Jejoo

Dans la même rubrique

Fanaovana “gommage” ny tanana sy tongotra, ao an-trano

18/01/2019

Isa-kerinandro eo no tokony ho diovina tanteraka sy esorina ireo sela maty miraikitra eo amin’ny tanana, sy ny tongotra.

 Lire la suite...

Mba tsy ho simba ny « maquillage », diovy foana ny « pinceau » !

17/01/2019

Fitaovana fototra mampivoaka ny haingon-tava eo amin’ny tarehy ny « pinceau ». Noho izy ampiasaina matetika, sy amina akora samihafa anefa dia mety hitazona loto indray izy ireny ka hisy fiantraikany eo amin’ny hoditra sy ny fahasalamany.

 Lire la suite...

Te ho manimanitra foana … araho ireto !

16/01/2019

Mitondra fahazotozotoana sy mamelombolo ny vatana ny hanitra tsara eo aminy. Tsy voatery hanao ranomanitra be foana anefa, fa fahazarana sy paipaika kely madinika dia hahatonga anao ho manimanitra tsara mandritra ny tontolo andro. Araho anie ireto dingana ireto e!

 Lire la suite...

Ny fomba fikoloana tarehy sy hoditra, raha milomano matetika

15/01/2019

Rehefa hilomano dia misy ireo fihetsika amam-pahazarana tokony hatao, mba hitazonana ny hatsaran’ny hoditra. Ho an’ireo tena milomano matetika sy amin’ny fotoana raikitra kosa indray dia tena mila ovaina sy ahitsy hatramin’ny akora sy ny fahazarana atao mihitsy. Inona avy izany ny tokony hatao mba tsy ho simba ny tarehy sy ny hoditra ?

 Lire la suite...

Manala ireo faritra mangana eo amin’ny maso ny ovy

14/01/2019

Bongongo matetika ny hodi-masonao, ary mamariparitra mangana mihitsy aza izany ho an’ny sasany.

 Lire la suite...

Ireo antony tena mampikentrona ny tarehy

09/01/2019

Manaratsy endrika ny kentrona. Fihetsika tsy voatandrina fotsiny dia efa mety hahatonga ny fipoirany. Ireto no tsara ho fantatra mahakasika azy ireny sy ny fomba fiarovana ny tarehy amin’ny kentrona.

 Lire la suite...

Tamenak’atody sy tantely : manatsara ny tarehy be menaka

07/01/2019

Andairan’ny mony sady mora mangirana ny hoditra mitera-menaka na matavy. Noho ireo tavo mivoaka eo aminy no mitarika izany. Azo arindra anefa ny fivoahan’io tavy io, mba tsy ho simban’ny mony sy ny loto ny hodi-tava ary hikatona kokoa ny mason-koditra. Tamenak’atody sy tantely no vahaolana !

 Lire la suite...

Beauté

Maquillage tsotra, fanao andavanandro

08/11/2018

Ny hodi-tava metisy no ananan’ny ankamaroan’ny vehivavy Malagasy. Tsy sarotra ny manaingo azy io, saingy mila omanina tsara kosa, mialohan’ny hanaovana “maquillage”…

 

 

Fikarakarana ny hoditra

Ny dingana voalohany amin’ny fanaovana “maquillage” dia ny fikarakarana ny hodi-tava. Hosorana “crème” manamandina azy aloha ny tarehy. Asiana “base matifiante » ihany koa,  hampalefaka sy hampalamalama tsara ny hoditra, mandrapaharivan’ny andro.

Fanosorana « fond de teint »

Rehefa malama tsara ny hodi-tava dia ny « fond de teint fluide » no tsara ampiasaina aminy. Raha tsy dia malama kosa ny hoditra dia aleo misafidy ny « fond de teint » manana toetra matevina, fa mampalandina ny tarehy. Toy izao ny fisafidianana ny « fond de teint » : asiana kely eo amin’ny takolaka, andrasana roa minitra eo ho eo ary jerena amin’ny toerana mazava raha mitovy amin’ny lokon’ny hoditra. Raha tsy mitovy dia soloina loko hafa.  Misy ireo mihevitra fa ny fampiasana “fond de teint » fotsy kokoa noho ny lokon’ny hodi-tava no mampivoaka ny « maquillage ». Diso izany, fa ny “embelisseur” no akora mampamiratra kokoa ny « maquillage ». 

Fampiasana « blush »

Tsara ihany koa ny manana “blush » sy mampiasa azy foana  rehefa hamarana maquillage. Ny loko somary volom-boasary dia mifanaraka tsara amin’ny hoditra somary matroka. Ary satria mitroka loko ny hodi-tava mitera-menaka, dia tsara safidiana, noho izany ireo produit be marevaka kokoa. Rehefa hisafidy manjamaso, dia ireo somary manjelatra no ampiasaina ary raha te hanosotra ireo tsy mangirana dia tena ilay karazany “mat” tanteraka no ampiasaina.

Fandokoana ny molotra

Samy hafa ny lokon’ny molotra ambony sy ambany. Samy hafa ihany koa ny hoditra mandrafitra azy ireo. Raha tiana hifaritra kokoa ny haben’ny molotra dia faritana amin’ny “crayon” matroka ny sisin’ny molotra ary asiana lokomena mazava loko kokoa ao anatiny. Ny mifanohitra amin’izay no atao, raha tiana hanify kokoa ny endriky ny molotra.

Fisafidianana ny “mascara”

Matetika, fohy sy tsy dia matevina loatra ny volomason’ireo vehivavy manana hodi-tava somary mainty. Ireo mascara “volumateur”, noho izany no ampiasaina. Apetraka eo ambony volomaso, any amin’ny fotony mihitsy ilay borosina “mascara” , vao sintonina miakatra.

 

Mba hampitana tsara ny lokomena dia asiana “crème” aloha ny molotra. Soritana amin’ny “crayon contour” avy eo. Mihosotra base ( ilay crayon no atao base, na izay lokomena ampiasaina ihany) ary mamerina manosotra “poudre” sy lokomena indray. Faranana amin’ny “gloss”, raha tiana hangirana nefa azo avela ho tsotra ihany koa, araka izay itiavana azy.

Isaorana ny “Charm’elle Beauté” Ampasampito tamin’ny fiarah-miasa. Fifandraisana : 034 13 538 18 – 033 24 332 05

Ando

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo