Jejoo

Dans la même rubrique

“Smoothie à la pastèque”, manampy amin’ny fanalana ny rivotra ao amin’ny kibo

17/07/2019

Zava-pisotro natoraly izy ity ary ny fisian’ny pasiteky aminy, izay voankazo anisan’ny manan-karena rano sy potassium ary ny fananany kaloria ambany dia anisan’ny mampitony amin’ny fisian’ny rivotra ao amin’ny kibo indrindra amin’izao andro mangatsiaka izao.

 Lire la suite...

Zava-pisotro amin’ny “vinaigre de cidre” sy tantely : mampahita tory

19/06/2019

Akora natoraly mampitony ny vatana sy mampahazo aina ny tantely sy ny “vinaingre de cidre”.

 Lire la suite...

Dite kanelina misoroka ny aretin-dririnina

12/06/2019

Sady mampafana amin’izao andro mangatsiaka izao no mahasalama ity zava-pisotro ity. Rehefa mangastiaka toy izao mantsy ny andro dia mora handairan’ny karazana aretina toy ny kohaka, ny gripa, ny vatana. Ity zava-pisotro vita amin’ny episy ity dia miady amin’ireo karazana mikraoba mitondra ireo aretina ireo.

 Lire la suite...

Jus akondro sy epinara mampihena kibo

29/05/2019

Ahitana otrik’aina izay manadio ny rano sy mandoro ny tavy anatin’ny vatana ny akondro ka mety ho an’ireo mampihena vatana. Ity zava-pisotro manaraka ity izao dia mampihena ny kibo. Natoraly no sady ara-pahasalamana tanteraka izy ity. Araho ary ny fikarakarana izany.

 Lire la suite...

Zava-pisotro amin’ny kanelina mamparani-tsaina

22/05/2019

Ny fifangaroan’ny tamotamo, kanelina ary tantely dia manampy amin’ny fiasan’ny atidoha. Mitondra ireo singa rehetra ilain’ny atidoha ihany koa ny fifangaroan’ireo akora ireo ka mamparanitra saina. Andramo ary ity zava-pisotro ity mba handrangitana ny saina.

 Lire la suite...

Jus voasarimakirana sy tongolo gasy : Mahaela velona

08/05/2019

Isan’ny taova fototra miantoka ny fahasalaman’ny vatana ny lalan-drà.

 Lire la suite...

Misoroka ny fofona ratsy avoakan’ny vatana amin’ny sakafo

10/04/2019

Ny sakafo sy zava-pisotro izay hanina sy sotroina dia misy vokany amin’ny fahasalamana, ny fihetseham-po ary ny fofona izay avoakan’ny vatana.

 Lire la suite...

Boisson

Zava-pisotro amin’ny akondro sy voanio, mampitony rarintsaina…izao atao!

14/11/2018

Ny adin-tsaina no isan’ny manimba ny fahasalamana voalohany indrindra. Raha te ho salama dia tokony hiezaka handanjalanja izany, araka izay azo atao.

 Ankoatra ny fialam-boly, ny fanaovana fanatanjahan-tena, izay fomba hahafahana misoroka ny adin-tsaina dia manampy ihany koa ity ranom-boankazo vita amin’ny akondro sy ranom-boanio ity.

 

 Akora ilaina (ho an’olon-droa)

-          Akondro tsy de masaka be loatra 3

-          Ranona  voanio (lait de coco) 25 cl

-          Azo ampiana vovoka kanelina

 

Fikarakarana

Tetehina ny akondro ary alefa anaty « mixeur » miaraka amin’ny ranona voanio.

Afangaro  amin’ity fitaovana ity mandra-pahazo ranom-boankazo mitovy loko tanteraka.

Araraka ao anaty vera ary rarahana kanelina raha ilaina izany.Sotroina mangatsiaka tsara.

 

Manala adin-tsaina

Samy manan-karena otrikaina ny voanio sy ny akondro. Samy ahitana vitamina B, potasiôma, kalsiôma, magneziôma ary Fer ao anatin’ireo voankazo 2 ireo. Ireo singa ireo dia samy mampatanjaka sy mampavitrika ny vatana. Rehefa mavitrika kosa ny vatana dia mahatohitra tsara ny adin-tsaina.

 

Meva  

 

 

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo