Jejoo

Dans la même rubrique

Ireo sakafo mampitony kibo nidiran’ny rivotra

20/11/2018

Marary sady tsy mampahazo aina mihitsy rehefa tafiditry ny rivotra ny tsinay. Azo tsaboina sy ampitoniana amin’ny alalan’ny sakafo izany.

 Lire la suite...

Izaho tompoko dia maty vonon’ny vadiko.

19/11/2018

3 taona nivadiana izahay, fa tamin’ny herintaona voalohany ihany no tsy nikasihany tanana ahy.

 Lire la suite...

Manadino olona mbola tiana, inona no atao ?

16/11/2018

Isan’ny sarotra indrindra ao anatin’ny fiainam-pitiavana ny manadino ny olona notiavina, satria voatery misaraka.

 Lire la suite...

Regime mihinana voazavo dia 5 andro dia mihena

15/11/2018

Anisan’ny voankazo azo ampiasaina atao fototry ny “régime” fampihenan-tena ny voazavo na ny “pastèque”. Ity atoro anao androany ity dia hampihena be anao ao anatin’ny 5 andro monja. Tsy dia mampijaly rahateo izy ity fa mahavoky koa aza

 Lire la suite...

Manala tasy amin’ny tarehy ny ronono soja !

14/11/2018

Betsaka ny voka-tsoa entin’ny ronono soja ho an’ny vatana. Ho an’ny hoditra manokana fotsiny izao dia fantatra fa manala an’ireo tasitasy sy faritra matro-doko ity ronono avy amin’ny zava-maniry ity.

 Lire la suite...

Maska natoraly 2, mampalama sy manatsotra volo ho azy!

13/11/2018

Maro ireo vehivavy tsy dia tia mampiasa akora simika amin’ny volo ka tsy roboka loatra amin’ireny “produits lisseurs” ireny. Ireo manana karazam-bolo marefo kosa dia tsy mahasahy loatra intsony mampiasa “fer à lisser” sy “brushing”. Ireto misy torohevitra zato isan-jato natoraly mampitsotra ny volo sady manatsara azy.

 Lire la suite...

Jus voasary sy kaokaombra, in-3 isa-kerinandro : Sady mihena no salama !

12/11/2018

Manafaingana ny fampihenan-tena ny fisotroana zava-pisotro natoraly voavaotra manokana. Sady miady amin’ilay fahatsapana ho noana lava mantsy izy ireny no ahitana singa mandoro tavy sy manadio ny ao anaty koa. Ity atoro anao ity izao, dia azonao andramana

 Lire la suite...

Regime

Te hihena 5 kilao vetivety…ovaovao ny sakafo, izao atao!

08/11/2018

Hafakely ity régime atolotra anao androany ity, satria tsy mahamonamonaina fa miova isan’andro ny karazan-tsakafo hanina. Tsy ela be ny hanarahana azy, kanefa azo lazaina ho betsaka ihany ny lanja very…

 

 

Ny fizotran’ny régime

Fito andro ihany no hanarahana an’ity régime ity ary voafaritra tsara avokoa ny karazan-tsakafo hanina isan’andro. Natoraly avokoa ny sakafo hanina fa tsy mihinana sakafo vita voatra ara-indostrialy mihitsy. Mahazo mihinana menaka sy sira, fa amin’ny fatra kely. Tsy mihinan-tsiramamy kosa ary tsy maintsy misotro rano tsara foana isan’andro. Mahavery hatrany amin’ny 5 kilao izy ity, raha voahaja tsara.

Ny sakafo hanina mandritra ny régime

  • Andro voalohany : andron’ny voankazo

Voankazo ihany no hanina amin’ny sakafo telo lehibe amin’ity andro voalohany ity. Azo ampidirina ao avokoa ny voankazo tiana, toy ny papay, paoma, mananasy sy ny maro hafa. Tsy atao amin’ny alina fotsiny ny akondro.

  • Andro faharoa : Andron’ny legioma

Amin’ity andro faharoa ity dia legioma fotsiny no azo hanina. Azo atao sakafo maraina, ohatra ny ovy nomasahana. Amin’izay dia manana ny tontolo andro ny vatana handravana ny gliosida entiny. Aza adinoina ny mihinana legioma be fibra, toy ny “broccoli” sy ny “haricots verts”.

  • Andro fahatelo : andron’ny legioma sy voankazo

Amin’ity andro fahatelo ity dia azo ampiarahina ny fihinanana legioma sy voankazo. Ianao ihany no mandamina azy.

  • Andro fahefatra : andron’ny ronono sy ny akondro

Akondro sy ronono ihany no hanina mandritra ny tontolo andro. Azoo atao ny mihinana akondro hatramin’ny 10 isa. Fero ho 3 vera kosa ny ronono.

  • Andro fahadimy : andron’ny hena

Amin’ity andro ity no afaka mihinana hena. Mety foana na hena mahia na nofon’akoho na trondro. Azo ampiarahina amin’ny voataba 8 izany, atao lasary. Tokony hisotro rano betsaka manokana amin’ity andro ity, mba hanintsanana ny asidra avy amin’ny hena.

  • Andro fahenina : andron’ny hena sy legioma

Amin’ity andro ity dia hena sy legioma no atao sakafo antoandro. Legioma no hanina, ankoatra izay.

  • Andro fahafito : legioma sy vary

Amin’ity andro farany ity dia legioma sy voankazo no hanina ary mahazo mihinam-bary koa fa tsy maintsy vary mena, satria ireny no be otrikaina.

Lilou

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo