Jejoo

Dans la même rubrique

Ireo sakafo 5 be manezioma

28/05/2019

Araka ny hafatry ny mpiasan’ny fahasalamana dia tokony mila manezioma 300 hatramin’ny 400 mg isn’andro ny olon-dehibe raha 10 ka hatramin’ny 30 mg kosa izany ho an’ny ankizy.

 Lire la suite...

Ny atao mba tsy hihinan-kena be loatra

21/05/2019

Mampidi-doza ho an’ny fahasalamana ny fihinanan-kena diso betsaka loatra. Tsy mety koa anefa ny mifady azy tanteraka satria mila ny fer sy zinc ary ny vitamine B12 entiny ny vatana mba ho entiny miasa. Ahoana ny atao mba ihinanana azy amin’ny fatra antonony tsara. Atoronay anao :

 Lire la suite...

Sakafo 10 be “fer”, misoroka havizanana lalina

14/05/2019

Raha vao tsy ampy « fer » ny vatana dia mety ho tratry ny havizanana lalina, mihamarefo ny hery fiarovana ; mahavoa ny “anémie” koa ny tsy fahampiana azy.

 Lire la suite...

Sakafo matsiro fa tsy matavy …izao atao

07/05/2019

Sakafo tsy matavy sy be menaka loatra ihany no mahasalama sady vahaolana amin’ny hatavezana diso tafahoatra.

 Lire la suite...

Sakafo 10 manala sy misoroka ny rarin-tsaina

02/04/2019

Fahavalon’ny fahasalaman’ny vatana ny rarin-tsaina na ny « stress ». Mitarika ny vatana hahazo fahazaran-dratsy ara-tsakafo mantsy ny toe-po miovaova.

 Lire la suite...

Ny marina sy tsara ho fantatra momba ny ranom-boasarimankirana

26/03/2019

Tsy iadian-kevitra fa mitondra otrik’aina mahasoa sady mahasalama ho an’ny vatana ny voasarimankirana. Marobe kosa ny hevitra re mahakasika azy sy ny fomba isotroana azy. Iza amin’ireny no diso ary iza no marina ? Mamaly ny matihanina amin’ny fomba fisakafo iray.

 Lire la suite...

Fo, tsinay, aty…koloin’ny labiera avokoa!

19/03/2019

Nanaovan’ny mpikaroka siantifika fanadihadiana ny labiera izahana raha misy tombontsoa azo avy aminy na tsia.

 Lire la suite...

Diététique

Sakafo 7 misoroka sy mitsabo ny « dépression »

06/11/2018

Raha mahatsiaro ho malahelohelo, te hitsakotsako zava-mamy, na be menaka, tsy dia mazoto mihetsika fa kamokamo, dia mety ho voan’ny fahaketrahana, na « depression » ianao.

 

 Isan’ny vahaolana amin’izany ny fampitomboana ny famokaran’ny atidoha ny « serotonine », ilay tsiry mpanentan’ny fahasambarana. Misy sakafo mamporisika izany ary ireto avy izy ireo :

Sôkôlà

Feno mpanala arafesina sy maneziôma ny sôkôlà. Araka ny fanadihadana maro dia manampy ny olona malahelo hiverina hitsiky indray izy ity. tsy tokony hihoatra ny 80grama isan’andro andro anefa, satria sady matavy no mamy ihany ny sôkôlà. Singany 2 isan’andro dia efa ampy hampamiramiran’endrika.

Anana, legioma maitso ary salady

Feno vitamina B9, maneziôma ary mpanala arafesina ny anana toy ny epinara, ny anandrano ary ny laisoa ka tokony hanina isan’andro, raha te ho miramirana sy falilafy foana.

Atody

Be proteina atao hoe : « tryptophane » ny atody, ka  azo lazaina ho sakafo mahafalifaly ihany koa. Tombony ny fisian’ny vitamina D ao anatiny, izay manampy ny vatana ho mirana.

Voasary

Feno vitamina B9, izay mandrisika ny vatana hamokatra sérotonine, ny fianakavian’ny voasary toy ny loranjy, ny mandarina sy ny papelimosy, ka tsara hanina matetika. Azo hanina amin’izao, atao tsindrin-tsakafo na atao salady izy. Mety koa ny mampiaraka azy ireny amin’ny trondro, ohatra.

 

Saumon sy sardine

Trondro be omega-3 sy vitamina D ny saumon sy ny sardine. Sady miaro ny fo izy no mahatonga ho mirana sy faly anaty.

Voan’ny lin

Be oméga-3 sy mpanala arafesina ary be vitamina B9 ny voan’ny “lin”. Ity singa farany ity no tena mandrindra ny fihetseham-po. Rehefa totoina izy no mora raisin’ny vatana tsara. Atao amin’ny salady na afangaro amin’ny ny tsindrin-tsakafo no fanaovana azy. Eny amin’ny toeram-pivarotam-panafody sasany no ahitana azy ity.

Avoine

Ahitana proteina antsoina hoe « tryptophane » ihany koa ao anatin’ny « avoine ». Io singa io dia mandrisika ny atidoha hamokatra « sérotonine ». Sakafo maraina moa no fihinanana ny « avoine » ampiarahina amin’ny ronono izy, amin’izay fotoana izay.

 

Hary

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo