotra ireo fa ny zava-dehibe dia ny fanaovana azy isan’andro.

Lilou

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo