Jejoo

Dans la même rubrique

Firaisana ara-nofo…mampisaraka mpivady raha tsy ampy!

19/03/2019

Voalaza fa isan'ny antony iray tena mahatonga ny fisaraham-panambadia­na ny tsy fahampian'ny firaisana ara-nofo.

 Lire la suite...

Lalan-kafa mankany amin’ny lanitra faha-7…

12/03/2019

Rehefa hanafosafo ny olon-tiany ny vehivavy, mandritra ny firaisana ara-nofo, dia matetika no mivantana avy hatrany any amin'ny taovam-pananahan’ilay lehilahy.

 Lire la suite...

Misafosafo amin’ny lela …

05/03/2019

Fomba iray tanterahina ao anatin’ny firaisana ara-nofo ary entina hanaitairana ny vehivavy ao anatin’ny savaranonando, indrindra indrindra, ny « cunnilingus ». Azo lazaina ho mizara ihany ny hevitry ny lehilahy amin’ny fanatanterahana azy io, saingy ny ankamaroany dia mankafy izany.

 Lire la suite...

Filàna ara-nofo, taitairin’ny fofona !

19/02/2019

Mitana anjara toerana lehibe ny fofona, eo amin'ny fananahana. Mety mahatonga antsika ho voasintona amin'olona iray izy io, nefa mety tsy hitiavantsika olona iray ihany koa. Tsy azo atao ambanin-javatra, noho izany, ny fofona avoakan'ny vatana sy ny fivaviana. Andao fantarina ny tsiambaratelony !

 Lire la suite...

Fahadisoana 4 tsy tokony atao intsony

05/02/2019

Misy fomba fiheverana malaza izay manao hoe : tsy misy vehivavy tsy liana amin’ny firaisana ara-nofo, fa ny lehilahy tsy mahay mampianoka no misy.

 Lire la suite...

Mahatsara ny fiainam-pananahana ny “masturbation”

29/01/2019

Mahamenatra ary fahotana mihitsy aza, ho an’ny olona sasany, izany fanomezana fahafinaretana samy irery ny tena izany.

 Lire la suite...

Fahadisoana 4 tsy tokony atao intsony

15/01/2019

Misy fomba fiheverana malaza izay manao hoe : tsy misy vehivavy tsy liana amin’ny firaisana ara-nofo, fa ny lehilahy tsy mahay mampianoka no misy.

 Lire la suite...

Sexo

Savaranonando, azo atao tsisy tanana !

13/11/2018

Tsy ny vehivavy ihany akory no mila an’ilay savaranonando, fotoana natao hanaingana ny filàna sy hampiakatra tsara ny mari-pana, mialohan’ny tena firaisana ara-nofo.

 

 

Na ny lehilahy ihany koa aza dia mba mila an’io fotoana io, hampientanentana azy tsara. Afaka miasa daholo ny faitry ny vatana iray manontolo, mandritra io fotoana io, hanainga  ny filàna sy hitondra fahafinaretana. Fa andao andramana indray ny tsy mampiasa tanana mihitsy. Mety ho fahafinaretana hafakely ihany koa no ho tsapa !

Safosafoy amin’ny volo izy

Maro ny lehilahy no tia vehivavy lava volo. Afaka mandray anjara manontolo ao anatin’ny kilalaom-pitia mantsy ny volo, izay azony sintonina, ohatra. Fa azo entina manafosafo ny vatan’ilay lehilahy manontolo ihany koa ny volo, mandritra ny savaranonando. Andramo ange e ! Manitikitika mahafinaritra !

Kitikitiho ny sofiny

Ivon’ny fahafinaretana tsy hita noanoa ihany koa ny sofina. Lelafo ny ao anatiny dia kitikitiho amin’ny lela, tsentsafo ilay raviny iny, adalao amin’ny molotra sy ny lela ny manodidina azy manontolo… Ho hitanao ny fiakatry ny hafanany !

Omeo oroka tsy ho adinony izy

Tsy misy zavatra mahalasa adala ny lehilahy toy ny oroka lalina ! Ankafizinao ny manafosafo azy amin’ny lelanao, manaikitra moramora ny molony… dia ho hitanao !  

Mandihiza eo anoloany

Nofinofim-pilàna mampiakatra haingana ny mari-panan’ny lehilahy ihany koa, ny vehivavy miolanolana mandihy eo alohany. Toa any anaty horonan-tsarimihetsika ihany no tena ahitana an’izany, ka hevero ange rehefa tena ianao olon-tiany mihitsy no hitany sy azony tsapain-tanana manolanolana ny vatanao mandrangitra azy…

Mitsentsitra vatomamy

Tsikaritrao ve ny ataon’ny vehivavy sasany mba hambaboana ny lehilahy ? Mitsentsitra “bonbon sucette” izy, lelafiny, ahodinkodiny ao am-bavany, arahiny fihetsiky ny maso izay maneho fahafinaretana tsisy ohatr’izany... Eo anoloan’ilay olon-tianao mihitsy no manaova toy izany koa. Azo asolo ny vatomamy ihany koa ny akondro !

 

Fytia

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo