Jejoo

Dans la même rubrique

#NousToutes : vondrom-behivavy manohitra ny herisetra

20/11/2018

Olo-malaza miisa 250 any Frantsa no nivondrona ao anatin’ny #NousToutes, vondrom-behivavy iray manohitra ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy.

 Lire la suite...

Tsy avelan’ireo mpino hiditra am-piangonana ny vehivavy ao Inde

20/11/2018

Maherin’ny 70 ireo nosamborina tao Kérala vokatry ny fihetsiketsihena teo anoloan’ny fiangonana “hindou” any an-toerana izay vao nosokafana ho an’ny vehivavy.

 Lire la suite...

Lehilahy iray maty voakaikitry ny trondron-dranomasina tany Aostralia

20/11/2018

Lehilahy mpilomano iray no maty voatsindron’ny biby miaina ao anaty ranomasina tany atsimon’i Aostralia ny asabotsy lasa teo.

 Lire la suite...

Tsy mbola nikitika solosaina mihitsy ny minisitry ny « cybersécurité » ao Japana

19/11/2018

Namboraka ny minisitry ny « cybersécurité » ao Japana, Yoshitaka Sakurada, fa mbola tsy nikitika solosaina mihitsy.

 Lire la suite...

Renim-pianakaviana nandoro zanaka, hogadraina 40 taona

19/11/2018

Niakatra fitsarana tao Etazonia ary voaheloka higadra 40 taona an-tranomaizina, ny renim-pianakaviana iray.

 Lire la suite...

Ho azo tiliana amin’ny alalan’ny rà ny homamiadana vao miantomboka

19/11/2018

Mpikaroka maromaro avy ao amin’ny University Health Network ao Canada no nandrafitra fomba fitiliana homamiadana amin’ny alalan’ny rà.

 Lire la suite...

Ho voarara tanteraka ny fikapohana ankizy any Frantsa

16/11/2018

Nisy indray ny fehezan-dalàna vaovao mikasika ny fandraràna ny fikasihan-tanana sy ny fanaovana herisetra na ara-batana na ara-tsaina amin’ny ankizy any an-tsekoly, izay dinihina ao amin’ny antenimieram-pirenena frantsay amin’izao fotoana.

 Lire la suite...

Manerantany

Vehivavy 2 avy amin'ny finoana silamo, lany ho solombavam-boahaka any Etazonia

08/11/2018

Ny talata lasa teo no notanterahana izany fifidianana izany ka nahalany an'i Ilhan Omar, tao Minesota sy Raichida Tlaib, tao Michigan.

 Samy isan'ireny vehivavy mpandray andraikitra sy mpiady ho an'ny zon'ny vehivavy sy ny finoana silamo ireny moa izy mirahavavy ireto. Fiovana lehibe eo amin'ny tantaran'i Etazonia izao fahalanian'izy mirahavavy ireto izao. Ny iray amin'izy ireo aza dia mbola manao ny voaly mampiavaka ny vehivavy silamo. Mpitsoa-ponena avy any Somalie i Ihan Omar, 36 taona, ary tsy nitsahatra ny niady ho an'ny zon'ny mpino silamo izy. Avy any Palestina kosa i Raichida Tlaib, 43 taona. Samy efa mizaka ny zom-pirenena amerikanina moa izy roa vavy ireto ary samy tao amin'ny antoko demôkraty no nahalany azy.

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo