Jejoo

Dans la même rubrique

« Vinaigre de cidre » : Mitsabo ny hoho misy « mycose »

10/04/2019

Ny kapa sy ny kiraro mampiseho lohan-tongotra no tena tsara anaovana amin’izao vanim-potoana mafana izao.

 Lire la suite...

Fofon’ny fivaviana, vava… azo itarafana aretina

09/04/2019

Samy manana ny fofona avoakany ny faritry ny vatana : tongotra, vava, fivaviana… Tsy tokony hampaninona ny fofona, amin’ny ankapobeny, kanefa rehefa mahery sy mankaloiloy dia mety ho manafina aretina…

 Lire la suite...

« Smoothie» tsy mampihintsana volo

05/04/2019

Misy fotoana, toa mihintsana ho azy ny volo. Mety avy amin’ny vanin’andro, ny fihinanana sakafo tsy dia mitondra otrikaina, na koa noho ny fikorontanan’ny tsiry mpanentana izy io, ka mety misedra ity olana ity avokoa ny vehivavy rehetra

 Lire la suite...

Toro-hevitra hampipetraka kokoa ny zaza…

04/04/2019

Tsy mitovy ny vintana mety hipetrahan’ny zaza amin’ny vehivavy rehetra. Raha mora izany ho an’ny vehivavy sasany, ho an’ny hafa kosa mety hanahirana.

 Lire la suite...

Fangaro papay + “yaourt” : Manatsara maso!

02/04/2019

Maro be ny tombontsoa ara-pahasalamana entin’ny papay ho an’ny vatantsika.

 Lire la suite...

“Kyste” amin’ny nono, azo sorohana amin’ny sakafo

28/03/2019

Mety ho tratra ny « kyste » amin’ny nono avokoa ny vehivavy rehetra. Azo sorohina tsara amin’ny alalan’ny fihetsika sy sakafo voatandrina tsara anefa ny « kyste » amin’ny nono. Isan’izany ireto toro-hevitra omena anao ireto.

 Lire la suite...

Mampitony nify manaintaina!

27/03/2019

Mampiferinaina tokoa rehefa ny nify no marary. Mandrapahatongan’ny fotoana handehanana any amin’ny mpitsabo nify dia misy ny azo atao mba hampitoniana ny manaintaina, arakaraka ny areti-nify misy.

 Lire la suite...

Taiza vatana

Ireo lamaodim-behivavy mety hanimba ny fahasalamana

08/11/2018

Mety hanimba ny fahasalamana ny sasantsasany amin’ny lamaodim-behivavy. Indro, ho tohin’ny fandaharana Taiza Vatana, tao amin’ny Top Radio omaly, ireo karazana lamaody tokony hotandremana.

 

1-      Pôketra lehibe sy mavesatra

Mankarary ny lamosina sy ny tenda ny pôketra lehibe no sady mavesatra. Tsy tokony atao mihoatra ny 4 kilao ny poketra entina. Aleo pôketra kelikely, vita amin’ny akora malefaka, na kitapo babena mihitsy aza, raha toa ka betsaka ny vimbinina. Ankoatra izay, mba hialana amin’ny fiparitahan’ny bakteria, dia aza adinoina mihitsy ny manasa matetika ny pôketra.

2-      Kiraro avo vodin-tongotra

Mety hahatonga aretin-damosina ihany koa ny kiraro avo vodin-tongotra. Tsy lazaina intsony ireo kitro mety hiforona amin’ny rantsan-tongotra sy ny faladia. Raha tsy maintsy hanao kiraro avo dia ireo manana vodin-kiraro lehibe, toy ny “compensé”, safidiana. Tsy atao avo loatra ihany koa anefa. Solosoloy matetika ny kiraro ary ireo misokatra lohan-tongotra no tena tsara.

3-      Firavaka

Ny singa atao hoe : “nickel” hita amin’ny akora anamboarana ny firavaka sasany no tena mahatonga ny tohina (allergie). Azo hosorana “vernis” aloha ilay firavaka, mialohan’ny hanaovana azy.

4-      “Faux-ongles”

Isan’ireo mety hitahiry bakteria sy “champignons” be indrindra ny “faux-ongles”. Mba hisorohana izany dia diovy sy amandino matetika ny hoho nasiana “faux-ongles”.

Nelly-Bri

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo