Jejoo

Dans la même rubrique

Manamafy sy mandrafitra ny hoza-pe

19/03/2019

Ny fe no anisan’ny faritra mahazo tavy indrindra miaraka amin’ny kibo rehefa mitombo lanja ny vatana. Noho izany indrindra dia tsara atao vory hozatra sy nofo io faritra io. Ireto misy fampihetseham-batana azonao atao any an-trano hikoloana azy

 Lire la suite...

Mampihena ny fe ao anatin’ny 5 minitra isan’andro

12/03/2019

Ny fotoana matetika no olan’ny olona maniry hitaiza vatana amin’ny fanaovana fampihetseham-batana.

 Lire la suite...

Manao fampihetseham-batana amin’ny tavoahangin-drano ao an-trano

05/03/2019

Mampitombo ny fiantraikany sy ny vokatra entin’ny fampihetseham-batana atao ny manao fampihetseham-batana sady mitazona zavatra mavesa-besatra. Na dia tsy manana ireny fitaovana

 Lire la suite...

Ny fanatanjahan-tena mety, arakaraky ny tanjona tadiavina

26/02/2019

Tsy natao hampihenan-tena fotsiny ny fanaovana spaoro na fanatanjahan-tena. Marobe ny tombontsoa azo avy aminy. Miankina amin’ny tanjona tiana hotratrarina kosa ny fisafidianana ny karazana fanatanjahan-tena atao.

 Lire la suite...

Hadisoana 7 tsy mampandaitra ny fampihenan-kibo atao

19/02/2019

Na dia maniry ho fisa-kibo haingana aza dia fantaro fa misy ny fihetsika tsy tokony hatao mba hampandaitra ny fampihetseham-batana atao. Ireto manaraka ireto nohadisoana matetika fanaon’ny olona mahakasika izany mantsy :

 Lire la suite...

Manamafy ny hoza-pe sy ny fitombenana amin’ny rindrina ao an-trano

29/01/2019

Azonao atao tsara ao an-trano ireto fampihetseham-batana ireto. Tsy mila fitaovana akory fa rindrina ihany no ilaina dia ampy handrafetana ny fe ho mafimafy tsara sady tsara endrika. Mila miaritra kosa mba hahavita ireo fampihetseham-batana rehetra hatramin’ny farany.

 Lire la suite...

Manatsara bika any am-piasana

15/01/2019

Tsy manam-potoana firy atokana mba hanaovana spaoro ny olona miasa birao. Tena ilaina anefa izany. Ireto misy paipaika vitsivitsy hahafahanao manao spaoro na dia ao am-piasana ihany aza.

 Lire la suite...

Forme

Ny fiakanjo tena mety raha hanao spaoro

13/11/2018

Mba ho vita tsara araka ny tokony ho izy ny fanantajahantena atao dia tsara raha manao akanjo mampahazo aina tsara rehefa manao spaoro. Toy ny ahoana tokoa no tena fitafy mety raha hanao spaoro ?

 

 

 

Manao « brassière »

Efa misy ny karazana tati-nono natokana hanaovana rehefa mitsambikina na mihazakazaka. Mitazona ny nono tsy hiroraka kanefa tsy hijaly loatra mandritra ny fampihetseham-batana atao mantsy izy ireny.

Akanjo mitroka ny hatsembohana

Mba tsy ho voaelingelin’ny hatsembohana be manamando ny akanjo rehefa manao fampihetseham-batana dia akanjo vita amin’ny lamba mitroka ny hamandoana sady mora maina na mamela ny rivotra hiditra ao anaty no tsara hanaovana.

Akanjo miitatra

Mba hahazo aina tsara koa dia tsara raha akanjo manaraka tsara ny vatana kanefa afaka miitatra fa tsy manery no ilaina. Tokony ho maivana ilay akanjo. Miankina amin’ny karazana spaoro kosa no isafidianana azy ho manara-batana na somary malaladalaka.

Kiraro tsy mihinjitra loatra

Mihena 24% ny taha mety hahazoana ratra mandritra ny fanaovana fanatanjahantena raha kiraro natokana hanaovana spaoro no hanaovana. Kiraro manaraka tsara ny fihetsika rehefa mamoritra tongotra na rehefa mitsambikina  no mety. Mila faladian-kiraro azo aforitra tsara noho izany. Tsara koa raha ireo kiraro izay miaro amin’ny dona rehefa manatontona tongotra no safidiana.

Natty

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo