Jejoo

Dans la même rubrique

Si vous n’êtes pas heureux seul, vous ne serez jamais heureux à deux. Le bonheur vient de l’intérieur, pas des autres.

15/04/2019

Matetika isika no miandry ny olon-kafa hitondra hasambarana ho antsika. Eo amin’ny mpivady sy ny mpifankatia indrindra indrindra no tena isehoan’izany.

 Lire la suite...

« La joie est en tout, il faut savoir l’extraire » Confucius

11/04/2019

Rotoroto loatra izao fiainana iainantsika izao, ka indraindray, toa tsy haintsika intsony ny mankamamy ny fiainana.

 Lire la suite...

Plus tard, il sera trop tard. Notre vie, c’est maintenant (Jacques Prévert)

10/04/2019

Aza manjeny ny andro ho lava, fa tsy fantatra izay haloakan’ny ampitso ! Tsy misy tompon’ny ho avy isika, fa segaondra kely iray monja dia mety hanova ny fiainana iray manontolo. Noho izany indrindra :

 Lire la suite...

Les vêtements ne vont pas changer le monde ; les femmes qui les portent, si. (Anne Klein)

08/04/2019

Zava-dehibe amin’ny olombelona ny fitafiana, satria sady takon-kenatra no miaro amin’ny mety ho hetraketraka avy aty ivelany, toy ny hatsiaka sy ny hafanana…

 Lire la suite...

«On ne peut pas tout vivre, alors l’important est de vivre l’essentiel et chacun de nous a son essentiel » Marc Levy

05/04/2019

Natao hankamamiana ny fiainana, araraotina, alaina fy, alain-tsiro. Ianao io anefa dia kely dia kely miohatra amin’izao tontolo izao.

 Lire la suite...

« Cette année, ne comptez pas les jours, faites que les jours comptent »

04/04/2019

Noho ny fitadiavana sy ny henjikenjika andavan’andro dia maro isika no tsy mba mankafy fiainana fa miaina fotsiny. Tsy mahatsapa loatra ny maha-zava-dehibe ny fahazoana tombon’andro fa repotry ny hazakazaka sy ny fitadiavana.

 Lire la suite...

«Le meilleur moyen de prévoir le futur, c’est de le créer.» Peter Drucker

28/03/2019

Samy mba manana ny vinavinany amin’ny hoavy ny tsirairay. Na eo amin’ny lafiny ara-bola, ara-boninahitra, arak’asa, ara-pifandraisana, sns satria mba samy te hanana fiainana milamina, ao anaty fahampiana sy fiadanana.

 Lire la suite...

Citation

« Ne te laisse pas séduire par les mots, laisse-toi plutôt convaincre par les actions. »

08/11/2018

Manjaka ny lainga sy fitaka amin’izao fotoana, na amin’ny lafiny inona na lafiny inona. Toa tsy mba azo apetraka aman’olona intsony izany fahatokisana izany fa izay manao izany indray no latsa-nenina sy voafitaka avy eo.

Hanjakan’ny haratsiana ny fiarahamonina hiainantsika ka lasa mifampiahiahy avokoa ny rehetra. ‘Ndeha hiresaka mahakasika ny fitiavana ohatra. Firy firy ireo tovovavy voafitaka satria nahatokitoky tenin-dehilahy ? Firy firy ireo nampitomaniany, nampijaliany, nampahoriany…kanefa dia resy lahatra tamin’ny hatsaran-toetrany sy ny hatsaran-tarehiny tany am-boalohany? Hain’ireo lehilahy tokoa ny mandokandoka, manome teny mamy sy manao tsara fanahy rehefa misy zavatra tadiaviny any amin’ilay vehivavy. Rehefa azony kosa izay ilainy, na leoleo izy dia havadiny ny pejy ka lasa indray izy any an-kafa. Ny tian-kambara dia tsotra : mbola betsaka loatra isika vehivavy no diso manaiky mora loatra ny langolango ataon’ny lehilahy, maro loatra isika no tsy ampy andro vitsy dia roboka, latsa-pitia amin’olon-tsy fantatra tsara akory ka lasa manaotao foana sy mitondra takaitra avy eo. Ny zavatra avoaky ny vavany dia teny ihany, manidina, mandalo…..fa miandrasa fotoana, avelao mihitsy aloha tanterahiny izay lazainy, hataony izay nalokalokainy dia hita eo ny tohiny.

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo