Jejoo

Dans la même rubrique

Dina Mialinelina: Hanarina ny kanto

11/04/2019

Mankalaza ny tsingerin-taonany i Dina Mialinelina, ilay mpanakanto ao anatin’ny gadona “world music” ary efa nilomano tao anatin’io tontolon’ny mozika sy kanto io am-polon-taonany mahery izao.

 Lire la suite...

Andry Barhone: tsy nampidirin’ny olona nefa hanentana

04/04/2019

Manana ireo tsiaro tena nanamarika azy ny olombelona tsirairay. Manaiky ny hizara izany amintsika i Andry Barhone, izay fantatra eo amin’ny sehatry ny fanentanana sy ny fanaovana hatsikana:

 Lire la suite...

Stephanie, Denise, Black Nadia…mahay manasongadina ny endriny!

28/03/2019

Samy manana ny « maquillage » efa fanaony andavanandro sy manendrika azy, ireo olo-malaza toa an-dry Denise, Black Nadia, Stéphanie...

 Lire la suite...

Manohy Narimanana, mpanakanto: Mizara toro-hevitra hikoloana hoho, azo alain-tahaka

21/03/2019

Mpanakanto manan-talenta eo amin’ny fitendrena gitara i Manohy Narimanana. Mbola kely izy dia efa nirotsaka tao anatin’ny tontolon’ny mozika ary isan’ny nanofana azy mian-dalana hankafy sy ahafehy ny gitara, ireo ray aman-dreniny, izay mpitendry gitara ihany koa.

 Lire la suite...

Laingo Paps (mannequin) : Manasa tarehy amin'ny rano mafana no mahamanja be azy !

14/03/2019

Mpilatro matihanina any Parisy i Laingo Pappageorgiou. Metisy grika avy amin’ny rainy izy ary ny reniny kosa tera-tany Malagasy. Nahitana azy ilay raki-tsarin’i D.Lain nivoaka tamin’ny volana jolay 2018 izay nahodina tao Corse, Frantsa fa mialohan’izany dia efa nilatro foana i Laingo, nanomboka ny taona 2014.

 Lire la suite...

Mirindra : Mizara toro-hevitra mahatsara tarehy sy bika

11/03/2019

Handray anjara ao anatin’ilay fifaninana WCOPA hotanterahina amin’ny volana jolay ho avy izao i Ranaivosoa Santatra Mirindra.

 Lire la suite...

Black nadia : Mandeha taksibe, miantsena “friperie”,… zanak’olon-tsotra aho, hoy izy

26/02/2019

Isan’ny mpanakanto tena malaza eto an-toerana raha i Black Nadia. Mitandrina amin’ny fihetsiny, misafidy ny hiaina miafina kokoa, tsy dia manao ny fanaon’ny olon-drehetra loatra matetika no hahafantarana ny olo-malaza. I

 Lire la suite...

Star

Iary : Mahay mofomamy, mamorona akanjo, manaingo trano koa

08/11/2018

Mpiangaly ny gadona « rock » no tena ahafantarana an’i Iarilaza Rakotondrasoa, na Iary. Mampiavaka azy ny feony garagara sy matanjaka, izay tsy nandiso azy teo amin’ny fisafidianana ny mozika lalaoviny. Ankoatra ny mozika anefa dia manan-talenta marobe i Iary. Araho ange e !

 

 

·         Mpandalina fiarahamonina

Ao anatin’ilay fandaharana “Pozitiv” mandeha amin’ny fahitalavitra iray eto amintsika izao no ahitana matetika an’i Iary. Miompana amin’ny fampivoarana ny maha-olona sy ny kolontsaina malagasy io fandaharana io, izay iarahany manatontosa amin’ireo “coach” momba ny fampivoarana ny maha-olona maro, ary narindra indrindra mba hiantefa any amin’ny fianakaviana rehetra sy hanova ny fiarahamonina.

·         Mpamorona didin’akanjo

Tsy nianarana akory ny azy ny fanjairana fa efa fitiavana mamorona sy manana zavatra miavaka hatramin’izay. “Nihomehezan’ireo ankizy aho taloha fa mahita foronina foana amin’ny akanjo izay anaovako”, hoy izy mitantara. Izay akanjo misy eo am-pelatanany sy izay kojakoja ananany, tamin’izany, no nanovàny endrika ny akanjo nanaovany. Taty aoriana izy dia namorona andian’akanjo mihitsy ary efa nisy nivoaka ireo, tany amin’ny taona 2014 tany.

·         Mpanao mofomamy sy “patisserie”

Isan’ny tia mahandro ny reniny, ka na tsy nianatra aza i Iary dia toa niampita ho azy ny fahaizana. Mofomamy tsotra ho an’ny ao an-trano sy ny namana no nataony taloha, fa nisy fotoana, nanapa-kevitra ny handray kaomandy ho an’ny krismasy izy. “Mbola tsy nanamboatra mofomamy betsaka toa iny aho, hoy i Iary. Tsy natory mihitsy fa sady nanamboatra no nandeha nanatitra ireo mofomamy vita ihany koa.”

·         Manaingo trano

Ao anatin’ny fandaharana izay tarihiny dia zava-dehibe ho azy ny fanintonana ny mason’ireo mpijery, na eo aza ny lohahevitra mafonja ijoroan’ilay fandaharana. Miaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy dia izy no mijery ny fomba hanaingoana ny sehatra. Tsy hatreo ihany anefa fa mivelatra amin’ny fanaingoana trano filanonana na hipetrahana ihany koa izy.

Rinahsoa

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo