Jejoo

Dans la même rubrique

Fahadisoana 4 tsy tokony atao intsony

15/01/2019

Misy fomba fiheverana malaza izay manao hoe : tsy misy vehivavy tsy liana amin’ny firaisana ara-nofo, fa ny lehilahy tsy mahay mampianoka no misy.

 Lire la suite...

Mifampijery anaty maso, mampitombo ny fahafinaretana

14/01/2019

Matetika ny mpifankatia no mitady hevitra sarotra, mba hanomezana tsiro miavaka ny firaisana ara-nofo. Isan’izany ny fitadiavana paozy miala amin’ny mahazatra. Tsy voatery anefa, fa misy mahatsara azy ny fomban-drazana : afaka mifampijery anaty maso. Mitondra fahafinaretana hafa mantsy io fifampijerena anaty maso io, mandritra ny fifampizaràn’ny olon-droa :

 Lire la suite...

Fanapahan-kevitra 3 manatsara ny fiainam-pananahana

08/01/2019

Rehefa miandoha ny taona dia miezaka mandray fanapahan-kevitra tsara, na mametraka tanjona sy vina hotratrarina ny ankamaroan’ny olona.

 Lire la suite...

Firaisana ara-nofo : Manana ny tsirony koa ny fahazarana !

18/12/2018

Rehefa miresaka firaisana ara-nofo, dia mazàna ny fitadiavana izay fomba hahatsara kokoa hatrany an’izany no tena omen-danja. Voateny foana, ao anatin’izany, fa ilaina ny manovaova ny fahazarana, mba tsy hankaleo. Adino, fa misy vokany tsara ihany koa ny fahazarana...

 Lire la suite...

Lehilahy manolana ny vadiny, tsy azo avela fotsiny amin’izao !

27/11/2018

Nomarihina ny 25 novambra lasa teo ny andro eran-tany ho famongorana ny herisetra atao amin’ny vehivavy, ary ao anatin’ny 16 andro, manomboka eo amin’io daty io hatramin’ny 10 desambra,

 Lire la suite...

Misy faritra 3 tsy ampoizina mampientana ny lehilahy !

20/11/2018

Amin’ny ankapobeny, ny faritry ny taovam-pananahan’ny lehilahy avy hatrany no kitihantsika vehivavy, rehefa te hanaitra ny lehilahy.

 Lire la suite...

Savaranonando, azo atao tsisy tanana !

13/11/2018

Tsy ny vehivavy ihany akory no mila an’ilay savaranonando, fotoana natao hanaingana ny filàna sy hampiakatra tsara ny mari-pana, mialohan’ny tena firaisana ara-nofo.

 Lire la suite...

Sexo

Misy lalàna mahatsikaiky mamehy ny firaisana ara-nofo

06/11/2018

Tena zava-dehibe izany firaisana ara-nofo izany, ka tsy azo ataotao foana. Izany koa no mahatonga ny lalàna ho sarotiny amin’ireo tsy manaja ny maha-olona,

 

 na manararaotra, ao anatin’izany firaisana ara-nofo izany. Fa indraindray koa, misy lalàna hafahafa, toa mampihomehy ihany, any amin’ny firenena sasany, mamehy izay firaisana ara-nofo izay. Santionany ireto…

·         Any Virginie Etazonia dia voarara ny manao firaisana ara-nofo ao anaty hazavana. Araka izany, tsy maintsy vonoina foana ny jiro amin’ny alina, raha hiray ara-nofo.

·         Any Colombie, ny firaisana ara-nofo voalohan’ny vehivavy dia tsy maintsy ataony miaraka amin’ny vadiny ihany. Manatrika izany firaisana ara-nofo izany ny renin’ilay vehivavy, mba ho fanamarinana fa io tokoa no voalohany.

·         Any Utah Etazonia, tsy mahazo manao firaisana ara-nofo ao anaty “ambulance” ny vehivavy. Raha mandika izany lalàna izany izy dia avoaka an-gazety ny sariny mba ho fantatry ny olona rehetra ny zavatra nataony.

·         Any Minnesota, ny olombelona rehetra dia raràn’ny lalàna tsy hanao firaisana ara-nofo amin’ny trondro maty. Tsy voaresaka kosa ny mahakasika ny trondro velona !

·         Any Oregon, voararan’ny lalàna tsy hahazo hiteny ratsy ny lehilahy, rehefa eo ambony fandriana miaraka amin’ny vadiny.

·         Any Iowa, raràn’ny lalàna tsy hisotro izay labiera tiany holaniana ny lehilahy, rehefa eo am-pandriana miaraka amin’ny vadiny. In-3 migoka ihany dia ampy !

·         Any Washignton D.C, tsy misy paozy eken’ny lalàna hataon’ny mpivady mandritra ny firaisana ara-nofo, afa-tsy ny “missionnaire” (vehivavy matory mitsilany, matory eo amboniny ny lehilahy) ihany !

·         Any Kalifôrnia, voararan’ny lalàna tsy hiray ara-nofo ny alika, na ny saka, fa mila maka taratasy fanomezan-dalana mialoha.

·         Mbola any Kalifôrnia ihany, tsy mahazo miray ara-nofo amin’ny omby ny vehivavy, raha tsy hoe : firaisana ara-nofo iarahan’olona 3 angaha (ka omby ny iray !)

·         Any Liban, tsy azon’ny lehilahy atao ny miray ara-nofo amin’ny biby… lahy ! Fa tsy maninona raha vavy ilay biby. Famonoana ho faty no sazy miandry izay mandika io lalàna io.

·         Misy dokotera “gynécologue” lehilahy any Bahreïn, saingy tsy azon’izy ireo atao  ny mijery mivantana ny taovam-pananahan’ny vehivavy. Tsy maintsy mampiasa fitaratra izy ireo, rehefa hanao fizahana.

 

Fytia

 



 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo